Tsy hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana any Tiorkia tokoa ve ny filoha Erdoğan?

Arzu Geybullayeva

Nilaza ny filoha Recep Tayyip Erdoğan tamin'ny 8 martsa fa ny fifidianana kaominaly ho avy kasaina hatao amin'ny 31 martsa no handraisany anjara farany. Na dia tsy mirotsaka hofidiana aza ny Filoha, dia nanao fampielezan-kevitra ho an'ny antokony, ny Antoko Rariny sy Fampandrosoana (AKP), mialoha ny fifidianana isan-toerana, izay manana tanjona handresy amin'ireo tanàndehibe, anisan'izany Istanbul, Ankara, ary Izmir. Izy telo ireo izay tarihin'ny antoko mpanohitra Repoblikam-bahoaka (Republican People Party – CHP). Koa nahoana no manao fanambarana voalohany raha voafidy indray ho filoham-pirenena tamin’ny fifidianana nampifaditra tamin’ny volana mey 2023 izy ary fe-potoana efa-taona sisa?

Hatramin'ny fanamarihana nataony, maro no nanombantombana ny antony ao ambadiky ny fanambaran'i Erdoğan. Michael Sercan Daventry, mpanao gazety Britanika-Tiorka nizara randran-kevitra tao amin'ny X, manolotra ny heviny amin'ny maha mpandinika azy hatry ny efa ela an'i Tiorkia momba ny mety ho fiantraikan'ny tena fikasana. Mino izy fa ny tian'i Erdoğan ahatongavana dia ny ” hanohitra ny fitomboan'ny fiheverana, na dia eo amin'ireo mpandala ny nentin-drazana Tiorka sasany aza, fa mametraka ny tenany ho lasa filoha mandritra ny androm-piainany izy.”

Iza no hisolo toerana azy amin'ny tsy fisian'ny mpandimby no fanontaniana hafa napetrak'i Onur Alp, tonian-dahatsoratry ny Bloomberg ao Afovoany Atsinanana Afrika Avaratra:

Nanandratra ny vinantolahiny zokiny indrindra, Berat Albayrak ho minisitry ny fitantanam-bola i Erdogan tamin'ny taona 2018, saingy lavo ireo roa taona taty aoriana, rehefa nametra-pialana tampoka tamin'ny ranty Instagram i Albayrak. Zara raha hita eny imasom-bahoaka izy nanomboka tamin'izany

Betsaka ny tombatombana tamin'ny fampahalalam-baovao nasionalin'i Torkia milaza fa mety hirotsaka hofidiana ihany koa i Selcuk Bayraktar, vinantolahin'i Erdogan iray hafa izay malaza amin'ny famokarana drôna miaramilan'i Torkia ampiasaina any amin'ny trano fijerena ady manomboka ao Okraina ka hatrany Kaokazy sy Afrika Avaratra.

Na dia tsy afaka mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena manaraka amin'ny taona 2028 aza ny filoha, araka ny Lalàmpanorenan'i Torkia, dia misy tranga roa mety hiovan’ izany. Amin'ny tranga voalohany, mila mahazo vato 400 ao amin'ny parlemanta ny filoha Erdoğan sy ny AKP mba hanovàna ny lalàmpanorenana. Misy seza 600 ao amin'ny parlemanta tiorka, na antsoina hoe Antenimieram-pirenena Lehibe. Amin'izao fotoana izao, manana toerana 313 ny AKP sy ny mpiara-dia aminy lehibe indrindra, ny antoko Hetsika Nasionalista (MHP). Araka izany, ny fandrisihana hanitsy lalàmpanorenana amin’ny alalan’ny latsa-bato parlemantera dia miankina betsaka amin’ny fahazoan'ny ny antoko eo amin’ny fitondrana sy ny Filoham-pirenena fanohanana avy amin'ny solontenan'ny antoko politika hafa.

Amin'ny tranga faharoa, afaka miantso fifidianana mialoha ny parlemanta. Saingy na amin'ity tranga ity aza dia ilaina ny vato parlemantera 360.

