· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2019

Môzambika/Brezila: Voatsikera Ny “Diplomasia Etanôla”

  09 Avrily 2019

Nanameloka mafy ny fifanarahana nataon'i Brezila, ny Firaisambe Eoropeana sy Mozambika ny Friends of the Earth Europe sy ny ONG Justiça Ambiental noho ny fampiroboroana ny famokarana solika biolojika ao Môzambika. Atao kely ny haba ho an'ny etanôla afaran'ny UE fa hotohizan'ny UE ho asiana hetra kosa ny etanôla Breziliàna.

Notanana ilay bilaogera Ekoadaoreana Paúl Moreno 

GV Mpisolovava  09 Avrily 2019

Notanana ilay bilaogera Ekoadaoreana Paúl Moreno (@paulcoyote) noho ny vesatra tamin'ny fidirana an-tsokosoko tamin'ny rafitra solosaina, rehefa avy niditra tao amin'ny angondrakitry ny Filoha Rafael Correa manokana izy mba hanehoana ny lesoky ny tranonkala ofisialin'ny manampahefana.

Filoha Chávez sy ny “ady anaty akatan-tserasera”

GV Mpisolovava  08 Avrily 2019

Nanangana ny programa antsoina hoe "Communicational Thunder" [kotroka ara-tserasera] ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez, mba "hiatrika ny lainga sy ny vaovao diso aelin'ny haino aman-jery tsy miankina". "Tsy maintsy atao isan'andro ny tolon'ny fampitam-baovao", hoy izy.

Venezoela: Misalasala ny amin'ny antony nahafatesan'i Bolivar

  04 Avrily 2019

Isaky ny 17 Desambra, Mankalaza ny fitsingerenan'ny nahafatesany ny firenena rehetra izay mihevitra an'i Símon Bolívar ho toy ny maheron'ny fireneny. Saingy tamin'ny volana Desambra 2007 lasa teo, takona ny fahatsiarovana ny tsingerintaona raha nanomboka nanahy ny tamin'ny nahafatesan'i Bolívar ny filoha Hugo Chávez, izay noheveriny fa voan'ny raboka .