Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Jordania

10 Septambra 2019

Manivana ireo vaovao momba an'i Isiraely sy i Palestina ve ny Facebook? (2009)

Koa satria efa mihalasa ho sehatra fikarakarana sy fiadiankevitra ny Facebook, maro no mahatsikaritra ny votoatiny ho manjavona. Manadihady ireo fitarainana avy amin'ny bilaogera arabo sy isiraeliana i Jillian York ato amin'ity lahatsoratra ity.

28 Aogositra 2019

Jordania: Ny fifandraisana ao Gaza

Raha mbola manohy ny fanafihany an'i Gaza ny Israeliana, mandeha mihoatra noho ny fanamelohana ny herisetra ireo bilaogera Jordaniana ary mamadika ny tenin'izy ireo sy ny fihetseham-pon'izy ireo ho asa mivaingana. Fanentanana Komity 7iber/Action manangona ireo fanomezana ankoatra izay nomanin'ny mpikarakara azy.

12 Aogositra 2019

Afaka manome lesona ho an'ireo ‘Ngeza’ miankin-doha amin'ny solika ve i Jordania mikasika ny angovo azo havaozina?

Jordania irery no iray amin'ireo firenena ao anatin'ny tontolo Arabo manana tsena mahasarika ho an'ny varotra takelaka fakana herin'ny masoandro

12 Mey 2019

AB14: “Tsy tokony hieritreritra isika fa hamaha izay olantsika rehetra ny teknolojia”

GV Mpisolovava

Nifantoka tamin'ny paikadin'ny fikarohana ny fiarovana amin'ny sivana sy ny fanaraha-maso ny fivoriana sy amin'ny fiarovana ny fifamatorana iombonana eo amin'ny toerana ahatsapana toa voasaratsaraka bebe kokoa hatrany isan'andro.

30 Avrily 2019

Palestina: Gaza eo ambany fahirano

Manampy ny feon'izy ireo ao anatin'ny tabataba iraisam-pirenena ny bilaogera manerana ny faritra satria tafiditra ao anaty haizina i Gaza. Nitarika fanakatonana ny tobin' herinaratra tokana ao amin'ny farittra noho ny tsy fisian'ny solintany ny fahirana efatr'andro nataon'i Israely.

12 Avrily 2019

Haingo Fanampin'ilay Mofomamy Virtoaly: Ny Volavolan-dalàna Jordaniana Mikasika Ny Fifandraisandavitra

GV Mpisolovava

Hanome fahefana mivalapatra ho an'ny Vaomieran'ny Fifandraisandavitra mba hanameloka sy hanakana karazana votoaty maro isan-karazany ao anaty aterineto ny volavolan-dalàna iray vaovao mikasika ny fifandraisandavitra.

30 Marsa 2019

Jordania: Manasazy filohan'ny klioba baolina kitra mpanakiana

Nipoitra ny tolakandron'ny tolakandron'ny 23 Desambra ny tatitra fa voampanga ho nanafika sy nanevateva ny manamboninahitra zandary iray i Tareq Sami Khoury ary voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina.

29 Marsa 2019

Jordania: Natsangana ny lalàna momba ny heloka bevava amin'ny rafi-baovao nasiam-panovana

Nankatoavin'ny governemanta Jordaniana tamin'ny 29 Aogositra ny volavolan-dalàna farany amin'ny Lalàna momba ny heloka bevava amin'ny Rafi-baovao (Lalàna mifehy ny heloka atserasera) rehefa avy nanitsy ampahany maromaro tamin'ny lalàna izay niteraka adihevitra sy tsikera avy amin'ireo mpikatroka zon'olombelona sy ireo mpikatroka media.

28 Marsa 2019

Misioka momba ny fampielezan-kevi-pifidianana ny Jordaniana

Afaka mandefa fitaovana fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianana amin'ny 9 novambra ankehitriny ireo kandidà parlemantera Jordaniana. Mameno ny arabe lehibe ankehitriny ireo afisy, ary iandian-kevitra be eo amin'ireo mpisera Twitter Jordaniana ny lohahevitra momba ireo fitaovana fampielezan-kevitra ireo. Saika miombon-kevitra avokoa, satria maneho fahasorenana amin'ireo afisy ny ankamaroan'ny sioka.

27 Marsa 2019

Jordania: Fanehoan-kevitra amin'ny fananganana governemanta vaovao

Taorian'ny fifidianana parlemantera tamin'ny 9 Novambra tao Jordania, nankatoavin'i Mpanjaka Abdulla ny governemanta vaovaon'ny praiminitra  Samir Rifai tamin'ny Alarobia 24 Novambra. Feno fanehoan-kevitra ny Twitter, izay maro no nankasitraka ny fanendrena.