· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Mey, 2012

Syria: Masoivoho Noroahana Ho Fanoherana Ny Vonomoka Tao Houla

  30 Mey 2012

Ny vonomoka feno herisetra nitranga tao amin'ny distrikan'i Houla dia niteraka onjam-panehoan-kevitra mampivarahontsana nanerana ny tany. MAro ireo governemanta no nandray fanapahan-kevitra handroaka ireo masoivoho Siriana ho fanoherana ny firehetan'ny herisetra.

Qatar: Firehetana Mahatsiravina Namoizana Aina Tao Aminà Toeram-pivarotana Lehibe Iray

  30 Mey 2012

Tamin'ny 28 May nidedaka ny afo tao amin'ny Villaggio Mall tao Doha, niteraka faty olona sivy ambinifolo, ka telo ambinifolo tamin'ireo no ankizy. Voafandriky ny afo ka tsy afa-nivoaka tao amin'ny toeram-pitaizana nisy azy tao anatin'ilay toeram-pivarotana lehibe ireo ankizy, ary maty sempotry ny setroka tao izy ireo sy ny mpampianatra efatra. Mpamono afo roa no maty teo ampiezahana hamonjy azy ireo.

Syria: Nahatonga Izao Tontolo Izao Hampiaka-peo Ny Vonomoka Tao Houla

  29 Mey 2012

Tamin'ny 25 May, ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tao Houla, avaratra andrefan'i Homs, dia nidina an-dalambe teo amin'ny mitatao vovonana teo, tsy nanampo na dia kely aza fa hoe mety hivaly vonomoka feno habibiana tsy roa aman-tany ny hetsika fanehoan-kevitra nataon-dry zareo. Raha kely indrindra dia 116 no olona matin'ny mpitandro filaminana mpomba ny governemanta.

Nabeel Rajab: Mitohy Ny Tolona Any Bahrain

GV Mpisolovava  29 Mey 2012

Navoaka tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra $800 ny Filohan'ny Foibe Bahraini momba ny Zon'olombelona, Nabeel Rajab, hoy ny mpisolovava azy, Mohamed Al Jishi. "Ity no fotoana voalohany teo amin'ny fiainako nitanana ahy nandritra ny fotoana naharitra. Namafisin'ny zavatra niainako tany am-ponja ny finoako fa mpanao didy no mifehy antsika. Mila miziriziry hanohitra isika, ary hiady mafy hanohitra ity famoretana sy tsy rariny ity mandra-pahatanteraka ireo fangatahana rehetra izay nanatanterahantsika hetsi-panoherana tamin'ny 14 Febroary. Hitohy ny tolontsika mandrapahazoantsika ny zontsika rehetra."

Ejipta: Tafatsangana Indray I Ahmed Shafiq

  29 Mey 2012

Navoakan'ny sombim-bokatra valim-pifidianana filoham-pirenena ejipsiana fiodinana voalohany fa ny kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana Mohamed Morsi sy ny Praiminisitra teo aloha Ahmed Shafiq no hifanandrina amin'ny fiodinana faharoa hotontosaina amin'ny 16 sy 17 Jona. Niteraka hatairana...

Iran : ” ‘Ndeha Hiaro ny Farihin'I Urmia Amin'ny Ranomasontsika “

  28 Mey 2012

Tsy kivy mihitsy ireo mpanao fihetsiketsehana maro niady ho amin'ny fiarovana ny farihin'i Urmia ao Iran amin'ny fahasimbana maharitra mahazo ny tontolo iainana. Ao anatin'ny filaharana manerana ny faritr'i Azerbaijan ao Iran, miantso ny governemanta izy ireo mba hiaro ilay farihy izay iray amin'ireo rano masira lehibe indrindra manerana izao tontolo izao .

Ejypta : Eo An-dalam-panaovana Ny Fifidianana Filoham-pirenena Malalaka Voalohany

  28 Mey 2012

Hiditra amin'ny fifidianana filoham-pirenena malalaka voalohany eo amin'ny fireneny ry zareo Ejiptiana. Raha toa ka filaharam-be no hita teny amin'ny toeram-pifidianana teny , toa vitsy nohon'ny an'i fifidianana Parlemantera ny volana Novambra 2011 ny fandraisana anjara.Mety mampiseho ny fahadisoam-panantenana tsapan'ny maro amin'ireo kandidà ireo izany.

Jordania: “Misaotra” Ny Fanjakana Ny Jordaniana

  23 Mey 2012

Mampiasa ilay tenifototra #شكرا, na "misaotra anao", ireo Jordaniana mpampiasa Twitter mba hitorahana bitsika maneso momba ny nataon'ny fanjakana Jordaniana tamin'ny firenena. Fihetsehana amin'ny filonan'ny dingana fanovàna efa an-dàlana any Jordania ireo bitsika ireo.