[Ny rohy rehetra dia amin'ny fiteny Espaniola raha tsy misy toromarika hafa]
Tao aorian'ny fiafaran'ny fampielezan-kevitr'ireo mpifaninana ho fidiana ho filoha, dia natao ny alahady 1 Jolay 2012 lasa teo ny fifidianana, ka izay tafavoaka mpandresy avy eo no ho Filohan'ny Firaisan'ny Fanjakan'i Meksika manaraka eo. Nifidy loholona 128 sy mpikambana 500 ho ao amin'ny parlemanta ihany koa ny Meksikana. Nandeha nifidy tsy nisy faneriterena na trangan-javatra ratsy lehibe niseho ny olona.
Amin'izao fotoana hanoratanay ity lahatsoratra ity, araka ny vaovao ôfisialy , na dia savaranonando aza, vonjimaika avy amin'ny vondrona mpanara-maso ny fifidianana any Meksika, ny Instituto Federal Electoral (IFE) dia amin'ny 90.82%n'ny vato voaisa, 63.14% ny salam-pavitrihana. Ny fanisana vonjimaika dia toa mirona mankany amin’ ny mpifaninana Enrique Peña Nieto [en] avy amin'ny fiaraha-mientan'antoko politika fantatra amin'ny hoe Compromiso por México (” Fifanarahana ho an'i Meksika”), miaraka amin'ny isam-bato 37.83%.
Ny mpifaninana avy amin'ny Fiaraha-mientana Progressive Movement Andrés Manuel López Obrador no nitàna ny toerana faharoa amin'ny isam-bato 31.88%, raha toa ka 25.48% no vato azon'i Josefina Vázquez Mota [en] avy amin'ny antokon'ny Filoha am-perin'asa, ny National Action Party (PAN). Ny mpifaninana avy amin'ny New Alliance Party, Gabriel Quadri, dia nahazo vato 2.32% amin'izao fotoana izao. Averina indray fa, araka ny IFE, dia vaovao ôfisialy io saingy vonjimaika, ary amin'izao fotoana hanoratanay izao, tsy mbola nisy mpifaninana nambara ôfisialy sy ara-dalàna ho mpandresy.
Ny manam-pahaizana manokana momba ny Lalàm-panorenana, Miguel Carbonell (@MiguelCarbonell) dia manasongadina izay mety hiseho mikasika ireo vokatra vonjimaika :
Los resultados oficiales los tendremos el miércoles. Lo que hay ahora son tendencias (aunque bastante consolidadas).
Fanampin'io, ny mpanoratra dia nilaza momba ireo fanehoan-kevitra teraka tanatin'ireo izay mieritreritra fa tsy ho lany ny mpifaninana tiany :
Es curioso que para muchos la única opción democrática es que gane su candidato. Si no gana, entonces no hay democracia #fail
Ny Filoham-pirenena Felipe Calderón (@FelipeCalderon) dia nilaza izao manaraka izao momba ny fifidianana :
Que México pueda votar en libertad es un privilegio que nos distingue como nación democrática y debemos conservarlo y valorarlo.
Na dia izany aza, niteraka resabe ny fiarahabana am-pahibe-maso an'i Peña Nieto nataon'ny Filoha am-perin'asa ny sasakalin'ny Alahady mialoha ny fifaranan'ny fanisam-bato. Ny mpomba ny antoko Democratic Revolution, (PRD, izay mpikambana ao amin'ilay fiaraha-mientana manohana ny mpifaninana Andres Manuel López Obrador) dia niampanga an'i Calderón ho nanao velirano tamin'ny antokon'i Peña Nieto, ny PRI : mety hanampy azy ireo i Calderón mba handresy amin'ny fifidianana ary setrin'izay dia tsy ho tsaraina izy noho ny fahafatesan'olona 60.000 vokatry ny ady nataony. Na dia tsy misy porofo mivaingana aza io velirano io, ny olona sasany dia mino fa ny fihetsika haingana nasehon'ny Filoha dia manaporofo fa tiany handresy ny PRI. Ho valin'izany, Adriano Valero (@adrianavr) dia niteny izao manaraka izao :
Que feliz se le va a Calderón anunciando la tendencia que le da ventaja a #EPN. Asegurando su impunidad. #PAN
Tato aoriana kely, io olona io ihany dia nilaza izao momba ny Filoha Calderón :
#Calderon: Espurio sin principios, que juró en la tumba de su padre derrotar al #PRI y hoy se vende a cambio de inmunidad. #EPN #PAN
Ny mpampiasa Twitter sasany dia nandroso lavidavitra kokoa. Kid A (@KID_A_OK) nanao izao fampitandremana izao :
Si hay imposición habrá Revolución @IFEMexico Elecciones 2012
Paula Sofia (@pauletta_sofia) dia nilaza fa nisy fomba fanao tsy ara-dalàna tamin'ny fividianam-bato, na dia tsy nosinganiny aza izay antoko nanao io hetsika io sady tsy nolazainy ihany koa raha nanao fitarainana ôfisialy momba io izy :
Espero q esos mil pesos por los q vendieron su voto les duren estos 6 años, ignorantes.
Gerardo (@todosarmados) dia nizara izao tsikera izao tamin'ireo mpanaraka azy, ka tanatin'izay no hita mibaribaryny fientanentanany tamin'ny androm-pifidianana :
Me emociona todo hoy, pero más ir a votar. Hasta me voy a bañar.
Facebrooker (@facebrooker) mpampiasa Twitter dia mampahatsiahy ny mpampiasa aterineto fa amin'ny rafitra iray tahaka ny an'ny Meksikana, ny fahefana mpanao lalàna no manaiky na manakana ny fanavaozana araka ny lalàna :
¿Saben a lo que debemos estar atentos? A las reformas que se debatan en ambas cámaras. Ahí es donde se hará crecer o no a México.
Nora Gabriela (@noravargas) dia mampahatsiahy fa nandritra ny fampielezan-kevitra, ny fanadihadiana ny hevitry ny olona dia nirona nankany amin'i Peña Nieto, izay ny vokatr'izany dia nidika fa ny mpanohitra azy dia niampanga azy ho nanaparitaka vaovao tsy marina na hoe : “voavidy”. Tamin'izay fotoana izay, izy (Nora Gabriela) dia nilaza ny fanekeny ny fironana hitan-dry zareo :
Y estaban compradas las encuestas? Admitanlo! Los mexicanos votamos y decidimos @EPN próximo Presidente d #Mexico2012 Viva la alternancia!
Sasantsasany amin'ny hevitry ny Meksikana taorian'ny fifidianana filoham-pirenena ihany ireo. Maneho ny fifangaroanà fomba fijery mifanohitra sy ny tsy hafalian'ireo izay nihevitra fa ny mpifaninana nofinidiny dia tsy handresy amin'ny fifidianana.
Araka ny efa voalaza tetsy ambony, dia mbola tsy misy vokatra tena izy izao ary ny IFE, ny vondrona mahaleotena momba ny lalàm-panorenana tompon'andraikitra amin'ny fikarakarana ny fifidianana dia mbola tsy nahavita ny fanisam-bato.