Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Marsa, 2014
Nomelohin'i Ejypta Ho Faty Ireo Mpomba Ny Mpirahalahy Miozolomana 529
Nomelohin'i Ejypta ho faty ireo mpanohana ny mpirahalahy Miozolomana miisa 529 androany 24 marsa, noho ny fandraisan'izy ireo anjara taminà rotaka feno herisetra tao Minya, tao Ejypta, tamin'ny volana Aogositra tamin'ny taon-dasa.
Navoaka Ny Fonja Ilay Bilaogera Ejypsiana Alaa Abdel Fattah
Mitohy ny fankalazana satria navoaka ny fonja ilay bilaogera Ejypsiana malaza Alaa Abdel Fattah. Tamin'ny sioka voalohany nalefany taorian'ny famotsorana azy, nampanantena mbola "hanohy" ny tolona izy.
Nivoady “Hamafa” ny Twitter ao Torkia i Erdogan
Nakaton'i Torkia ny Twitter - tahaka izany ihany koa ny servisy DNS Google hoan'ny daholobe, izay nampiasaina hihodidinana ny fanakatonana. Na dia izany aza, toa hita fa tsy nahitam-bokany ny fikasan'ny governemanta Tiorka hanivanana izay fanoherana azy, satria vao maika lasa nitombo be ireo sioka avy ao Tiorkia.
Syria: Izaho No Aleppo, Aleppo Dia Izaho
"Mitovy izahay sy Aleppo : simba, feno afo, misavoritaka," izany no nosoratan'i Marcell Shehwaro, mpitoraka bilaogy / mafana fo, ao amin'ny lahatsoratra voalohany amin'ny andiany momba ny fiainana any Syria mandritra ny tsy fifankahazoana amin'izao fotoana izao.
Arabia Saodita : Niaka-peo Tao Amin'ny Twitter ireo Printsesa Migadra
Nisy ny angano mitantara ny printsesa voahidy anaty tilikambo, fa amin'izao fotoana izao, any Arabia Saodita, printsesa efatra no milaza fa tsy araka ny sitrapony ny hitazonana azy nandritra ny 13 taona.
Sakafo 5 Nenti-paharazana Avy Amin'ny Tany Miteny Frantsay
Noana tajine, hena na trondro ahandroina miaraka amin'ny legioma na voankazo maina avy any Maraoka ? Sa ahoana ny momba ny ravitoto, sakafo vita amin'ny ravi-mangahazo, tongolo be sy henankisoa avy any Madagasikara
Tonizia: Noafahana am-ponja i Jabeur Mejri
Nofonjaina noho ny famoahana ny sariitatry ny mpaminany Muhammad ilay Toniziana 30 taona Jabeur Mejr noafahana halina.
Mitsinjaka Sady Faly I Koety
Ravo i Koety fa manana ny kinovany azy manokana amin'ilay mozika an-dahatsary Happy an'i Pharrell. Jereo ny lahatsary raha te hahita ny fomba fandihizan'i Koety.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...