· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Mey, 2019

Venezoela: Mpisera Facebook notànana noho ny fandefasana sary “manakorontana” 

GV Mpisolovava  10 Mey 2019

Roa andro taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tany Venezoela, nosamborin'ny manampahefana i Andrés Rondón Sayago izay voalaza fa nanaparitaka ny sarin'ireo biletàm-pifidianana nodorana. Nilaza ny manampahefana fa nalaina nandritra ny fifidianana ny taona 2007 ireo sary  ireo fa tsy tamin'io fotoana io. Voampanga ho nizara ny sary tamin'ny "fikasana hanakorontana" i Rondón Sayago.

Amerika: Jery todika 2008

  07 Mey 2019

Nodarohan'ny tafika mitam-piadiana Kolombiana ny tobin'ny mpiady anaty akatan'ny Tafika Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia (FARC) miorina ao anatin'ny sisintanin'i Ekoadaoro, niteraka olana ara-diplomatika teo amin'ireo firenena roa tonta izany. Miaraka amin'ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez nandray anjara tamin'ny adin-teny, izay tsy ela dia nivadika ho krizy ara-tsisintany tanteraka.

Ny lazain'ireo blaogera Salvadoriana — tsy afa-miala amin'ny lasa

  05 Mey 2019

Mbola miseho any amin'ireo vaovao avy any El Salvador foana ny angatr'ireo ady an-trano nandritra ny roa ambin'ny folo taona nisy tany El Salvador. Voalohany, nisy aloha ilay tantara nikasika an'i Will Salgado, ben'ny tanànan'i San Miguel. Tamin'ny 29 Janoary, namoaka tantara fandrakofana mikasika ny vokatr'ilay ady an-trano ny Washington Post.