Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Mey, 2016
Tsy Faly Ny Maraokana Sasany Amin'ny Fandraisana Azy Ho Hollywood
Nampiasaina tamin'ny sarimihetsika marobe ho solon'ireo firenena Afovoana Atsinana ao anatin'ny ady ireo tanàna sy tany efitra ao Maraoka. Te haneho ny mampiavaka ny vahoakany sy ny fireneny manokana ireo mpamokatra sarimihetsika Maraokana.
Lasa Nisarika Ny Sain'ny Rehetra Ny Fihenan'ny Farihy Urmia Ao Iran, Noho Ny Nataon'i Leonardo DiCaprio Avy Any Hollywood
"Nanontany aho raha toa ka fantatr'izy ireo ny loza mety hitranga aminay raha toa ka ritra ilay farihy. Dia hoy izy ireo hoe, raha ritra izy, tsy maintsy mandeha any an-kafa isika."
Tantara iray Momba Ireo ‘Olona Tsy Fantatra Anarana izay Miaina, Mitia, Manohitra Sy Miady’ Ho An'i Syria
"Kely no mba rentsika momba ireo izay manohitra, manorina ary manangana indray ny firenena, ao anaty vanimpotoana miha-sarotra," hoy ilay mpikatroka, mpanao gazety, sady mpanoratra ho an'ny Global Voices, Leila Nachawati Rego momba ilay tantara vaovao nosoratany
Ny Fanjakana Iraniana Mifampitàna Amin'i Kim Kardashian
Tena kidaladala ilay tantara ka lasa toa mahatsikaiky, raha atao indray mijery. Saingy tsy raharaha natao hihomehezana mihitsy ny olan'ny fanjakàna Iraniàna amin'i Kim Kardashian.
Tsy Mbola Nahita Boatin-Kira Mihitsy Talohan'ny Nifindrany Nankany Etazonia, Kalazan'ny Fanamboarana Azy Kosa Amin'Izao Fotoana Izao
Tany Ejipta no naha-lehibe an'i Magdi Hanna, nefa nahita ny antso fanamboarana milina tranainy ampolony taona maro fihainoana mozika izy rehefa nandeha nakany Etazonia.
Tafintohina Tamin'ny Lalànan'ny Iraniana Momba Ny Sarondoha Ireo Ekipa Vehivavin'ny Air France
Mangataka ny zo tsy hiasa amin'ny zotra Paris-Tehran ireo vehivavin'ny Air France raha takiana ny fanaovana sarondoha, ary tohanan'ny vondrona Facebook "My stealthy Freedom" ( Ny fahafahako miserana) amin'ny fanentanana vaovao amin'ny aterineto ny hetsika ataon-dry zareo.
Exit Davutoglu: Voahilika Ny PM Tiorka, Mihamafy Ny Tahotra Momba Ny Hoavy
Lasa ny iray tamin'ireo sisa mpiambina tavela hanara-maso ny fahefan'ny Filoha Recep Tayyip Erdogan
Netizen Report: Noho Ny Fifandonana Anaty Cyber Sy Zon'Olombelona, Mitombo Ny Disadisa Eo Amin'i Etazonia Sy Iràna

Mitombo indray ny isan'ny maty ho an'ireo Bangladeshis tsy mpino, Nodiovina tao amin'ny tranonkala Shinoa ny #PanamaPapers ary dingana roa fanamarinana no trandrahan'ireo Ejiptiana manampahefana mba hanaovana lasibatra ny kaontin'ireo mpikatroka mafàna fo ety anaty aterineto.
Mifanatona Dingana Iray Eo Amin'ny Dihy An-Gorodona i Amerika Latina Sy i Afovoany Atsinanana
"Tahaka izay efa nofisintsika hatramin'izay, hampiara-dalana ny olona ny mozika ary hanome herijika ho an'ny fandriampahalemana eto amin'izao tontolo izao."
Noafahana Vonjimaika Ilay Bilaogera Iraniana Hossein Ronaghi-Maleki
"Amin'ny fiaingana rehetra, misy ny fiverenana. Na dia malemy sy marary aza, tsy maintsy mitsangana sy mitsiky isika. Tsy maintsy mandroso isika..." hoy i Hossein Ronaghi-Maleki nanoratra.