Venezoela: Misalasala ny amin'ny antony nahafatesan'i Bolivar

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2008)

Isaky ny 17 Desambra, Mankalaza ny fitsingerenan'ny nahafatesany ny firenena rehetra izay mihevitra an'i Símon Bolívar ho toy ny maheron'ny fireneny . Ao Venezoela, mametraka sainam-pirenena eo ivelan'ny varavarany ny olona, ​​raha mitondra voninkazo any amin'ny sarivongan'ny Mpanafaka (Liberator) any amin'ny kianja Bolívar tsirairay ireo vondrona Bolivariana manam-pahaizana sy ny akademika. Tamin'ny volana Desambra 2007 lasa teo, takona ny fahatsiarovana ny tsingerintaona raha nanomboka nanahy ny tamin'ny nahafatesan'i Bolívar ny filoha Hugo Chávez, izay noheveriny fa voan'ny raboka. Na dia izany aza, nilaza i Chávez fa fihetsika fanapoizinana izany ary nandidy ny hanaovana fanadihadiana momba izany izy. Herintaona taty aoriana, naneho hevitra momba ny tsingerintaona manantantara mikasika ny nahafatesan'i Bolívar sy ny fiovana hita tamin'ny bokin-tantara ireo bilaogera.

Felix Tapia manoratra momba ny fomba hamantarana ny antony nahafatesany [es] :

Nuestra opinión es que la detección del ADN en la osamenta del Libertador, sobretodo si es el del Mycobacterium tuberculosis, podrá confirmar la muerte por tuberculosis. De lo contrario no se podrá confirmar el envenenamiento con este simple examen. Lo único viable sería confirmar trazas del veneno en los huesos, una vez estos sean confirmados como pertenecientes al Libertador, lo cual es bastante difícil pues no hay descendientes directos vivos de Bolívar.

Ny hevitray dia ny fijerena ny ADN ao amin'ny taolan'i Bolivar, indrindra fa mety hanamarina ny fahafatesana noho ny raboka ny Mycobacterium mahatonga ny raboka. Etsy ankilany, tsy azo porofoina amin'ity fitiliana tsotra ity ny fitiliana fanapoizinana. Ny hany zavatra azo antoka dia ny manamarina ny mariky ny poizina ao amin'ny taolana, rehefa voamarina fa izany no nahatonga ny fahafatesan'i Bolivar, izay tena sarotra satria tsy manan-taranaka mbola velona.

Namerina namoaka lahatsoratra avy amin'ny gazety momba ilay tranga ny bilaogy Megaresistencia [es], izay niteraka fanehoan-kevitra mahaliana isan-karazany, anisan'izany ireo izay sahiran-tsaina fa lasa lohahevitra amin'ny adihevitra izany ary ny hafa izay liana amin'ny misitery mety hisian'ny fahafatesana hafa.

Corocoro Frito nanoratra hoe:

La gente común se pregunta: ¿Cuantos dólares va a costar esta investigación? Cuanto costó?:
.-El cambio de nombre a Venezuela.
.-El cambio de nombre de los ministerios.
.-El cambio de la moneda.
.-El cambio de los timbres fiscales
Cuantos dolares necesitados en los hospitales y escuelas se han gastado encosas no prioritarias?

Manontany ny olon-tsotra hoe ohatrinona no holaniana amin'izany fanadihadiana izany?
Ohatrinona no vidin'ireto zavatra manaraka ireto?
– Ny fiovan'ny anaran'ny firenena
– Ny fiovan'ny anaran'ny minisitera
– Ny fiovan'ny vola
– Ny fiovan'ny hajia
Ohatrinona ny vola nilaina tany amin'ny hopitaly sy ny sekoly izay nolaniana tamin'ny zavatra tsy laharam-pahamehana?

El Blogo [es] namorona sary mahatsikaiky (jereo ny sary eo amin'ny lahatsoratra) izay niteraka adihevitra be ihany koa teo amin'ireo manohana ny fanapahan-kevitra:

Bolivariano nanoratra hoe:

Más alla de la retorica, creo que el presidente chavez tiene razon en desconfiar de la historia, y en este momento tiene la oportunidad y el poder para emprender una investigacion como esta, que no solo es criminalistica o cientifica, si no que tambien es una evaluacion e investigacion historica que seguramente puede revelar muchos mas detalles de la vida y muerte de el Libertador.

Ankoatra ny toro-hevitra rehetra, heveriko fa marina ny an'ny filoha ny amin'ny tokony tsy hatokisana ny tantara ary manana fahafahana sy hery hanombohana fikarohana toy izany izy amin'izao fotoana izao, izay tsy ara-heloka bevava na siantifika ihany, fa fanombanana sy fikarohana ara-tantara izay azo antoka fa hamoaka ny antsipiriany bebe kokoa momba ny fiainana sy ny fahafatesan'i Bolivar.

Amarilis nanampy hoe:

Si hoy en dia investigan el cómo murieron los egipcios, los noruegos, los dinosaurios, las especies estinguidas, por qué no pueden averiguar cómo murió uno de los hombres más visionarios e importantes de la historia de América.

Raha manadihady ny olona amin'izao fotoana izao hoe ahoana no nahafatesan'ny Ejipsiana, ary koa ny Norveziana, ny dinôzôro sy ireo biby maty, nahoana izy ireo no tsy afaka manadihady ny tena nahafatesan'ny iray tamin'ireo lehilahy manana vina indrindra sy manan-danja indrindra amin'ny tantara ao Amerika?

Andrés avy ao amin'ny Venezuelan Compass [es] manoratra ny fiankinan-dohan'ny governemanta mistikan'i Bolivar ary nahoana no zava-dehibe amin'izy ireo izany:

Nadie negará a Bolívar en la historia, pero su memoria debe servir como fuente de inspiración, no de oráculo que otorga respuesta a todos los problemas del país.

La Bolívar-dependencia pone de manifiesto los visos militaristas, mesiánicos y de caudillismo que aún hoy asolan nuestra tierra. Ningún hombre tiene el poder de los dioses para saber qué es lo que le conviene siempre, en toda circunstancia (…) Máximo cuando esa divinidad está muerta. Esta es una de las grandes tragedias de nuestra nación.

Tsy misy olona mandà ny toeran'i Bolivar eo amin'ny tantara, saingy tokony ho loharanon'ny aingam-panahy ny fahatsiarovana azy, fa tsy sikidy manome valiny amin'ny olana rehetra ao amin'ny firenena.

Mampiseho ny hevitra ara-miaramila sy mesianika ny fiankinana amin'i Bolivar ka mbola manimba ny tanintsika amin'izao fotoana izao. Tsy misy olona manana fahefan'Andriamanitra mba hahalala izay mety amin'ny fotoana rehetra, sy ny toe-javatra rehetra….na dia maty aza ity “fahamasinana” ity. Izany no iray amin'ireo loza lehibe eo amin'ny firenentsika.

Farany, Ana Julia Jatar te-handroso mankany amin'ny hoavy ary nanoratra hoe [es]:

No nos importan los problemas de hace casi 200 años, queremos soluciones a los de hoy.

Tsy miraharaha ny olana nitranga efa ho 200 taona lasa isika. Mila vahaolana amin'ny olana ankehitriny isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.