Môzambika/Brezila: Voatsikera Ny “Diplomasia Etanôla”

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2010)

Ny 14 jolay 2010, Friends of the Earth Europe [teny anglisy] sy ny ONG mozambikana Justiça Ambiental [teny anglisy sy teny portiogey] no niampanga mafy ny fifanekena iray teo amin'i Brezila, ny Firaisambe Eoropeana sy i Mozambika mba hampiroboroboana ny famokarana solika fandrehitra azo avy amin'ny zavamaniry ao Môzambika.

Voafaritra anatin'ity fifanekena ity ny fiarahamiasa teknika mba hampiroboroboana ny famokarana solika fandrehitra azo avy amin'ny zavamaniry ao Môzambika. Amin'izao fotoana dia nasiana haban-tseranana amin'ny taha tena ambany be ireo fanafarana ataon'ny UE amin'ny etanôla azo avy amin'ny siramamy ao Mozambika raha oharina amin'ireo etanola Breziliàna izay ho tohizan'ny UE ho asiana hetra.

Hahazo tombony  amin'ny fanampiana sy ny fahalinana be amin'ilay sehatra ireo orinasa Breziliana, raha toa ny sasantsasany amin'izy ireo mikaroka ny hanitatra ny asan'izy ireo any Môzambika. Araka ny voalazan'ny Reporter Brasil [teny portogey], tamin'ny faran'ny taona 2009, orinasa Breziliana goavana roa raha kely indrindra no nanao fifanarahana fanekena fanofana tany mba hampitomboana ny famokaran'izy ireo siramamy azo amin'ny fary ao Môzambika, ary nitady famatsiambola mba hamokarana etanôla ao amin'io firenena io.

Sary an'ny mpampiasa Flickr Tonrulkens nampiasàna lisansa Creative Commons

Manamafy ireo tomponandraikitra fa ity vokatra afrikana ity dia tokony hanaraka an'ireo fenitra momba ny tontolo iainana napetraka ao Eoropa ary hanaovana fanadihadiana mialoha ny hampety na tsia ny fanatanterahana azy.

Nefa mipetraka sahady ireo olana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana momba ireo tetikasa voalohany mikasika ny famokarana etanôla ao Môzambika (vakio ity lahatsoratra vao haingana an'ny Global Voices ity mikasika an'io antony io). Tao anatin'ny fanambarana an-gazety tamin'ny 14 jolay 2010, nilaza i Justiça Ambiental [teny anglisy] fa:

The expansion of biofuels in our country is transforming natural forest and vegetation into fuel crops, is taking away fertile farmland from communities growing food, and creating poor working conditions and conflicts with local people over land ownership. We want real investment in agriculture that allows us to produce food and not fuel for foreign cars.

Ny fanitarana an'io angovo bilojika io ato amin'ny firenentsika dia manova ny ala sy ny tontolo natoralin'ny zavamaniry ho fambolena natokana ho amin'ny famokarana ny solika, maka amin'ireo tambanivohitra ireo tany mamokatra nampiasaina ho an'ireo voly fihinana, nefa sady tsy misy sosokevitra akory omena afatsy ireo fepetra ratsy mikasika ny asa sy miteraka disadisa amin'ny fampiasana ny tany miaraka amin'ireo vahoaka eo an-toerana. Mila fampiasambola tena izy izahay amin'ny fambolena, izay hahafahanay mamokatra sakafo, fa tsy solika natokana ho an'ny  fiarakodian'ireo firenena hafa.

Namaly an'ireo tsikera ireo, nofaritan'ny sampan-draharah'ny  fampahalalam-baovao ofisialy AIM [teny anglisy] ho tena ‘donendrina tsy mahay na inona na inona’ ny fijerin'ny Friends of the Earth, ary notsikerainy ihany koa ny JA, tamin'ny fanamafisana fa tsy misy mihitsy porofo mampiseho fa ny famokarana solika biolojika dia manohintohina ny famokarana sakafo.

Ankoatran'ny tatitry ny Friends of the Earth (« The Jatropha Trap / Ny Fandriky ny Jatropha » [teny anglisy], nisy fanadihadiana iray avy amin'ny Ivontoerana Iraisampirenena ao Royaume-Uni momba ny Toekarena sy ny Fampandrosoana, namoaka fampitandremana mikasika ny fanitarana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy an'ireo solika biolojika ao Môzambika (« Biofuels, land access and rural livelihoods in Mozambique » / Solika biolojika, ny fahafahana mahazo tany ary ny fiainana ambanivohitra ao Mozambika [teny anglisy]).

