Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Desambra, 2017
Rakipeo Avy Any Amman Miaraka Amin'i Ahmad Humeid
Ahmad Humeid dia mpandraharaha Jordaniana, mpanao matoandahatsoratra an-gazety, mpanao sary, mpamolavola maritrano ary araka ny fahalalako azy dia izy no mpandrakitra rakipeo Jordaniana voalohany, angamba ny voalohany any Afovoany Atsinanana .
Kurdistance-5:
Antenaiko fa ho sambatra toy ny... androany ny ambin'ny herinandronao, mandra-pihaonantsika indray.
Bilaogera Egiptiana Anankiray Nanome Ny Heviny Momba ny Lahatsoratr'i Robert Fisk
Mihevitra aho fa ny lahatsoratr'i Fisk no ohatra vao haingana indrindra mampiseho fa afaka lasa sady badobado no sady mpivarotra ny rehetra ... na dia izay loharanom-baovao faran'izay mendrin-kaja be aza.
Ankalazain'ny Tontolom-bolongana Maraokana Ny Vehivavy, No Sady Ifanakalozany Hevitra Ny Mikasika Ireo Fady
Nanome voninahitra ilay vehivavy, izay, nankalazain'izao tontolo izao androany, ireo Maraokana blaogera. Nifanakalozan-dry zareo hevitra koa ny mikasika ireo olana saropady toy ny maha-pelaka ao anaty tontolo iainana mpandala ny nentim-paharazana.
Nosamborina Ilay Bilaogera Egyptiana
Abdolkarim Nabil Seliman dia Egyptiana mpianatra lalàna 21 taona ao amin'ny Oniversiten'i Azhar, Damanhour, mpikatroka mpiaro ny zon'ny vehivavy sady solontenan'ny Copts United . Mamoaka lahatsoratra ao amin'ny bilaogy iray tantanany ihany koa izy ankoatra ny fanoratana ao amin'ny Civic Dialogue .
Neila Charchour Hachicha : Blaogy Ho An'ny Fahafahan'Ireo Toniziana
Ahianay ilay WSIS"World Summit on the Information Society"(Fihaonam-be Faratampony Momban'ny Torohain'ny Fiarahamonina), izay ho tanterahina ao Tonizia, ho vao mainka hitondra sivana maro sy famerana ny fahalalahana maneho hevitra
Fiaraha-misakafon'ny Bilaogera Toniziana
Faly aho namonjy ny Fihaonan'ny Bilaogera Toniziana Andiany Faha 8 ny zoma alina , niaraka tamin'ireo mpandray anjara namana ao amin'ny WSIS, Jeff Ooi avy any Malezia sy Isam Bayazidi avy any Jordania.
Fijery Arabo: Feon'Ireo Mpandalina Ny Finoana Silamo
Tsy ireo bilaogera miteny Anglisy avy any Afovoany Atsinanana irery ihany no miezaka tsy an-kiato mampitohy ny hantsana ara-kolontsaina, fa misedra ady mitovy amin'io koa ireo bilaogera miteny Arabo ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Arabo. Mitsikera ny sasany amin'ireo fady anatin'ny rafitra misy azy ireo mpandalina ny finoana Silamo.
Fitsidihana Ny Tontolon'ny Bilaogy Kiorda
Roj Bash! Satria miha akaiky ny famaranana, dia ho kely kokoa noho ny mahazatra ny lahatsoratra androany, ity ny jery todika isan-kerinandro: