Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jona, 2015
Tondroin'i Koety ho Saodiana ilay Nanapoaka Tena tao amin'ny Moskea Shiita
Fantatr'i Koety ho Saodiana ilay nanapoaka tena ary nosamboriny ny mpamiliny taorian'ny fanafihana mampihorohoro ny moskea shiita iray nahafatesana olona 27 sy naharatrana olona mihoatra ny 200.
Antontan-taratasy Miisa 500,000 Izay Tsy Tian'ny Governemanta Saodiana Ho Hitan'ny Olom-pirenena Naporitsak'i Wikileaks
"Tsy faly ny fanjakana Saodiana ka tonga hatramin'ny fanakànana ny olom-pireneny mba tsy hiraharaha ilay alokà angon-drakitra, nanofahofa azy io ho toy ny asa mampidi-dozan'ireo "fahavalom-pirenena"
28 no Maty tamin'ny Fanafihana ny Tora-Pasika Fialan-Tsasatra Tao Sousse, Tonizia
Farafahakeliny olona 28, izay saika vahiny mpizaha tany no maro, no maty tamin'ny nitifitifiran'ireo lehilahy mitondra basy izay hitany teo amin'ny tora-pasika tao amin'ny tanàna fialan-tsasatra ao Sousse, Tonizia. Ity no fanafihana faharoa tao anatin'ny efa-bolana.
Vakoka Tranainy Siriana Amidy Ao Amin'ny Facebook
Amidy amin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny Facebook sy amidy an-tapitrisany maro any amin'ny varomaizina ireo vakoka fahinin'i Siria norobain'ny ISIS mpanara-maso ny faritra.
Mivoaka ao Tehran Indray ny Zavakanto an-Dalamben'i ‘Black Hand’ Vaovao ho Setrin'ny Fitakiana Hahazoan'ny Vehivavy Mijery Spaoron-Dehilahy
Eo amin'ny sary lehilahy iray manao fanamian'ny ekipam-pirenen'i Iran amin'ny football [baolina fandaka], manandratra tavoahangin-dranotsavony fanasana lovia mampahatsiahy ireo mpilalao mitazona ny amboaran'ny Mondialy.
Inona ny Mety Lazain'ny #SaudiCables Amintsika Momba ny Politika Ivelan'ny Fanjakana
Hita ao amin'ny telegrama naporitsaka avokoa ny lohahevitra isan-karazany hatramin'ny fanomezan'ny fanjakan'olo-tokana tsy refesi-mandidy "visa" amin'ny vehivavy mpihira ka hatramin'ny politikam-paritra sy iraisampirenena. Rehefa mamaky ireo taratasy naporitsaka ianao dia mety hanana tsoakevitra maro.
Any Torkia, Eo Am-pitadiavana Olona Bebe Kokoa Manohana Ny Fanomezan-danja ny Tanàna
"Nalàn'izy ireo ny mavo, manga, maintso, volomboasary, volomparasy, mena, ary nosoloiny volontany sy fotsy izy ireny. Nopotehan'izy ireo ny Sulukule."
Mibahan-Toerana ao amin'ny WikiLeaks avy ao Arabia Saodita Farany teo i Iran
"Asehon'ny telegrama diplomatika Saodiana ny fieritreretana be loatra an'i Iran sy ny Shiisma."
#SaudiCables: Inona Ny Fantatsika Momba an'i Libanona Hatreto?
Ny #SaudiCables [telegrama saodiana] momba an'i Libanona dia mampiseho ny fielezan'ny kolikoly sy ny fitontoganan'ny maoraly.
Ibrahim Sharif, Gadra Politika Bahraini Nafahana Rehefa “Nahavita Ny Saziny”
To anatin'ny tsy nampoizina tokoa, nafahan'i Bahrain i Ibrahim Sharif, politisiana nofonjaina tamin'ny Martsa 2011, taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanoherana ny governemanta. Miroso mankany amin'ny tena fanavaozana ve i Bahrain?