· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jolay, 2012

Nikaragòa: Tsy Mijanona Ny Tolona Ho Fampitsaharana ny Fampiasana Ny Ankizy

  11 Jolay 2012

Tsy mora tokoa ny manandrana mampitsahatra ny fampiasana ny ankizy ao Nikaragòa, mampiseho ny antony mahatonga ireo ankizy marobe mbola miasa ity lahatsary manaraka ity na dia teo aza ny fisian'ny lalàna vaovao ....Na dia miasa mandritra ny tontolo andro aza izy ireo ka reraka vao mody an-trano, mirehareha tanteraka amin'ny fanampiany entiny ho an'ny fianakaviany ireo ankizy sy tanora ireo, ary tsy mandray izany ho toy ny "asa" na zavatra manitsakitsaka ny zony.

Mifidy Izay ho Filoham-pireneny Manaraka ny Meksikana

  11 Jolay 2012

Nandeha tany amin'ny birao fandatsaham-bato ny Meksikana tamin'ny 1 Jolay hanao ny fifidianana ny ho filoham-pireneny. Nanomboka nizara ny heviny sy ny traikefany ihany koa ireo mponin'ny aterineto raha vao nisokatra ny birao fandatsaham-bato. Nikarakara tranokala sy tenifototra ihany koa izy ireo hanangonana ireo tatitra mikasika ny hosoka sy ny tsy fanarahan-dalàna hafa.

Pôrtô Rikô: Niteraka Korontana Ny Fitsarana Ny Raharahan'i Francheska Duarte

  11 Jolay 2012

Nodonin'ny sakaizany taloha tamin'ny fiara ary navelany tany amin'ny toby fitsaboana vonjimaika ilay vehivavy renim-pianakaviana antsoina hoe Francheska Duarte. Ilay mpitsara nomena andraikitra hitsara io raharaha io, dia nahita fa tsy heloka bevava no azo anamelohana an'i Jorge Ramos, sakaizan'i Francheska taloha fa nohon'ny tsy fikarakarana ilay marary fotsiny ihany. Niteraka korontana tao amin'ilay nosy io didim-pitsaràna io .

Meksika: Fanehoan-kevitra Ao Amin'ny Twitter Taorian'ny Fifidianana

  10 Jolay 2012

Amin'ny fanarahana ny fizotry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, maneho ny heviny ao amin'ny Twitter ny Meksikana mikasika ny androm-pifidianana sy ny vokatra ôfisialy vonjimaika mirona ho any amin'i Enrique Peñany, mpifaninana avy amin'ny PRI (Institutional Revolutionary Party) sy ny vondrona "Compromise for Mexico".

Shily: Tsy Manan-kialofana Ao Santiago

  09 Jolay 2012

Ao Santiago, Shily, tahaka ny any amin'ny tanna maro manerana ny tany, mety ho vanin-taona mahafaty ho an'ireo tsy manan-kialofana ihany koa ny ririnina. Amin'ny alàlan'ny saripika, Alejandro Rustom, mpiara-miasa ao amin'ny Demotix dia mampibaribary ny tena zava-misy iainan'ireo tsy manan-kialofana ao an-drenivohitra Shiliana sady manasongadina ny fomba entin'ireo olom-pirenena hanampiana azy ireny

Brezila: Adihevitra Momba Ny Fiterahana Natoraly

  05 Jolay 2012

Ho an'ny Fikambanana Iraisampirenena ho an'ny Fahasalamana dia 15% ny fiterahana ihany no tokony handalo fandidiana. Na izany aza, eo amin'ny sehatra tsy miankina Breziliana, maherin'ny 85% amin'ny fiterahana no mandalo fandidiana (sezarienina). Tsy ela kory izay, ny hantsana goavana misy eo anelanelan'ilay isan-jato natolotra sy ny tena zava-misy dia niteraka adihevitra iray sy hetsi-panoherana tao Brezila. Tao amin'ilay hetsi-panoherana, nokiahan'ireo mafàna fo ny hoe: "Dokotera, aza manadala ahy ianao. Natao [mba] hampanankarena anao ny fandidiana " Caesarians"

Ekoatera: #LoxaEsMas, Tolo-kevitra Mitondra Fiovàna

  05 Jolay 2012

#LoxaEsMas ("Ambony kokoa i Loja") dia hetsika iray izay mety hamorona làlana vaovao hitaterana ny olana any Loja, Ekoatera amin'ny fampiasana ny teknolojia ho toy ny fitaovana fototra. Io hetsika io ihany koa no mandrisika amin'ny fikaroham-bahaolana tsotra ho fanatsarana ny tanàna.

Paragoay: Voaongana ny Filoha Fernando Lugo

  02 Jolay 2012

Araka ny nitateranay azy vao haingana, ny Loholona Paraguayana dia nandany ny fampiatoana ny Filoha Fernando Lugo amin'ny toerany. Ny mpampiasa aterineto dia naneho ny heviny eo amin'ny fivoaran'ny toe-draharaha ankehitriny ; raha ny sasany kosa, miaro io fampiatoana ny filoha io ho ara-dalàna sy araka ny lalàm-panorenana, ny hafa indray dia milaza fa fanonganam-panjakana io.