Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2021
Vonona ‘handrindra ny fifandraisana’ i Tiorka sy i Armenia efa ho 30 taona aty aoriana
Efa ho telopolo taona taty aoriana, mieritreritra ny hanokatra ny sisin-taniny miaraka amin'i Armenia i Torkia. Nikatona nanomboka ny taona 1993 ny sisintany.
Tatitra vaovao momba ny fironan'ny fahalalahan'ny aterineto manerantany any Torkia sy Kaokazy atsimo
Raha "misy fahalalahana" ny laharana misy an'i Zeorzia sy i Armenia tamin'ny tatitra tamin'ity taona ity, i Torkia sy i Azerbaijan kosa dia mitana ny laharana "tsy misy fahalalahana" noho ny rivo-piainana sarotra manodidina ny zo nomerika (ankihy) sy ny fahalalahana.
Nasaina namotsotra ireo gadra 21 nanohitra ny lalànam-pifidianana “manavakavaka” i Qatar
Mandràra ireo Qatari izay voasokajy ho "nampidirina" fa tsy "teratany" tsy hilatsaka kandida amin'ny fifidianana ary mandràra azy ireo tsy hifidy, na izy roa ny lalana vaovao mifehy ny fifidianana ho avy.
Boji, ilay alika mampiasa fitateram-bahoaka mitety an'i Istanbul
Fantaro i Boji, ilay alika mpirenireny ao Istanbul izay mampiasa fitateram-bahoaka hitsangatsanganana amin'ny tanàndehibe isan'andro.
Mangataka fanafahana ilay mpikatroka Alaa Abd El Fattah ny mpanohana
Niresaka ny fihenan'ny fahasalaman'ny sain'i Abd El Fattah ny mpisolovava azy ary nanatsonga ny teniny fa "tsy afa-manohy aho."
Ao Torkia, olompirenena iray migadra noho ny fanompana ny filoham-pirenena
Hatramin'ny naha-voafidy azy ho filoha tamin'ny taona 2014, manodidina ny "100.000 ny olona voampanga ho manaratsy ny filoha," sy manitsakitsaka ny andininy faha-299 amin'ny fehezan-dalàna famaizana
Fifandraisana eo amin'i Tiorkia sy Rosia: “Sarotra be”
Ny 29 Septambra, nihaona tao amin'ny tananan'i Sochi ao amin'ny Ranomasina Mainty Rosiàna ireo mpitarika ny firenena roa tonta, mba hiresaka ny ara-toekarena sy ireo fifanarahana stratejika ary ny fisian'izy ireo any amin'ireo faritra misy fifandonana.