Araka ny Lalàmpanorenana, tsy afaka nirotsaka tamin'ny fifidianana tamin'ny volana Mey 2023 ihany koa ny filoha Erdoğan. Saingy nolavin'ny Firaisamben'ny Vahoaka (firaisan'ny antokon'ny fitondrana AKP sy ny MHP nasionalista) izany mialoha ny latsa-bato tamin'ny volana Mey, izay niady hevitra tamin'izany fotoana izany fa tsy ho fe-potoam-piasana fahatelo izany noho ny antony fa ny fe-potoam-piasana voalohany an'i Erdoğan dia talohan’ny fanovana lalàmpanorenana tamin’ny taona 2017 nasolo ny rafi-pitantanana ny firenena. Nifanohitra tamin’izany kosa no nolazain'ny mpahailalànan'ny lalàmpanorenana fa tsy nisy vokany.

Nisolo ny rafitra parlemantera ho lasa filoham-pirenena mpanatanteraka, nanome zo midadasika ho an'ny filoha ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin'ny taona 2017. Nasongadin'ireo manam-pahaizana tamin'izany fotoana izany fa nitarika ny firenena ho amin'ny parlemanta malemy kokoa, nanohintohina ny fisaraham-pahefana, nampiditra politika ny sampana fitsarana, nanapotika andrim-panjakana, ary nampiroborobo ny fomba fitondrana jadona ny fanovana.

Io fitsapan-kevi-bahoaka io no tena nampiasain'ny teo amin'ireo mpanohana ny AKP talohan'ny fifidianana ankapobeny tamin'ny volana Mey — tsy tokony horaisina ho voalohany ny fandresen'ny filoha Erdoğan tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2014. Ny azo raisina kosa dia ny fandreseny tamin’ny fifidianana ankapobeny tamin'ny taona 2018.

Na dia miraikitra aza ny loton'ny fifidianana ankapobeny sy ny fifidianana ao an-toerana vao herinandro vitsy lasa izay, dia goana faneno ny fanamarihan'ny filoha Erdoğan momba ny tsy firotsahany hofidiana intsony. Na ahoana na ahoana, efa nilaza izany rahateo izy teo aloha.

Tamin'ny taona 2009, nilaza izy fa ity no fifidianana farany handraisany anjara ho kandidà amin'ny latsa-bato parlemantera, tamin'ny taona 2012, ity no fifidianana farany amin'ny maha filohan'ny antokon'ny fitondrana AKP azy, tamin'ny taona 2022 sy tamin'ny taona 2023, nangataka vato farany tamin'ny vahoaka izy. Tsy nirotsaka tamin’ny latsa-bato parlemantera izy tamin’ny taona 2011 izy fa nandrombaka ny toeran'ny filoham-pirenena tamin’ny taona 2014. Tamin’ny taona 2017, taorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka, dia lasa filohan’ny AKP indray izy (talohan’ny fanitsiana ny lalàmpanorenana, tsy mahazo mijanona ho filohan'ny antoko politika ny filoha voafidy).

Ary raiki-tapisaka lalina eo amin'ireo mpanohana sy mpikambana ao amin'ny AKP ny fomba fiteny hoe “mandramaty”. Raha misy ny fitakian'ny besinimaro hanitarana ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena, dia hisy ny fepetra horaisina, hoy ny filoha lefitry ny AKP Mustafa Elitaş, ary nampiany hoe: “Mazava ho azy fa te-hanohy miaraka amin'ny mpitarika anay mandra-pahafatiny izahay.”

Na araka ny nosoratan'ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha Bekir Bozdağ tao amin'ny X, “Tsy misy mahalala izay hoentin'ny ampitso. Angamba rehefa tonga ny fotoana, dia mety hanapa-kevitra ny hanavao ny fifidianana ny Parlemanta, hanokatra lalana ho an’ny Filohantsika mba hirotsaka hofidiana indray”.

Ny fiadidiana mandritra ny androm-piainana dia mitaky “fizotry ny fifampiraharahana tena henjana sy feno marimaritra iraisana”, hoy ny nosoratan'ilay mpanao gazety Murat Yetkin, anisan'izany ny fahazoana “fanohanana avy amin'ny antoko mpanohitra miaraka amin'ny fankatoavan'ny mpiara-miombon'antoka stratejika aminy, ny mpitarika ny MHP, Devlet Bahçeli”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.