· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2010

Arabia Saodita: Génie any amin'ny fitsaràna

  24 Oktobra 2010

"Teo ambany herin'ny génie (fanahy araka ny famaritana arabo) aho", izany no fialàn-tsiny farany indrindra ho an'ny kolikoly ara-panjakana any Arabie Saoudite. Araka ny gazety Saodiana Okaz [Ar], voampanga ho nanao kolikoly ny mpitsara iray tao Al Madina, nandray tsolotra sy naka mihoatra izay tokony ho izy.

Koety: Herisetran'ny mpitandro filaminana azo horonantsary?

  24 Oktobra 2010

Voarakitra horonantsary ny herisetran'ny mpitandro filaminana manerana ny tany. Indro misy iray avy any Koety izay navoaka tao amin'ny blaogy fanta-daza iray ary nahazo fanehoan-kevitra maro dia maro – ny ankamaroan'izany dia manameloka ilay mpitoraka blaogy noho ny namoahany izany. Mark, avy amin'ny 248am, dia namoaka ity horonantsary manaraka ity: Manoratra...

Egipta: Facebook maditra

  22 Oktobra 2010

Niteraka tsaho, esoeso ary fampihomehezana maro samihafa manerana ny blaogy sy Twitter ny fandaharana iray nandeha tamin'ny fahitalavi-panjakàna. Manome fanampim-baovao i Tarek Amr ao amin'ny fanangonany ny fanehoan-kevitra teo anivon'ireo Egiptiana amin'ny aterineto.

Siria: Iza no mandray $42,000 isam-bolana?

  21 Oktobra 2010

Siria, izay firenena sosialista teo aloha, dia nanomboka ny ezaka fanatsarana ny ara-toekarenany tany amin'ny faramparan'ny 2003 tany. Nitondra haingana be nankany amin'ny firoboroboan'i Siria ilay ezaka'

Arabia Saodita: Antso ho fanavotana an'i Samar Albadawi

  19 Oktobra 2010

Samar Albadawi, vehivavy Saodiana iray nisara-panambadiana no tazonina ao amin'ny fonjan'i Brayman ao Jeddah amin'izao fotoana fa hoe tsy nankato an-drainy. Raha nisafoaka ny mponin'ny aterineto sasany , ny hafa kosa kely finoana momba ny tranga mahazo azy ary mbola mitohy foana ny adihevitra eo amin'ireo Saodiana mpitoraka bilaogy sy mpandefa bitsika 'tweets'.

Iran: Dian'ny filoha Ahmadinejad tany Libanona

  17 Oktobra 2010

Vao nahavita ny fitsidihana roa andro tany Libanona ny filoha Iraniana, Mahmoud Ahmadinejad. Io fitsidihana amin'ny fomba ofisialy voalohany notontosainy hatramin'ny nandraisany fahefana tamin'ny 2005. Niresaka tamin'ny mpitondra fanjakana Libaney izy ary nitsidika ihany koa ny toerana mampatanjaka ny antoko sakaizan'i Iran dia ny Hezbollah izany, dia ny faritra atsimon'ny...

Handray anjara amin'ny Iray andro manerantany ny Rising Voices

Rising Voices  17 Oktobra 2010

Hampiseho ny fahasamihafany ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Rising Voices amin'ny fandraisany anjara amin'ny hetsika Andro Iray eto Ambonin'ny Tany. Haka sary ny manodidina azy ny olona mpampita vaovao maneran-tany amin'ny 10 Oktobra 2010 mba hitehirizana ny sary indray mihelatry ny fiainana eto an-tany. Jereo ny sasany amin'ireo mpandray anjaran'ny Rising Voices.