Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2007

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Desambra, 2007

31 Desambra 2007

Arahabaina ireo Rising Voices vaovao

Naharenesantsika feo vaovao sy mahery avy amin’ny fiaraha-monina tsy dia hita matetika amin’ny aterineto ny nisokafan’ny vondron’ny fantsom-panomezam-baovao avy amin’ny olom-pirenena na ny tetikasa midina an-tsehatra Rising Voices. Niantso tolotra vaovao hampiroboroboana ity fantsom-panomezam-baovao ity indray izahay tamin’ny volana lasa, mba hisafidianana dimy hafa hanampy ireo izay efa amperinasa any...

29 Desambra 2007

Nampody ny masoivohony tany Senegal i Maraoka

Blog politique au Senegal no nanoratra [fr] mikasika ny fanapahan-kevitry ny Mpanjakan'i Maraoka hampody ny masoivohony avy any Senegal noho ny fifanolanana momba ny Sahara andrefana: “Nanaitra ny hambom-pony (ny mpanjaka) angamba ny fahasahiana minisitra sosialista teo aloha nanohitra ny hevitry ny Marokana momba ny hoavin'ny sahraouis.” Jennifer Brea

27 Desambra 2007

Arabia Saodita: Avoahy Fouad – Vaovao fanampiny

Toa izao ny taratasy nosoratan'i Fouad Alfarhan, talohan'ny nisamborana azy. Izy dia ilay mpitoraka blaogy malaza avy any Arabia Saodita, voasambotra to Jeddah tamin'ny 10 desambra 2007 lasa teo, noho ny fahasahiany sy ny fanehoany fahalalahana niteny tao amin'ny blaoginy malaza iray alfarhan.org : I was told that there is...

Ezypta: Rama Yade

  Tsy amin'ny maha Rama Yade – sekreteram-panjakana frantsay misahana ny raharaham-bahiny sy ny zon'olombelona – azy ka amin'ny fijery politika no itondran'ny mpamaham-bolongana Ezyptiana Eastern Bird ity lahatsoratra manaraka ity (Ar). Raha ny marina dia lohahevitra hafa mihitsy no nanaitra ny aingam-panahiny ka nahatonga azy hanoratra io lahatsoratra eo ambany io. Toy...

20 Desambra 2007

Libanona: Raha foana tahirin-tsolika

“Halavirana hatraiza no vitan'ny fiaranao rehefa manamarika (mena) ny tabilao fanamoriana fa lany ny tahirintsoliky ny fiaranao?” hoy ny fanontanian'ny mpamaham-bolongana Libaney Mark, izay te-hampilaza amin'ny mpamily fiarakodia hoe hatramin'ny firy kilometatra moa no vitan'ny fiara entinao rehefa voatondro ny faritra mena fahalanian'ny solika ao aminy. Amira Al Hussaini

Iran: Mpianatra telo noafahan'ny fitsarana madiodio

Raha inoana ny voalazan'i Daneshjoo blog[Farsi], dia noheverin'ny fitsarana iraniana fa tsy meloka ny mpianatra telo izay efa any amponja manana ireto fanampian'anarana manaraka iretoTavakoli,Ghasaban ary Mansouri. Efa voafonja nandritra ny 9 volana izy ireo ary noterena hanaiky fa nanoratra lahatsoratra manaratsy ny fitondrana. Ankehitriny moa dia tapaky ny fitsarana fa...

19 Desambra 2007

Iran : “Cyber” 24 nakatona, olona 23 notanan'ny Pôlisy

Araky ny fanambarana napariaky ny vohikalan'ny fikambanana Reporters sans frontières [rsf.org | Reporters Without Borders] : « Reporters sans frontières condamne la décision de la police de Téhéran de fermer vingt-quatre cafés Internet le 16 décembre 2007 à Téhéran. Par ailleurs, vingt-trois personnes, dont onze femmes, ont également été arrêtées...

18 Desambra 2007

Koety: krizin'ny atody

Mpamaham-bolongana Koesiana Nibaq no mamakafaka lalindalina ao amin’ ity lahatsoratra ity  ny anton'ny krizin'ny atody ao amin'ny firenena misy azy. Nambarany ao ary fa raha mahatratra 1.000.000.000 ny isan'ny atody lanin'ny firenena ao anatin'ny taona dia ny 40 isan-jaton'izany ihany no mba vokatry ny ao an-toerana fa ny ankoatra izay dia atody...

Bahrein: Mpanao fihetsiketsehana maty

Bahrainita iray nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana nanamarihana ny andron'ny maritiora iray no nodimandry, hoy ny tatitry Mahmood Al Yousif . Notateriny ary fa noho ny fahasemporana tratran'ny fipoahan'ny entona mandatsa-dranomaso no nahafaty ity mpanao fihetsiketsehana ity raha nolazain'ny minisitry ny atitany fa noho ny aretim-po no nahafaty azy. Mbola mitohy...

17 Desambra 2007

Tonizia : Ireo aretin'ankizy dimy voalohany

Ny blaogy Subzero Blue monina any Tonizia dia manolotra ny listr'ireo aretina dimy voalohany izay manakana ny ankizy handeha any an-tsekoly : « 1. Ireo aretina vokatry ny hatsiaka 2. Ny fivalanana 3. Ny aretin-tsofina 4. Ny areti-maso 5. Ny aretin-tenda » Amira Al Hussaini