Mpitsikera ny governemanta tany Meksika nosamborina fa voampanga ho nahatrarana rongony

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2013 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosamborina ilay mpisera Twitter Gustavo Maldonado ary voampanga tamin'ny fandikan-dalana madinidinika mifandraika amin'ny zava-mahadomelina tany Chiapas, Meksika tamin'ny 9 Aogositra 2013. Ankoatra ny fihazonana sy ny fivarotana rongony vitsivitsy, izay zary mahazatra ao amin'ny faritra, dia mpitsikera mamaivay ny governemanta ao an-toerana i Maldonado .

Tena manakiana mafy an'i Manuel Vasco Coello, governoran'i Chiapas, ny solonan'anaran'i Maldonado ao amin'ny Twitter @gumalo3105 sy ny kaontiny ao amin'ny Youtube sy Facebook. Niseho ora vitsy taorian'ny nizarany lahatsary tao amin'ny YouTube izay nampiseho raharahan-kolikoly mifandraika amin'ny tolotra famatsian-drano eo an-toerana sy ireo olana ara-tsosialy hafa ny fisamborana azy. Maldonado no mpitantana ny fantsona Youtube Anonymous Legion Chiapas, izay nandefasany ilay lahatsary.

Nanao fanentanana #TodosSomosLegionChiapas (“Vondrontafika Chiapas avokoa isika”) ireo mpisera Twitter Meksikana ao an-toerana tamin'ny filazàna fa valifaty noho ny fanehoan-kevitr'i Maldonado sy ny hetsika nataony an-tserasera ny fisamborana azy.

Raha nanamora ny namantarana azy ny solonan'anarany dia nilaza ireo mpisera Twitter sy ny Información de lo nuevo, bilaogy any amin'ny saikinosy Yucatan fa nanara-maso ny hetsik'i Maldonado ny manampahefana tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny fitaovana fanaraha-maso an-tserasera antsoina hoe “Black Eyed Hosting.” Nilaza ny mpitandro filaminana fa nahazo vaovao avy amin'ny olona tsy fantatra anarana izy ireo nampahafantatra azy ireo ny toerana misy an'i Maldonado.

Manana tantara lava momba ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana ny manampahefana ao amin'ny fanjakan'i Chiapas. Io fanjakana io dia fantatra amin'ny fisian'ny fikambanan'ny mpikomy Zapatista, izay nanolo-tena ny hanolotra servisy tsara kokoa ho an'ny vahoaka sy ny solontena ara-politika matanjaka ho an'ny mponina ao amin'ny fanjakana nanomboka tamin'ny taompolo 1990 ary indizeny ny ankamaroany. Na dia nahasarika ny sain'ny besinimaro iraisam-pirenena aza ireo ezaka ireo nandritra ny taona maro dia mbola mitoetra ao anatin'ny faritra ny kolikoly sy ny hantsana ara-tsosialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.