Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Desambra, 2014
Tiorkia : Miha Sarotra Afenina Ny Olan'ny Fitombon'ny Kolikoly
Namoaka ny Tondron'ny Fahitàna ny Kolikoly fanaony isan-taona ny Transparency International. Ny isa dimy nidinan'ny laharan'i Tiorkia no lehibe indrindra ampitahaina amin'ireo firenena hafa rehetra.
Izy Ireo No Mifidy Eo Amin'ny Toeranao: Manitatra Ny Fe-potoana Iasàny Ny Parlemanta Libaney
Anatinà hetsika mety ho lafiratsiny lehibe, mety mampidi-doza mihitsy aza ho an'i Libanona, dia nanemotra ny fifidianana fanindroany indray ny parlemantam-pirenena.
Miandry Daholo Aloha Ny ao Bahrain fa Mbola Milomano, Mivoy ary Mihazakazaka Ny Zanaky ny Mpanjaka
Nahemotra ny fandevenana, nikorontana ny sidina an'habakabaka, tsy afaka namonjy ny asany ny dokotera ary tsy voatsabo ireo marary raha nilomano, nihazakazaka sy nandeha bisikileta kosa ny zanaka lahin'ny mpanjaka.
Fahalalahana Miteny: Lasibatra Laharam-pahamehana Amin'ny Ady Ataon'i Erdogan Amin'ny ‘Fanjakàna Anjorony’

Ao Tiorkia, olona 31 -- mpanao gazety sy manamboninahitry ny polisy -- samy nampangaina ho mitarika sy mamatsy ary mpikambana anaty fikambanana mpampihorohoro mitam-piadiana avokoa
Tonizia: Ny Fomba Nangalaran'ny Mpiandraikitra ny Fifidianana Ny Zoko Hifidy

Ny andro mialoha ny fifidianana ny filoham-pireneny, misy Toniziana iray mipetraka any ivelany miahiahy fa misy ambadika pôlitika ny fanovàna ny fitsipika avy amin'ny tompon'andraikitry ny fifidianana, izay manakana azy tsy hifidy.
Tapaho Ny Fahanginana: Fanentanana Hamotsorana ireo Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Any Am-ponja

Androany, andron'ny Zon'Olombelona, mampatsiahy izao tontolo izao momba ireo namantsika nangina tsy niloa-bava noho ny fampijaliana amin'ny fanehoana hevitra, fametrahana fanontaniana, sy fitsikerana isika.
GV Face: Efatra Taona Taorian'ny Fitroarana. Aiza No Alehan'i Yemen ?

Nanampy tamin'ny fanesorana ny Filoha Saleh, teo amin'ny fitondrana nandritry ny 33 taona, ny fitroaram-bahoaka nalaza tao Yemen tamin'ny 2011. Hatraiza no tena mba fiovàn'ny zavatra rehetra ho an'ity firenena misy mponina 25 tapitrisa ity?
“Hanohy Izahay” Hoy Ny Valin-kafatr'ireo Vehivavy Mazaya – Syria Ho Setrin'ny Fandoroana
“Ny Fampahatsiarovan-tena ny vehivavy. izay fanalahidin'ny fanorenana fiarahamonina ao Syria dia manohintohina ny tanjon'ireny vondrona mpanao an-tendrony ireny,”
Raha Tsy Manan-tsiny I Moubarak, Iza No Nanome Baiko Nampamono Ireo 900 Maty Nandritry Ny Revolisiôna Ejiptiana?
Miverina an-dalambe ireo Ejiptiana taorian'ny nilazan'ny fitsarana iray fa afaka madiodio tamin'ny resaka famonoana mpanao hetsi-panoherana ny fitondràny nandritra ilay revolisiôna tamin'ny 25 Janoary ilay filoha Ejiptiana teo aloha, Hosni Mubarak