Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2022
Hiverina ny sidina mampitohy an'i Torkia sy Armenia
Taorian’ny fihaonana tany Moskoa, nanambara ny firenena roa tonta fa hiverina amin’ny 2 febroary ny sidin’ny orinasa an’habakabaka Tiorka Pegasus Airlines sy ny zotram-piaramanidina mora vidy Moldaviana FlyOne.
Tiorkia, mpihira nanao hira iray vaovao hihaikàna ireo fandrahonana
Ny filoha, rehefa naneho hevitra taorian'ny vavaka mitatao vovonana ny Zoma, dia niteny fa "tsy misy na iza na iza afaka haniratsira an'i Adama Masina. Adidinay ny manapaka ny lelan'izay manao izany raha ilaina"
Afa-po tamin'ny fanamelohan'ny fitsarana alemà ilay tompon'andraikitra tao amin'ny sampa-pitsikilovana teo aloha ireo Syriana tafita velona tamin'ny fampijaliana
Meloka tamin’ny famonoan’olona miisa 30 mahery i Raslan, sy tamin’ny fampijaliana olona an'arivony teo anelanelan'ny taona 2011 sy 2012, fony izy lehiben’ny fanadihadiana tao amin'ny fonja iray malaza ratsy.
Tiorkia, ‘pop star’ ela nihetezana, misedra famotopotorana noho ny tononkirany
Noho ny fehezanteny iray ao anatin'ny hirany mivaky hoe "Arahaba atolotro an'i Adama sy Eva bado", ampangaina ho mampietry ny lanjan'ny finoana ilay mpanoratra sady mpihira, Sezen Aksu, 67 taona
Mahomby ve ny vaksiny COVID-19 novokarin'i Torkia
Tamin'ny volana Desambra 2021, nankatoavin'ny filoha Recep Tayyip Erdoğan ny vaksiny Turkovac ho ampiasana vonjimaika. Nilaza ny manam-pahaizana fa tsy misy ny angondrakitra siantifika sy porofo milaza ny fahombiazan'ilay vaksiny.
Erdoğan sy ny adin'ny AKP amin'ny zavakanto sy ny kolontsaina
Tao anatin'ny taona maro taorian'ny niakarany teo amin'ny fitondrana, nifehy tsikelikely ny ankamaroan'ny sehatry ny zavakanto sy kolontsaina tao amin'ny firenena ny Antokon’ny filoha Erdoğan Rariny sy Fampandrosoana (AKP).
‘Famoronana tsingevana eo amin'ireo toetra mifanohitra': tafatafa niarahana tamin'ny mpanakanto Parastou Forouhar
"Andramako ny mamorona izay mety hisian'ny tsingevana eo anelanelan'ireo toetra mifanohitra izay hampiditra ara-pihetseham-po sy ara-tsaina an'ireo mpijery sy hanao izay hametrahan'izy ireo fanontaniana"
Herintaona taty aoriana, mbola mitohy ny fanoheran'ny Oniversite Boğaziçi
Na dia nesorina aza ilay rektora notendren'ny governemanta mampiady hevitra, Melih Bulu, mbola manohy manao fihetsiketsehana ao amin'ny anjerimanontolo ny mpampianatra ambony sy ny mpianatra.
Lasibatry ny Minisiteran'ny Atitany amin'ny vesatra fampihorohoroana mampiady hevitra ny Kaominina Istanbul
Ity fanadihadiana ity no fifandirana farany indrindra teo amin'ny Antokon’ny fitondrana Rariny sy ny Fampandrosoana (AKP) sy ny Antoko mpanohitra lehibe Antokon'ny Vahoaka Repoblikana (CHP).
“Pit-bulls” nanaikitra zazakely efatra taona, niteraka adihevitra momba ireo biby mirenireny ao Tiorkia
Naratra noho ny kaikitra feno habibiana nataona 'pit-bulls' nompiana an-trano i Asiye Ateş , nitarika ny governemanta hanomboka fanentanana mikendry ireo alika mpirenireny an'arabe.