Sary an'ny mpampiasa Flickr Fotos da Bahia, nampiasàna lisansa  Creative Commons

Ity fifanarahan'ny telo tonta ity dia tsy inona akory fa mariky ny maha zava-dehibe an'izay antsoin'ireo Breziliana mpaneho hevitra hoe ny “diplomasian'ny etanôla” an'ny Filoha Lula. I Leandro Freitas Couto manoratra mikasika an'io resaka io [teny portiogey] manao hoe:

Na recente visita do presidente Lula a seis países africanos (Cabo Verde, Guiné Equatorial, Quênia, Tanzânia e África do Sul) os biocombustíveis, o etanol mais especificamente, tiveram destaque na agenda. […] O Brasil também já dispõe de um acordo com os Estados Unidos sobre o tema, assinado ainda durante o governo de Bush Jr. Prevê ações de cooperação triangulares, nos moldes do acordo agora assinado com a União Européia e Moçambique […]

A diplomacia do etanol, portanto, vem se consolidando nos últimos movimentos da gestão da política externa do presidente Lula. A substituição paulatina, mas inexorável, dos combustíveis fósseis e a atenção crescente às questões climáticas tendem a fortalecer ainda mais essa agenda no futuro, o que ajudará a fortalecer a presença do Brasil no cenário mundial. […] Com esse cenário, a despeito dos resultados eleitorais de outubro desse ano, a continuidade dessa linha de ação da política externa brasileira está garantida para os próximos anos.

Nandritra ny fitsidihana vao haingana nataon'ny Filoha Lula tany amin'ireo firenena afrikana enina (Cap-Vert, Ginea Ekoatorialy, Kenya, Tanzania ary Afrika Atsimo), ireo solika biolojika, ary anisany manokana amin'izany ny etanôla, no iray tamin'ireo teboka manan-danja indrindra tamin'ny fandaharam-potoana. […] Efa manana fifanarahana amin'i Etazonia i Brezila mikasika an'io, voasonia teo ambany fiadidian'i Bush zanany. Voasoratra ao ny fifanaraham-piarahamiasan'ny telo tonta izy, araka ny modely mitovy amin'izay niarahan'ny Firaisambe Eoropeana sy Môzambika nosoniavina amin'izao fotoana izao[…]

Araka izany, nohamafisina tao anatin'ireo asa faramparany tamin'ny hetsika politika ivelany nataon'ny Filoha Lula ny diplomasian'ny etanôla. Ny fanoloana tsikelikely, nefa tsy azo ialàna, an'ireo solika azo tamin-javatra lò sy ny fiahiana tsy mitsahatra mitombo amin'ireo olana ara-toetrandro dia hirona amin'ny fanomezan-danja  hatrany hatrany an'io resaka io amin'ny hoavy, izay mandray anjara amin'ny fanamafisana ny fisian'i Brezila eo amin'ny sehatra manerantany […] Amin'io endri-javatra io, na toy inona na toy inona ny ho vokatr'ireo fifidianana hatao ny volana oktobra [2010], azo antoka ny fitohizan'io fironana ara-politika ivelany ao Brezila ato anatin'ny taona maro hoavy.

Tato anatin'ny taona vitsivitsy, ireo Breziliana mpikatroka, tahaka ny Kaomisionan'ny Tany sy ny Fiompiana (Comissão Pastoral da Terra, CPT) Alagoas, dia nanameloka an'io endrika “diplomasia” io. Tamin'ny taona 2009, nandritra ny vovonana iray mikasika an'ireo solika vokarina avy amin'ny fambolena  (agrofuels : teny ampiasaina mba tsy hifangaro amin'ny tovana “bio”) tao Maputo, nanambara ny CPT Alagoas [teny portiogey] fa:

Historicamente, a atividade sucroalcooleira no Brasil tem sido geradora de profundos desrespeitos aos direitos humanos e vem causando graves danos ao meio ambiente. Nos últimos anos, a expansão indiscriminada dos canaviais para produção de etanol – com o objetivo de atender as expectativas do mercado exterior – vem ampliando a super-exploração dos assalariados da cana e o aumento do número de trabalho análogo à escravidão. […]

Colocar o Brasil como um país chave na produção de energia renovável é fazer uma leitura superficial ou de resultado, é passar uma borracha no passado recente e criar uma falsa impressão que todos os impactos (econômicos, sociais e ambientais) foram superados e que o etanol produzido no Brasil é um combustível limpo. […]

Não podemos permitir que esse modelo de exploração seja exportado para a África nem para nenhum outro país do mundo.

