Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Septambra, 2016
Zazavavikely Iray 10 Taona Mandresy Lahatra ireo Hery Tandrefana Momba Ny Fandriampahalemana Ao Yemen
Ankizy avokoa ny ampaha-efatr'ireo sivily maty tamin'ny ady tao Yemen.
Ny Herinandro Teto Amin'ny Global Voices Podcast: Izahay, Vahoaka
Amin'ity herinandro ity, mitafa amin'ireo mpiaramiasa aminay izahay: Elizabeth Rivera, Giovanna Salazar sy Juan Tadeo momba ny fahasorenan'ny vahoaka amin'ny politika ao Meksika
Reformista Mpanoratra, Nosamborina Alohan'ny Dian'ny Filoha Iraniana Ho any Amin'ny Firenena Mikambana
Malaza noho ny famoahany tatitra momba ny olan'ny tontolo iainana sy ny haino aman-jery sosialy i Sadra Mohaghegh, tonian-dahatsoratry ny raharaha ara-tsosialin'ny gazety reformista Shargh.
Palestiniana Roa Voafonja Teo Aloha No Voalohany Nanokatra Kamiao Kely Fivarotan-tsakafo Ao Ramallah
Nahita hevitra ny hanangana kamiao kely fivarotan-tsakafo ao an-drenivohitra izay lasa nalaza ao an-tanànan'i Ramallah ao Morondrano Andrefana ireo lehilahy Palestinianina roa rehefa avy nandany taona maro tao amin'ny fonja Israelianina.
Nametraka Fanampenam-bava Amin'ny Haino Aman-jery Ny Manampahefana Jordaniana Taorian'ny Famonoana Ilay Mpanoratra

Noraràn'ny manampahefana Jordaniana ny fandrakofam-baovao momba ny famonoana an'i Nahed Hattar, mpanoratra maty voatifitra tamin'ny 25 Septambra tao an-drenivohitra Amman.
Voasorok'i Emirà Arabo Mitambatra Ny Lohataona Arabo Tamin'ny Fanenjehana Tsy Ankiato Ireo Mpitsikera

Noho ny fanahiana amin'ny mety isian'ny fitroarana mitovy endrika amin'ny lohataona arabo ao anatin'ny sisintaniny, dia nanomboka famoretana ireo mpitsikera sy mpikatroka, tsy mbola nisy toy izany ny governemantan'i Emirà Arabo Mitambatra.
Any Bolgaria, Ohatra Iray Amin'ny Fanehoan'ny Mpialokaloka Maniry Mba Te Ho Vahaolana Fa Tsy Olana
Afaka manampy amin'ny famahana ny olan'ny tsy fahampian'ny mpiasa ny mpitsoa-ponenana -raha omena ny fahafahana manao izany izy ireo.
Maika Loatra Nanohana ny Daroka Baomba ao Syria Ilay Mpitari-Dalan'ny Runet, Ka Miatrika Sazy An-tranomaizina Ankehitriny

Miatriaka sazy roa taona amin'ny toby fanasaziana mitokana i Anton Nossik noho ny filazany fa tokony "Hofafana Tsy ho eo Ambonin'ny Tany i Syria."
Ny Taratasy Farany Ho An'izao Tontolo Izao Nosoratan'ny Siriana Iray Mpakasary
Mpakasary avy ao Aleppo i Shamel Al-Ahmad, izay nisafidy ny hijanona mba hitantara amin'izao tontolo izao ny momba ny tanànany. Ity no taratasiny farany.
Reny Ejiptiana Miatrika Ny Famoràna Vehivavy, Mametraka ny Fanantenany Amin'ny Tanora
Ny reny no mitarika ny ady manohitra ny Famorana ny Vehivavy any Ejipta, mametraka ny fanantenany amin'ny taranaka tanora sy ny hoavy.