Araka ny tatitra nataonay vao haingana, dia nandatsa-bato mba hanalàna ny Filoha Fernando Lugo eo amin'ny toerany ny Loholona Paragoaiana taorian'ny fitsaràna maimaika natao. Ny Kongresy Paragoaiana koa dia nandany ny lalàna fampiatoana ny filoha, vokatry ny fomba nitantanany ny ady tany nisy teo amin'ny mpitandro filaminana sy ny campesinos (“tantsaha”), izay nahafatesana olona 17 (mpitandro filaminana fito sy tantsaha folo ).
Nisy solon-tenan'ny Firaisan'ny Firenena ao Amerika Atsimo tonga tany Paragoay mba hihaona amin'ny governemanta sy ny mpanohitra izay nanery ny fampiharana ny lalàna fampiatoana ny filoha. Ny UNASUR dia nampitandrina ny fisian'ny “fanonganam-panjakana ankolaka” sy ny vokatra mety ho entin'ny fampiatoana ny Filoha eo amin'ny fireneny.
Androany, ny Loholona izay fehezin'ny mpanohitra dia nandany tamin'ny isam-bato 39 no 4 fa meloka noho ny faharatsian'ny fitondrany i Fernando Lugo, araka ny tatitra nataon'ny gazety Paragoaiana ABC [es}. Fotoana fohy taorian'izay dia nanao fanambarana i Fernando Lugo fa manaiky ny fialàny.
Nisy fihetsiketsehana fanoherana nipoitra tampoka teo ivelan'ny Kongresy mampitovy io dingana io amin’ ny fanonganam-panjakana. Mpampiasa Twitter maro no nitatitra fifandonana [es] sy famoretana ataon'ny mpitandro filaminana [es].
Ny mpampiasa aterineto dia naneho mavitrika ny heviny ny amin'ny fivoaran'ny toe-draharaha ankehitriny.
Estela Nuñez Acosta (@Jesudi) dia mitanisa ny fehezanteny naverin'ny mpanao lalàna izay nandany ilay fampiatoana ny Filoha ary manampy hoe :
“Por la condena”.. todavía no puedo creer que algunos denunciados por corruptos y más pronuncien esta frase. #JuicioPolitico
Nandritra izay fotoana izay, Alfredo Morinigo (@alfmorinigo) [es] dia mibitsika hoe :
#Lugo se merecía el #JuicioPolitico Pero a tan solo 9 meses de la culminación de su mandato no veo la necesidad se hacer esto.
Momba ilay fitsaràna, Sergio Lahaye (@SergioLahaye) [es] dia nibitsika avy any Asunción renivohitra :
Angamba tsy mahalala na inona na inona aho, fa hatramin'izao, tsy hitako izay porofo fa meloka amin'ireo fiampangana ireo i #Lugo. Ireo mpanao politika fotsiny no mikiakiaka milaza azy ho izany.
Raha Lara Tomassi (@laratomassi) [es] kosa milaza hoe :
Se pusieron todos de acuerdo.. Tanto les costaba cuando trataban temas de salud, educación, transporte publico y demás precariedades?
Santiago Escobar (@santesgon) kosa dia maneho ny alahelony ny amin'izay zavatra fonosin'ity olana politika ity ho an'i Paragoay :
Destituyeron a #Lugo, estamos en boca de todos, tenemos riesgo de salir del Mercosur y Unasur. Pueden cerrar las fronteras#DesastreNacional
Mandritra ny filazan'ny mpanao famakafakana sy ny olom-pirenena sasany fa fanonganam-panjakana io, ny hafa kosa, toy ny mpanao gazety Santiago González (@SanTula) dia niaro ny maha araka ny lalàm-panorenana io lalàna fampiatoana ny filoha io :
El juicio politico es una via constitucional de destitución del presidente. Nuestra constitución es superior a tratados internacionales.
Ny Filoha Lefitr'i Fernando Lugo, Federico Franco, no handray ny toeran'ny Filoham-pirenena vaovao any Paragoay, ary hamafisin'i Myrian Jara (@My_Jara) fa hafa ny fizotran'ny raharaha raha toa ka nomen'i Lugo ny Lefiny ny fitondrana :
Desde un principio Federico Franco debia haber tomando el mando y Lugo haberle cedido su lugar y de ese modo esto no iba estar pasando.
Fa ny olona sasany, tahaka an-dry Fabiana Silva (@fabisilvarojas) dia tsy nankasitraka ny andraikitra vaovao sy ny lahatenin'i Frederico Franco tamin'ny Zoma :
Todo eso va a hacer en 9 meses? Discurso fuera de la realidad temporal. Por favor dejá de robar #Franco. Mi presidente no sos, no te elegí.
Ho vitany ao anatin'ny 9 volana ve ireo rehetra ireo ? Lahateny lavitry ny zava-misy ankehitriny izany. Azafady, ajanony ny halatra ry #Franco. Tsy Filohako ianao, tsy nifidy anao aho.
Hitondra hatramin'ny 2013 i Federico Franco, fotoana hahataperan'ny fitondran'i Fernando Lugo. Azo vakiana ao amin'ny Twitter miaraka amin'ny tenifototra #Lugo, #juiciopolítico,(“Fitsarana politika”), # apoyoaLugo, (“Manohana an'i Lugo aho”), #Paraguay ny tatitra misimisy kokoa sy ny hevitry ny olona sasany.