Ara-tantara, ny famokarana alikaola avy amin'ny fary ao Brezila dia niteraka fanitsakitsahana henjana ny zon'olombelona ary niteraka loza goavana teo amin'ny tontolo iainana. Tao anatin'ny taona vitsivitsy, ny fanitarana tsy am-piheverana ireo saha fambolena fary ho an'ny famokarana etanôla – miaraka amin'ny tanjona hamalianany filàn'ny tsena iraisam-pirenena – dia nanamafy ny fanaovana tsindry hazo lena mian'ireo mpikarama mpamboly fary ary nampitombo ny isan'ireo asa manakaiky ny fanandevozana […]

Ny fametrahana an'i Brezila ho firenena fototra ho an'ny famokarana angovo azo havaozina, dia famakiana ny endriny ivelany fotsiny, na fanerena ny vakiteny hitondra vokatra araka izay efa nomanin'ny saina ho aterany, famafana ny lasa vao haingana izany ary fanomezana hevitra diso hoe efa resy ireo rehetra fiantraikany tsy mahomby (ara-toekarena, sosialy ary ara-tontolo iainana) ary ny etanôla vokarina ao Brezila dia solika madio. […]

Tsy azonay atao ny hamela ity modely fitrandrahana ity dia ho aondrana any Afrika, na any amin'ny firenena hafa eto amin'izao tontolo izao.

Andrasana aloha hatreto izay ho fanehoankevitry ny tontolombolongana Môzambikana amin'io fifanarahan'ny telo tonta io. Na izany aza, efa nahazoana fanehoankevitra tamin'ny lasa ny olan'ny etanôla, anisan'izany ny avy amin'ny ONG sy ireo hetsika ara-tsosialy. Teo amin'ny blaoginy, vao haingana no navoakan'ny Fikambanana Nasionalin'ireo Tantsaha (União Nacional de Camponeses, UNAC) ny tafatafa iray, nanambaran'i Ismael Ossemane [teny portiogey] manao hoe:

Agora com o etanol e os agrocombustíveis começa uma maior busca por terra em Moçambique e a tendência é esta força por em prova a lei de terras. Então nos encontramos nesta situação: ainda há terras para os camponeses por causa do estágio de desenvolvimento do país, mas através da forma como começam a entrar as empresas, percebemos que, se hoje lutamos para defender a terra que temos, em breve começaremos a lutar para ter terra.

Ankehitriny, miaraka amin'ny etanôla sy ireo solika azo avy amin'ny fambolena, manomboka ny fangatahana velaran-tany midadasika kokoa ao Môzambika ary ny mirona mankany amin'ny fisedrana ny lalàna momba ny Fananantany. Noho izany dia ao anatin'ity trangan-javatra ity isika izao: mbola misy aloha ny tany ho an'ireo tambanivohitra noho ny lenta misy ny fampandrosoana ny firenena, saingy amin'ny fomba fahatongavan'ireo orinasa, tsapanay fa raha amin'izao fotoana izao miady izahay mba hiaro ny tany efa anananay, atsy ho atsy kosa hanomboka hiady mba hanana tany.

Tohanany fa ny etanôla voalaza dia toa natokana ho an'ny fanondranana ary mety tsy hamaha ny fiankinandohan'i Mozambika amin'ny solitany afarana izy io. Ny marina, nipoitra ny filazana an'ity fifanarahana ity raha toa ireo mpivarotra solika nandrahona ny hampiakatra ny vidiny, ary nihantsy ny mety ho fisian'ireo korontana ao Maputo, tahaka an'izay nitranga tamin'ny volana febroary 2008 (vakio ny lahatsoratra momba io lohahevitra io [teny anglisy] nosoratan'ny Global Voices).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.