Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jona, 2011
Iran: Firaisan-kina amin'ireo gadra mitokona tsy mihinan-kanina
Nisy ireo fihetsiketsehana nokarakaraina nanerana ny tanàna 25 fara-faha keliny maneran-tany ny Sabotsy 25 Jona 2011, mba hanehoana ny firaisan-kina amin'ireo gadra politika miisa 18 eo ho eo izay mitokona tsy mihinan-kanina any amina fonja Iraniana roa. Natombok'ireo gadra politika izany fitokonan'ny hanoanana izany tamin'ny fahafatesan'ny mafana fo ara-politika roa,...
Libia: Sarin'ny fotoana mampanembona sy manankarena ary manantantara
Mpilatsaka an-tsitrapo terantany Anglisy-Libaney izay mpanoratra fantatra amin'ny solon'anarana hoe Amal Al-Leebi nandefa sary tao amin'ny kaonty twitter @libyansrevolt, sary tranainy nanembonany an'i Libia nalainy nandritra ny fitsidihana farany nataony tany, hanehoany ny fahatsiarovany an'ity firenena ity.
Ejipta: Mipoaka Ny Hatezerana ao Tahrir
Nirefotra indray ny kidraka tao amin'ny kianja Tahrir, ivon'ny hetsi-panovàna Ejiptiana, ny alina teo (28 Jona) ary niitatra hatramin'ny anio (29 Jona). Kaonty maro samihafa no miely any anaty aterineto mikasika ny zavatra tena nitranga marina sy ny fomba nitsimbadihan'ny hetsika, ireny rehetra ireny izay nifanandrinan'ny fianakavian'ireo maritiora maty nandritra...
Siria: Revolisionan'ny Black Comedy
Black comedy dia iray amin'ireo fomba iresahana ny tranga mampihetsi-po. Izay niseho vao haingana tao Siria, nisian'ny rà nandriaka no sady nahaketraka ny maro, dia nitondra ihany koa tamin'ny firongatry ny bilaogy, ny pejy facebook ary ny lahatsoratra izay niezaka nanaraby ny zava-nisy, ary nampahafantatra sy nanasongadina ireo fanambarana ofisialy...
Ejypta: Taom-polo Nahazotoana Niserasera Niandian-kevitra Tao amin'ny Tweet Nadwa
Nanjary lasa fotoana isan-kerinandro ny zavatra efa natao, nihaona fanindroany indray ireo Ejipsiana mpitsiokantserasera amin'ny alalan'ny Twitter mitarika adihevitra fantatra amin'ny anarana hoe Tweet Nadwa (famoriam-bahoaka). Taorian'ny fahombiazan'ny fiodinana voalohany izay nifantoka indrindra momba ny resaka islamista, ny amin'ny fomba fahitana azy ireo ao anatin'ny fiaraha-monina Ejysiana sy ny vinavinan'izy ireo...
Syria: Ny Revolisiona sy ny Toekarena
Tato anatin'ny 100 andro; tsy nandroso tsy nihemotra ny toekarena tao Syria. Ny vanim-potoanan'ny fizahantany vao mitsidika io dia tsy mamelom-panantenana.Fanampin'izany, an'aliny ireo Siriana velon'ahiahy ka namadika ny tahiriny hiala amin'ny "Syrian pounds" hanjary dolara amerikana na Euros, nahatonga ny vola Siriana hizaka tsindry mavesatra.
Syria: “Manohana an'i Bashar izahay Koa Aza Helingelenin'izao Tontolo Izao”
Halan'ny olona rehetra i Bashar El-Assad. Halan'ny lehilahySyriana izy. Halan'ny vehivavy Syriana izy. Na dia ny lehilahy zavoto Amerikana mahita azy ho toy ny vehivavy Syriana mitia vehivavy aza, dia mankahala azy ihany koa. Kanefa, marina tokoa ve fa tsy mankahala azy mafy toy izany ny Syriana sasantsany araka ny fihevitsika?...
Syria: Sainam-pirenena mirefy 2.3km Tamin'ny Fihetsiketsehan'ireo Mpomba Ny Fitondràna Tao Damaskaosy
Nanao fifamoriana ho fanohànana ny filoha Bashar Al Assad ireo Siriana mpanohana azy ny 15 Jona, nitondra sainam-pirenena mirefy 2.3 km tao Mezzeh, renivohitr'i Damaskaosy, sady niventy ny hoe "Mila an'i Al Assad ny Vahoaka.” Eto ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo tambajotra sosialy.
Arabia Saodita: Vehivavy Eo Aorian'ny Familiana
Vehivavy Saodiana maro omaly no nandray ny familiana tao Arabia Saodita mba hankahatra ny fandraràna azy ireo tsy hitondra fiara. Natao tamin'ny Facebook ny fanetanana, ary namafisin'ireo resaka ifanakalozana tamin'ny fampahalalam-baovao ara-tsosialy hafa, toy ny vohikala fanaovana bilaogy kiritika Twitter.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...