· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2017

Bilaogy Ho an'ny Fandriampahaleman'i Afovoany Atsinanana

"Fanirianay ny hahalasa an’ity bilaogy ity ho toerana goavana tsidihan'ireo olona rehetra izay te hahalala ny tena zava-mitranga eo amin'ny tany Israeliana sy Palestiniana, ka hanomboka hamoaka vaovao lehibe eto izahay alohan'ny hamoahana azy ireo any amin'ny media", hoy i Daniel Lubetzky, mpanangana ny Bilaogy OneVoice.

31 Oktobra 2017

Egypta : Lalao Video Manavakava-bolonkoditra

Lalao video antserasera izay navoaka vao haingana ny Muslim Massacre (Fandripahana Miozolomana) ary ahitana ny mpilalao mampiasa ireo karazana fitaovam-piadiana mba hamonoana Miozolomana maro sy olo-malaza Miozolomana araka izay azo atao, anisan'izany i Allah ilay mahery indrindra. Naneho hevitra momba izany ireo bilaogera Egyptiana.

31 Oktobra 2017

Takian'ny ao Bahrain Ny Fandraketana Ny Tranonkala ; Manahy Ireo Blaogera

Angatahan'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao ao Bahrain ireo rehetra tranonkala Bahraini - izay ao anatiny na ivelan'ny firenena - mba hisoratra anarana ao amin'ny Ministera. Ho tomponandraikitra ara-dalàna amin'ny votoaty zarainy eo amin'ny tranonkalany ireo Mpitantana Tranonkala, ary hiatrika fanenjehana eo ambanin'ny lalàna Fanaovana gazety sy Fizarana Votoaty ao amin'ny firenena raha toa ka tsy misoratra anarana.

30 Oktobra 2017

Mibilaogy Ny Hezbollah Iraniana

Marolafy tanteraka ny tontolon'ny bilaogy Iraniana izay ahitana bilaogy mavitrika an'arivony. Ao anatin'ireo bilaogy ireo, afaka mahita bilaogy pro-demokratika sy liberaly ary koa ny pro-Repoblika Islamika isika. Ny ankamaroan'ireo bilaogy pro-Repoblika Islamika dia miantso ny tenany ho bilaogy Hezbollah.

27 Oktobra 2017