· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Novambra, 2018

Bolivia: Fitorian-teny Fanelezana ny Blaogy

  11 Novambra 2018

Noho ny fahombiazan'ilay Andiany Faharoa Fihaonan'ny Blaogera sy ireo Mpampiasa Mundo al Reves natao tamin'ny Asabotsy 8 Jolay lasa teo tany Santa Cruz izay nandraisan'ny olona 26 anjara (indrindra blaogera sy mpamaky blaogy), nanomboka hetsikana blaogera mitondra ny lohateny hoe ''Adalanà Blaogy'' ilay vondrona mavitrika.

Misafidy i Ekoatora

  11 Novambra 2018

Taona nisiana fifidianana niteraka adihevitra sy noresahina be manerana an'i Amerika Latina iny. Raha toa ka misento amin'ny fahatoniana ireo mpanaramaso ny fifidianana taorian'ilay famaranana taraiky ny fandresen'i Felipe Calderón izay niteraka adihevitra be tany Meksika, efa fotoana sahady hieritreretana an'i Brezila, Venezoela, Nikaragoa sy i Ekoatora izao;

Medellin, Kolombia: Avy Any Amin'ny Renivohitriny ny Fakàna An-keriny Lasa Tanànan'ny Fanavaozan-kery

  11 Novambra 2018

Mitovy dika amin'ny hoe zava-mahadomelina, Pablo Escobar, vondrona marksista mpiady anaty akata, ary maka tàhaka miaramila mahery setra maro i Medellin Kolombia. Fa nandritra ireo folo taona lasa, lasa malaza tsara ary fanta-daza noho ny traikefany ara-tsosialy izay anisan'ny tena mangirika indrindra ao Amerika Latina. Ao anatin'ity fizarana voalohany amin'ny podcast mizara roa ity, mizatra kokoa amin'ny tontolo maoderina ao Medellin izahay.

Venezoela: Manova Fiainana Ny Orkesitry Ny Fahatanoràna

  04 Novambra 2018

Tamin'ny taona 1975 no nanomboka nanatanteraka ny nofinofiny i José Antonio Abreu, dia ny famoronana orkestra iray tao Venezoelà. Mpianatra valo hafa no niaraka taminy nanomboka izany tao amin'ny Sekoly Fianarana Mozika tranainy José Angel Lamas.

Goatemala: Firaisankina ho an'i Haiti taorian'ny horohorontany

  03 Novambra 2018

Tamin'ny taona 1976, nisy horohorontany nahafatesan'olona miisa 23.000 tany Goatemala. Ankehitriny (2010), 34 taona taty aoriana, niray hina hanampiana ireo Haitiana tamin'ny voina noho ny horohorontany nahazo azy ireo ireo Goatemalteka, tamin'ny alàlan'ny karazana ezaka fanangonam-bola samihafa sy ny endrika firaisankina hafa.