MPitarika amin'ny vondro-piaraha-monina teratany ao Cochabamba, Bolivia i Marisol, izay voatery hifindra tao an-tanàna mba hitady zavatra mahasoa sy tsaratsara kokoa tahaka ireo vehivavy indizeny maro. Iray amin'ireo vehivavy maneho ny heviny ao amin'ireo andian-dahatsary fanadihadiana avy amin'i Periodismo Humano [es] momba ny vehivavy ao amin'ny fiarahamonina Boliviana izy. “Ianao vehivavy sady teratany no mahafadiranovana indrindra eto ,” hoy izy.
Nitantara ny zava-misy ireo vehivavy natao fanadihadiana manerana ny nosy fa ananan-trosa ny fananana krômôzôma X anankiroa ao Bolivia. Tsy dia nandia fianarana firy ny vehivavy ary tsy dia mampidi-bola firy, ary na nahitana fitomboana aza ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy eo amin'ny sehatra politika, mbola mitolona amin'ny tokony hihainoana ny fanehoa-keviny ireo vehivavy mpitarika ao Bolivia.
Mario Munera Rodríguez, mpanao gazety sy nanatontosa ilay andian-dahatsary, nanoratra hoe [es]:
El dibujo social en el que se enclava la mujer boliviana viene dado por el contraste de, por un lado lo que allá definen como agringados o personas que desean imitar los estilos de vida (a ojos de) capitalistas y por el otro el de aquellas y aquellos que tienen raíces y se niegan a dejarlas atras.
Miresaka momba ireo tovovavy sy ny fidirany an-tsekoly kosa ny lahatsary faharoa [es]. Hoy i Munera nitatitra tao amin'ny lahatsary:
Según el INE [Instituto Nacional de Estadistica] 2001 en Bolivia, la tasa de analfabetismo de mujeres es de 19,35 por ciento, mientras la tasa de analfabetismo masculinos es del 6,94 por ciento. En el campo el analfabetismo femenino es del 37,91 por ciento, en contraposición al masculino que es de un 14,42 por ciento.
La educación de la mujer es muy importante. La escolaridad alcanzada por las mujeres influye directamente en las condiciones de salud, nutrición y supervivencia de los hijos. Asimismo, incide en la mortalidad materna.
Araka ny voalazan'ny INE (Ivon-toerana Nasionaly misahana ny antontanisa) tamin'ny 2001 tao Bolivia, 19,35% ny tahan'ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra ho an'ny vehivavy, ary 6,94% kosa ny tahan'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ho an'ny lehilahy eny ambanivohitra. Ao andrenivohitra kosa dia 37,91% ny tahan'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ho an'ny vehivavy ary 14,42% ny lehilahy.
Zava-dehibe ny fampianarana ny vehivavy. Miantraika mivantana amin'ny taham-pahasalamana, ny sakafo sy ny fivelomanan'ny ankizy ny fampidirana ny vehivavy an-tsekoly. Miantraika amin'ny fahafatesan'ny vehivavy miteraka ihany koa izany.
Nilaza i Sonia, mpahay fiarahamonina nohadihadiana tao amin'ny lahatsary fa “manabaty vehivavy tanteraka ny fampianarana ao Bolivia. Raha ny tena marina, tsy omena lanjany ny tovovavy.”
Amin'ny lahatsary fahatelo, nanararaotra ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy amin'ny politika [es] i Munera. Ahitana ity fomba fiteny ity ny lahatsoratra hita ao amin'ny lahatsary:
“Muchas han tenido que usar la violencia para hacerse respetar, para ponerles el límite al hombre”
“Los hombres piensan que las mujeres son para que se recreen incluso en estas circunstancias, de compañeras en la política”
“Se busca a las mujeres para alistarlas dentro de los partidos políticos postulantes al gobierno y tratan de cumplir con el 30% de participación de las mujeres, pero nominalmente”
“Todavía los hombres toman las decisiones y las mujeres tienen sólo que levantar la mano”
“El gobierno han cooptado a muchos de los intelectuales y pensadores de izquierda que nos decían sobre por dónde debíamos ir”
“Quienes hemos estado cuestionando la política del gobierno, no de manera destructiva y quienes no somos de derechas, hemos sido las organizaciones de mujeres”
Farany, amin'ny lahatsary faha-efatra sady farany [es], nanipika i Munera fa “70%-n'ny herisetra ara-nofo sy manabanty vehivavy momba ny hetraketraka nitranga tao amin'ny firenena.” Tamin'ireo andianà fanadihadiana, nanazava ny toe-javatra iainan'ireo vehivavy iharan'ny herisetra ataon'ny lehilahy monina ao Bolivia ny mpandrindra, ny mpahay fiarahamonina ary ny mpahay momba ny toe-tsaina.
Faranan'ireo andianà sary fotsy sy mainty ny lahatsary, saingy nolazaina teny amboalohany fa: “Tsy misy lehilahy te-handray anjara tamin'ny fanatontosana ity lahatsary fanadihadiana ity.”