Tantara mikasika ny Tonizia
Mialoha ny fifidianana mampiadi-hevitra, noraràn'i Tonizia ny gazety Jeune Afrique noho ny fitsikerana ny filoha
Manoloana ny fisamborana na fandrarana ny ankamaroan'ny kandidà avy amin'ny mpanohitra, sy ny fanivanana ny Jeune Afrique, manambara hoavy manjombona ho an'ny demokrasia ny fifidianana hoavy ao Tonizia.
‘Lobster gate’ ao Tiorkia, miteraka resabe momba ny tsy fitoviana ara-toekarena
Raha miharatsy ny krizy vokatry ny fidangan'ny vidim-piainana ao Tiorkia, Rtoa Şebnem Bursalı, depiote avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna kosa, tafiditra anatina fanakianana avy amin'ny vahoaka rehefa namoaka sarina 'orana' (lobster) iray
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna #11
Ato anatin'ny “An'ny voambolana ny fitenenana - Les mots ont la parole”, asongadinay ireto telo ireto: Beur, le mot nippo-français タカラジェンヌ, et l'anglicisme très courant, le deal.
‘Atsaharo ny fampanginana ireo feon'ny tsy manaiky lembenana ao AAAA,’ hoy ny mpikatroka tamin'ny taratasy misokatra ho an'ny Twitter sy Facebook
Folo taona taorian'ny fitroarana niankina be dia be tamin'ny media sosialy hanesorana ireo mpanao didijadona manerana ny faritra, melohin'ny mpandala ny zon'olombelona ny fanilikilihan'ireo sehatra ny feo manivaka mbola mitolona hisian'ny fahafahana.
Noho ny ady ataon'i Tonizia amin'ny Covid19, voatohintohina ny fahalalahana maneho hevitra
Roa ireo bilaogera nosamborina satria niampanga ireo manampahefana any an-toerana ho nanao kolikoly mifandraika amin'ny fitsinjaràna ireo fanampiana, raha iray kosa mpanao gazety miatrika ompa sy fanivaivàna ety anaty tambajotra satria nanakiana ny minisitry ny fahasalamàna.
Raha olana ny vaovao tsy marina any Tonizia, tsy vahaolana ny fanamelohana( bebe kokoa) ny fitenenana
Nampandamoka ilay volavolan-dalàna nampiady hevitra mikendry ny hanameloka ny fanelezana " vaovao tsy marina " an-tserasera ireo olompirenena sy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona.
Andro Iraisam-pirenena iadiana amin'ny SIDA : Miady amin'ny fanavakavahana maneran-tany
Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no nivondrona mba hanohana ireo miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA. Tato anaty aterineto, maro ireo nanombatombana ny fivoarana vita sy ny dingana mbola mila hatrehina amin'ny ady amin'ny fanavakavahana sy ny fiparitahan'ny aretina. Inty misy angon-dahatsoratra, sary ary lahatsary avy amin'ireo miteny sy manoratra amin'ny teny Frantsay.
Fanaovam-beloma an'i Lina Ben Mhenni, bilaogera Toniziana sady mpiaro ny zon'olombelona
Misaona ny fahalasanan'i Lina Ben Mhenni isika, bilaogera Toniziana fanta-daza, mpiaro ny zon'olombelona, mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ary iray tamin'ireo feo nisongadina indrindra tamin'ny revolisiona Toniziana 2011.
Andao hikarajia Twitter amin'ny #WritingTowardFreedom an'ny Global Voices amin'ny 11 desambra 2019
Ahoana ny mahalasa fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana antserasera eto Afrika ny kabary fankahalana foko, ny fahadisoana sy ny fandisoam-baovao, ny fandotoan-drindrina ataon'ny governemanta? Miaraha aminay amin'ity adihevitra ity ao amin'ny karajia Twitter.
AB14: “Tsy tokony hieritreritra isika fa hamaha izay olantsika rehetra ny teknolojia”
Nifantoka tamin'ny paikadin'ny fikarohana ny fiarovana amin'ny sivana sy ny fanaraha-maso ny fivoriana sy amin'ny fiarovana ny fifamatorana iombonana eo amin'ny toerana ahatsapana toa voasaratsaraka bebe kokoa hatrany isan'andro.