Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Marsa, 2018
Fihetsiketsehana Nataon'ny Tanora Tany Syria Hanohanana Ny Syrian Air
Nametraka andiana sazy ara-barotra sy ara-toekarena izay nampisy fiantraikany teo amin'ny fiainana andavanandron'ny olom-pirenena Syriana tamin'ny faritra maro i Etazonia. Nampiasa ny aterineto ny tanora Syriana mba hanoherana ny fanasaziana ny fiaramanidina Syrian Air, noho ny fandraràna ny fividianana fiaramanidina ara-barotra vaovao sy ny fividianana ny fitaovana hanoloana ny simba.
Maraoka: Mifanakalo Hevitra Amin'ny Lova Napetraky ny Malalaka Fisaina Iray
Voamarika kely tao amin'ny fampitam-baovao ny fahafatesan'ilay Maraokana filôzôfy sady mpanao teoria sosialy iray antsoina hoe Mohammed Abed al-Jabri. Nefa mifandraika indrindra amin'ny fotoana ankehitriny ny fandraisana anjaran'i al-Jabri manoloana ny fifandonan'ny rafi-pisainana (rationalité) sy ny fomba fisaina ara-pivavahana (pensée relisieuse).
Miozolomana Mpampianatra Ambony Iray Te-Hampifandray an'i Israely sy i Indonezia Amin'ny Alalan'ny Teny Hebreo
"Niteny tamin'ny fianakaviako aho fa mety tsy hisy fiantraikany mihitsy ny zavatra ataoko, saingy zavatra nilaina hovitaina izany."
Fifanarahan-Jono Iraisampirenena Eo Amin'i Maraoka sy ny Vondrona Eoropeana Tsy Miraharaha ny Fibodoana an’ i Sahara Andrefana
Ny fifanarahana ara-barotra ifanaovan'ny Vondrona Eoropeana amin'i Maraoka mikasika ny vokatry ny jono [...] dia singa iray manan-danja amin'ny fanovàna ny fibodoan'i Maraoka ao Sahara Andrefana ho lasa faritra ahazoana tombony.
Tondraky Ny Onjan-drano i Egypta
Faritra sy tanàndehibe maro no tondraka noho ny fiakaran'ny rano tampoka sy ny oram-baratra tany Egypta.
Fahatsiarovana Ny Andro Nahaterahan'i Neda Tany Iran
...maty voatifitry ny milisy Basij i Neda tamin'ny 20 Jona 2009, nandritra ny fihetsiketsehan'ny olona an'arivony nanohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena Iraniana....
Inona Avy No Nahaliana Ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 19 Feb – 25 Feb ?
Nandritra ny herinandron'ny 19-25 Febroary 2018, nahasarika mpamaky marobe avy amin'ireo firenena maro manerana izao tontolo izao ireo tantara sy fandikana nataonay. Ny nomerao 31 ao amin'ny lisitra? Makedonia. Ary ny nomerao 191? Kaomoro.
Libanona: Olona Miisa 90 No Voalaza Fa Maty Tamin'ny Fianjeran'Ilay Fiaramanidina Ethiopian Airlines Tany An-dranomasina
Niraradraraka tao amin'ny Twitter ny teny fampiononana taorian'ny nianjeran'ilay fiaramanidina Ethiopian Airlines tany amin'ny faritr'i Mediteranea minitra vitsy taorian'ny nialany tany Beirota, Libanona. Voalaza fa maty avokoa ireo olona miisa 90 tao anatiny rehefa nirehitra nandritra ny kotro-baratra ilay fiaramanidina ka nianjera tany an-dranomasina.
Ejypta: Milaza ny Tantarany Ireo Bilaogera Nogadraina
Bilaogera Ejiptiana 20 mahery teny an-dalana hanome voninahitra ny fianakavian'ireo niharam-boina tamin'ny vono olona Coptic no voasambotra raha tonga tao an-tanànan'i Naga Hammady ao Ejypta ny fiara-dalamby nandehanan'izy ireo. Noafahana izy ireo fotoana fohy taorian'izay ary milaza ny tantarany amintsika.
Tonizia: Mitohy Ny Sivana Satria Manohy Manao Ampamoaka Ny Telegrama Wikileaks
Nifantoka tamin'ny Telegraman'ny Ambasady Amerikana Wikileaks ireo mpikatroka Toniziana, nanokana tranonkala vaovao hamoahana sy hanadihadiana ireo fanambarana mifandraika amin'ny fireneny. Natsangan'i Nawaat ny Tunileaks adin'iray taorian'ny namoahan'ny tranonkala mpanao ampamoaka ny telegrama tamin'ny Alahady 28 Novambra .