
Vahoaka miandry sakafo. Sary avy amin'i Mustafa Batnain, nahazoana alalana.
Navoakan'ny We Are Not Numbers tamin'ny 6 Janoary 2024 ity tantara nosoratan'i Mustafa Darweesh Abu Batnain ity. Niniana nesorina ny toerana tena misy ny manodidina voatonona ao amin'ny lahatsoratra noho ny antony ara-piarovana. Na izany aza, ao an-tanànan'i Khan Younis ny toerana voalohany, izay niaritra daroka baomba tsy an-kijanona nandritra ny herinandro mahery. Mbola tsy voarindra ny fitantarana, satria tsy afaka nanatona ny mpanoratra izahay mba hahazo alalana amin'ny fanovana rehetra. Navoaka ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty izy ity.
Tao anatin'ny herinandro nidarohana baomba an'i Gaza, sambany voatery nandao ny tranoko tao Khan Younis aho. Nankany amin’ny tranon’ny namako aho, ka lasa nipetraka tany nandritra ny iray volana. Nandritra izany fotoana izany, nanolo-kevitra ahy hizara sakafo ho an'ireo olona nafindra toerana sy very loharanom-bola maharitra izy. Nanoro hevitra izy ny hanarahako ny ohatra tamin'ny ady teo aloha rehefa nanolo-tena an-tsitrapo hanampy ireo nafindra toerana, ireo naratra ary ireo olona tao amin’ny toeram-pialofana aho. Niara-nivory tamin’ny olona telo hafa aho, anisan’izany ny rafozan-dahin’ny namako, mba hiresaka hevitra hanomezana sakafo ireo nafindra toerana.
Ny hevitra dia hoe hanangom-bola avy amin'ireo mpiara-monina sasany manan-karena sy fanomezana avy amin'izay afaka manolotra zavatra hanampy anay hahandro sakafo. Mpahandro sakafo ny rafozan-dahin'ny namako ary manana fitaovana fahandroan-tsakafo be dia be. Tsy mpahandro sakafo aho; mpikarakara no andraikitro. Nividy kitay handrehetana afo izahay. Nividy vary, saosy, zava-manitra, sira, ary zavatra hafa ilaina koa. Nanapa-kevitra izahay hanao fanandramana tamin'ny andro voalohany amin'ny fahandroana am-bilany lehibe. Nahita trano tranainy misy tokotany lehibe izahay. Nandeha nitety ny trano nipetrahan’ireo nafindra toerana izahay ary nilaza tamin’izy ireo mba ho avy hitondra vilany sy fitaovana ny tolakandro hahazoan-tsakafo.

Ankizy mitondra vilany. Sary avy amin'i Mustafa Batnain, nahazoana alalana.
Nisosa tsara ny andro voalohany. Fianakaviana 20 teo ho eo no nofahananay, saingy noho ny fitomboan’isan’ny olona nafindra toerana, dia tsy ampy izany. Ny andro faharoa, afaka nampitombo ny isan'ny sakafo izahay, saingy niatrika olana ara-bola indray. Tsy nanana ny ampy izahay hanohizana ny asa. Noho ny fahalalako amin'ny asa fanasoavana no nahafantarako ireo mpamatsy vola avy any ivelany sy avy ato anatiny. Nanolotra ny hevitra aho ary nanangona sary halefa any amin'ireo mpamatsy vola mba hahafahan'izy ireo manampy anay hanohy ny asa famahanana ireo nafindra toerana. Nandray tsara ny hevitra izy ireo ary nanome vola. Ho avy koa ny olona eo amin’ny manodidina mba hanampy anay araka izay azo atao. Nanome vola kely izy ireo ary nandray anjara tamin’ilay asa. Nisy ireo vokatra ara-tsakafo marobe tamin'ny fiandohan'ny ady. Nividy tsaramaso, vary, paiso mangatsiaka, okra, ary baranjely sy voatavo izahay.

