Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2009
Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i Gaza
Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika...
Tonizia: Fifidianana madio sy tsy mitongilana?
Araka ny efa tsikaritra mialoha dia nandresy tamin'ny fifidianana toniziana indray ka hitantana fanindiminy ny firenena ny filoha Zine Al Abidine Ben Ali. Ny tsy nantenaina dia ny 89.69%n'ny vato...
Isiraely: “fanavakavahana tsotsotra” amin'ny fitateram-baovao
Eo ho eo amin'ny 20%-n'ny mponina, ireo Palestiniana mizaka ny zom-pirenena Isiraeliana (antsoina ihany koa hoe Arabo Isiraeliana) no milaza fa voavakavaka amin'ny sehatra maro eo amin'ny andaanandrom-piainana. Nanery am-panahy...
Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr
Maraoka: Rehefa tsy sivana dia fandraofana
Nanoritra ny làlany teo amin'ny tontolon'ny blaogy ilay kisarisary Ny minisitry ny Atitany Maraokana dia nanapa-kevitra ny hitory ny gazety mpivoaka isan'andro amin'ny teny Arabo Akhbar Al Youm noho ny...
Libanona: Hatezerana misonga noho ny fampiatoana ny fanamboarana ny toby Palestiniana
Nirongatra ny fahatezerana sy ireo mpanao fihetsiketsehana noho ny fandraisan'ny governemanta Libaney fanapahan-kevitra hampiato ny fanamboarana tobin'ny mpitsoa-ponenana Palestiniana, Nahr el Bared. Mampiseho ny tsy fahafaliany ao amin'ity lahatsoratra avy amin'i Antoun Issa ity ireo mpitoraka blaogy.