Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2015
Voakiana noho ny tatitra “mitongilana” amin'ny lanonam-pivavahana shiita ny fampitam-baovao lehibe
Shiita an-tapitrisany no manamarika ny tsingerintaonan'ny mahamaritiora ny Imam Hussain bin Ali, izay maty novonoina tokony ho 1.300 taona lasa izay, isan-taona. Mandaka ny fomba fandraisana diso ataon'ny fampitam-baovao lehibe ny mpiserasera.
Mitafiotra Media Sosialy Ny Hetsika #FreeAlaa (Avotsory i Alaa) Raha Feno Herintaona ny Nanagadrana Azy

Herintaona tany am-ponja i Alaa Abd El Fattah noho ny fikatrohana ataony. Mbola mamita sazy efa-taona. Miaka-peo ny mpiserasera tamin'ny fankalazana ny herintaonan'ny nanagadrana azy mba hitaky ny famotsorana azy.
Kotatsu sa Korsy? Japoney sa Iraniana izao fomba fanafanana tena izao?
Hita taratra fa manana tekinika mitovy fototra i Japana sy i Iran rehefa amin'ny fampahazoana aina mandritra ny ririnina.
Famoahana Tamin'ny Facebook: Iraniana Mpianatra Notazonina Tsy Misy Vesatra Fiampangàna

"Manampahefan'ny fitsaràna..... tsy tokony hisambotra tanora sy hamoaka didim-pitsarana mavesatra ho azy ireny ry zareo isak'izay mitsikera izy ireny. Tokony hipetraka hianatra any an-dakilasy izao ny zanako lahy.”
Rendrika anaty loto, ‘Reniranom-pako’ manemitra ny araben'ny renivohitr'i Libanona
Avy ny orana tao Libanona ary nivangongo manerana ny arabe nandritra ny volana maromaro ny fako ao Beirota, nivadika ho "reniranon'ny fako" ny araben'ny renivohitra.
Fihaonambe Ho An'ny Fandriampahalemana Tao Ankara: Fipoahana Nahafatesana Olona 86 Raha Kely Indrindra
Ny fanafihana tamin'ny 10 Oktobra teo no goavana indrindra teo amin'ny tantaran'i Tiorkia, nitranga indrindra raha mbola eo ampikarakaràna fifidianana hatao ny 1 Novambra ny firenena, izay toa sarotra tanterahana raha ny fahitàna azy.
Iraniana-Amerikana Filoha Vaovaon'ny Twitter, Ny Fanehoankevitry Ny Iraniana
Tokony havelanareo any i Omid Kordestani. Na Iraniana iray aza tsy arahany. Azafady, aza dia mitabataba tahaka izao satria fotsiny hoe Iraniana izy. Misaotra.
Namono Olona Dimy Tao Amin'ny Moske Shiita Ao Arabia Saodita Ny Lehilahy Mitam-piadian'ny ISIS
Nanafika moske tao Saihat, ao amin'ny faritany atsinanan'i Arabia Saodita tamin'ny alin'ny Zoma 16 Oktobra ny lehilahy mitam-piadiana ISIS, nahafaty olona dimy sy nandratra olona sivy izy alohan'ny nahafatesany voatifitry ny polisy.
Inona Momba Anao Manokana Moa Rehefa Siriana Ianao?

"Ahoana no fomba hanavahana ny ampahany an'ny tena manokana sy ny an'ny daholobe ao anatin'ny habibianao manoloana ireo izay te-hamono anao fotsiny noho ny ezakao hametraka ny zonao manokana sy ny an'ny daholobe?"
Nitety Firenena Sivy izy Handosirana Ady—Vao 12 Taona Monja Izy Tamin'izany
Vao 12 taona i Gulwari Passarlay tamin'ny fotoana nandefasan-dreniny azy hiala an'i Afghanistan ho any Angletera noho ny tahotra tao aminy. Nanoratra boky iray mitantara ny diany izy.