· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jolay, 2012

Gòatemala : Fanafihana Mahery Vaika Atao Amin'ireo Mpitolona

  22 Jolay 2012

Miha mitombo hatrany ny fanafihana mahery vaika atao amin'ireo mpitolona ao Gàatemala. Lolita Chavez, mpikambana ao amin'ny Fila-kevi-bahoaka K’iche , no niharan'ny fanafihana nataon'ireo andian-dehilahy mirongo fitaovam-piadiana izay niezaka namono azy rehefa avy namonjy fihetsiketsehana milamina manohitra ny fanararaota-pahefana amin'ny fitrandrahana sy ny tetikasa manimba ny tontolo iainana izy. Nanazava toy izao...

Pôrto Rikô: Namerina Indray Ny Adihevitra Mikasika Ny Fampiasana Fiteny Roa Any An-tsekoly

  22 Jolay 2012

Niteraka fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpanohana ary hatramin'ny mpanakiana ny fanambarana nataon'ny governemanta tao Pôrtô Rikô izay milaza fa manomboka amin'ny fidiran'ny taom-pianarana vaovao amin'ity volana Aogositra ho avy ity, ny fiteny ofisialy ampianarana ny kilasy rehetra any amin'ny sekolim-panjakana manerana ny firenena dia ovaina miandàlana ho amin'ny fiteny anglisy raha tamin'ny fiteny Espaniola izany teo aloha. Io fepetra noraisin'i Governora Luis Fortuño, dia niteraka adihevitra lehibe sy fanakianana avy amin'ny mpanohana ny governemanta, izay namerina indray ny adihevitra mikasika ny fiteny sy kolontsaina izay efa nisy fahiny tao Pôrtô Rikô. Mbola mitohy hatrany ny adihevitra any anatin'ny tambajotra sosialy sy bilaogy.

Puerto Rico: Tohana Mafonja Ho An'ny Tany Sy Ny Fambolena

  20 Jolay 2012

Maro ireo fikambanana samihafa nampitandrina momba ny fiankinan-doha ara-tsakafo mahazo an'i Puerto Rico ary ny maha-maika ny famelomana indray ny fambolena ao amin'ity firenena ity. Niaraka tamin'io antony io no nanaovana fihetsiketsehana hitakiana ny tsy hanerena ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico hanome ampahany amin'ny taniny ho an'ny kaominina ao Gurabo mba hananganana foto-drafitrasa.

Lahatsary: Internet Society Miresaka Ny Fahalalahana Miteny Sy Ny Sivana Iraisam-pirenena Eny Anivon'ny Aterineto

Handresy manoloana ireo fitaovana fanaraha-maso vaovao ve ny teknolojian'ny tsy fitononana anarana? Ary hampiroborobo ny demaokrasia va re ny teknolojia finday - sa hitarika bebe kokoa ho any amin'ny fihazàna sy fanaraha-maso misimisy kokoa? Resadresaka iray teo Washington, DC ny 25 Jona 2012 niarahana taminà mafàna fo 6 avy any Syria, India, Burkina Faso, Kambodza, Venezoela sy Azerbaijan no niezaka hamaly ireo fanontaniana ireo.

Ekoatera: Manao Veloma An’i George ilay Sokatra Manirery

  17 Jolay 2012

George ilay manirery avy ao amin’ny  nosy Galápagos  ao Ekoatera no sokatra  niangana farany tamin’ny karazany. Hita tamin’ny Asabotsy maraina 24 Jiona 2012 teo ny fatiny, tao amin’ny tokontany nonenany misy ny foibe fiompiana sokatra  Galápagos aoPoerto Ayora, Nosin’i Santa Cruz. George no sokatra farany amin’ny karazana Chelonoidis abingdonii, teo amin’ny faha-150 taonany...

Shily: Mananontanona ny lalàna manohitra ny fihetsiketsehana

  16 Jolay 2012

Niantso ny Kongresy hanaiky ny lalàna izay mitady sazy henjana kokoa ho an'ny mpanao fihetsiketsehana ny minisitry atitany Shiliana Rodrigo Hinzpeter, fanavaozana ny fadihevitra  tamin'ny herintaona tao an-toerana ihany izany. Nanomboka norafetina ilay lalàna taorian'ny diabe nataon'ireo mpianatra tao Santiago ny 28 Jona 2011, fihetsiketsehana izay niafara tamin'ny fifandonana mahery vaika...

Meksika: Manohitra ny Valim-pifidianana Ny Hetsiky ny Mpianatra #YoSoy132

  13 Jolay 2012

Nitohy naneho ny ahiahiny amin'ny valim-pifidianana vonjimaika, andro vitsivitsy taorian'ny fifidianana filoham-pirenena ny 1 Jolay teo, ireo mpiandany sy mpikambana amin'ilay hetsiky ny mpianatra #YoSoy132. Nanao voady ihany koa izy ireo ny hanohizany ny ezaka mba hanovàna ny fandaharana ara-politika sy handrisika ny fandraisan'anjaran'ny tanora. Fifidianana mangarahara tsy misy kolikoly ao amin'ny...