Mamaofy baranjely. Sary avy amin'i Mustafa Batnain, nahazoana alalana.
Niasa 25 andro nisesy izahay. Avy eo, norahonana ny faritra nisy anay. Voatery nandositra izahay, ka nahatapaka ny fizarana sakafo. Nifindra tany amin’ny faritra onenan’ny fianakaviako aho ary nipetraka nandritra ny roa andro tany, saingy nisy daroka baomba teo amin’ny manodidina ny tranon’ny fianakaviako. Dia nifindra indray aho, niverina tany amin'izay niatombohako.
Nihaona tamin’ny namako iray miasa ao amin’ny fikambanana mpanao asa soa aho indray andro. Nampahafantariko azy ny hevitra fizarana sakafo ary nasehoko azy ny sary sy lahatsary. Nampirisika anay hanohy ny tetikasa izy ary nanome toky ny fanohanana ara-bola ny fikambanany. Nahafahanay nividy kojakoja fahandroan-tsakafo sy zavatra ilaina hafa izany ary nanomboka indray teo amin’ny manodidina anay. Miantsena ny namako.
Saingy rehefa mitohy ny ady dia sarotra ny mahita anana sy legioma. Vitsy ny sakafo eny an-tsena ankehitriny, ary nitombo avo roa heny ny vidiny. Nanomboka nahandro tsiasisa be dia be izahay, raha mahita, sy baranjely. Mitondra hena ho anay isaky ny zoma ny fikambanana mpanao asa soa mamatsy vola ny asa fizaran-tsakafo ka ahandroanay miaraka amin'ny vary na indraindray jareesh, varimbazaha vakivaky, atao lasopy. Nanomboka nahandro sakafo tsy asiana sira izahay tato ho ato, satria tsy ahitana sira eny an-tsena.

Manangona sakafo voafono. Sary avy amin'i Mustafa Batnain, nahazoana alalana.
Tsy maintsy mividy rano izahay ahandrahoana sakafo, saingy zara raha misy izany, sady lafo be. Mividy kitay izahay ahandrahoana sakafo. Misy ireo manangona kitay amin’ny alalan’ny fanapahana hazo tetehina madinika ary mivarotra izany avy eo. Toa tsy mety ara-pitondran-tena izany, saingy tsy mahita fomba hafa ny olona noho ny tsy fisian’ny solika.

Manangona kitay. Sary avy amin'i Mustafa Batnain, nahazoana alalana.
Mifoha vao mangiran-dratsy izahay hanomana sakafo, ampian'ny tanora eny amin'ny manodidina eny fa na dia ny ankizy aza. Mandrehitra afo izy ireo, mamaofy tongolo, mameno rano ny vilany, ary manampy anay manadio. Mameno rano vilany lehibe valo izahay. Mitombo isan’andro ny isan’ny olona tonga misakafo. Tonga aloha be ny olona ary miandry ora maromaro eo am-panomanana ny sakafo. Ankizy ny maro amin’ireo tonga. Milalao miaraka amin'izy ireo aho rehefa eo am-piandrasana ry zareo ary manao fifaninanana miaraka amin'izy ireo ihany koa, izay miteraka hetsika manome fahavitrihana ary manolotra fanohanana ara-tsaina.

Ankizy miandry sakafo. Sary avy amin'i Mustafa Batnain, nahazoana alalana.
Asaiko milahatra avy eo ny ankizy sy ny olon-drehetra. Saingy indraindray mifanosika ny olona ary mitangorona haka sakafo. Indraindray, mampalahelo fa tsy ampy tsotra izao ny sakafo, na dia nahatratra 200 eo ho eo aza ny fianakaviana azo nofahanana isan’andro.

Sakafo ho an'ny manodidina. Sary avy amin'i Mustafa Batnain, nahazoana alalana.
Tiako ny asa fanasoavana sy manome tsiky amin’ny tavan'ny olona, indrindra fa ny ankizy. Mampirehareha ahy ity asa ity ary mahafaly ahy ihany koa. Resy lahatra koa aho fa izay afafinao no hojinjainao. Mila olona mikarakara azy sy manome izay ilainy eo amin’ny fiainana ny olona iray. Ho tonga koa ny dingana iray amin'ny fiainako izay hilako olona hikarakara ahy.

Mustafa miaraka amin'ny ankizy. Sary avy amin'i Mustafa Batnain, nahazoana alalana.