Palestiniana mpanoratra Randa Jarrar notaritaritina nivoaka ny hetsika PEN America noho ny fanoherany

 

Sary avy amin'i Daniel José Older. Mampiseho an'i Randa Jarrar notaritaritina nivoaka ny hetsika fa nanohitra tamin'ny alalan'ny fiantsoana ny anaran'ireo mpanoratra miisa 13 maty maritiora tao Gaza. Aseho mazava eo an-tampon'ny sary ny lisitry ny anarana. Nahazoana alalana.

Tao amin'ny New Arab no namoahana voalohany an’ ity lahatsoratra ity tamin'ny 2 Febroary 2024. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny lahatsoratra nasiam-panitsiana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Navoakan'ny PEN America, fikambanana natokana hiarovana ny fahalalahana miteny, ilay mpanoratra Palestiniana Amerikana Randa Jarrar noho ny nanakorontanany ny hetsika izay nanindrahindrana olo-malaza Sionista fanta-daza iray.

Noho ny fifantohany amin'ny fiarovana ireo mpanoratra sy mpanao gazety tandindonin-doza dia tsy nanaiky ny famonoana mpanoratra maherin'ny 130 tao Gaza nanomboka ny 7 Oktobra ny PEN America, noho izy ao anatin'ny tambajotra PEN Iraisampirenena misy ao amin'ny firenena 100 mahery.

Vao haingana ny fikambanana no nanasa ilay nisora-tena ho Sionista sady mpanohitra ny fampitsaharana ady, Mayiam Bailik, mba hanentana ny resaka ifanaovana amin'ilay mpanao hatsikana Moshe Kasher momba ny tantaram-piainany vao navoakany mandritra ny hetsika PEN Out Loud tany Los Angeles. Voatsikera “mafy” i Bailik tamin’ny lahatsorany tao amin'ny media sosialy nanao tsinontsinona ny ady tao Gaza, izay niafara tamin'ny famonoana Palestiniana mihoatra ny 27.840, ka vehivavy sy ankizy ny 70 isanjato tamin’izany, ankoatra ireo Israeliana miisa 1 139. Nandrisika ilay mpanao gazety David Ehrlich haneho hevitra ny lahatsoratr’i Bailik:  “Tena hoe anisan’ny t** very saina tsy mbola fahitako hatrizay teto na tany amin’ny tranokala hafa.”

Niteraka hatezerana teo amin'ny vondrom-piarahamonin’ny literatiora ny fanapahan-kevitra nataon’ny Pen America ary nitarika ireo mpanoratra roa malaza ho nanapaka ny fifandraisany tamin’ny fikambanana mialoha ny hetsika. Samy nisintona ny fanohanany ho setrin'ny fidiran'i Bailik ry Angela Flournoy, ilay Tafakatra Famaranana tamin’ny National Book Award sy ry Kathleen Alcott nahazo ny loka O. Henry.

Niroso tamin’ny hetsika ihany ny fikambanana na dia teo aza ny resabe.

Mpanoratra miisa enina mifandray amin'ny Mpanoratra Manohitra ny Ady ao Gaza (WAWOG), anisan'izany ny mpanoratra Randa Jarrar, no nanatrika ny hetsika PEN Out Loud. Nakorontan-dry zareo ny hetsika tamin'ny fiantsoantsoana tamin'ny fanamafisam-peo ny anaran'ireo mpanoratra sy poeta miisa 13 novonoin’Isiraely tao Gaza nanomboka ny 7 Oktobra, sady notoheriny ihany koa ny fanomezana sehatra ho an'i Bailik.

Nasaina nivoaka ireo mpanao fihetsiketsehana, ary, rehefa nandà i Jarrar, dia notaritaritina hivoaka ny hetsika. Azo horonantsary ny zava-nitranga ary niparitaka be tamin'ny media sosialy. Tao amin'ity horonan-tsary ity, hita fa notaritaritina an-keriny hivoaka ny hetsika i Jarrar, raha nijanona nipetraka teo amin'ny sezany izy.

Taorian'ny hetsika, namoaka fanambarana maneho ny “alahelony” noho ny tsy maintsy namoahany ireo mpanao fihetsiketsehana mba hitohizan'ny hetsika ny PEN America. Na izany aza, tsy mbola nanao fanambarana ampahibemaso momba ireo mpanoratra miisa 13 ireo ny fikambanana, ary koa ireo mpanao gazety miisa 122 sy akademika miisa 100 izay matin'ny tafika Israeliana ihany koa nanomboka ny volana Oktobra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.