Venezoela: Mpisera Facebook notànana noho ny fandefasana sary “manakorontana” 

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2013 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niara-nosoratan'i Marianne Diaz sy Luis Carlos Díaz ity lahatsoratra ity .

Ny 16 aprily 2013, roa andro taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tany Venezoela, nosamborin'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsarana i Andrés Rondón Sayago, olom-pirenena izay voalaza fa nanaparitaka ny sarin'ireo biletàm-pifidianana nodorana. Nilaza ny manampahefana fa nalaina nandritra ny fifidianana ny taona 2007 ireo sary  ireo fa tsy tamin'io fotoana io. Nosamborina i Rondón Sayago ary voampanga ho nizara ny sary tamin'ny “fikasana hanakorontana”. Araka ny filazan'ny manampahefanan'ny Minisitera, mpiambina ao amin'ny fahitalavitra tsy miankina iray i Rondón Sayago. Nisioka ny Minisitry ny Serasera:

Nosamborina ny olona iray lasibatra nanaparitaka sary hosoka tamin'ny fitaovam-pifidianana nanomboka tamin'ny taona 2010 fa [nikasa] hanakorontana.

Fotoana vitsy taty aoriana, nisioka ny sary iray nampiseho an'i Rondón Sayago niaraka tamin'ity hafatra ity i Jorge Galindo, lehiben'ny seraseram-bahoaka ao amin'ny Ministeran'ny Atitany sy ny Fitsarana :

 

Nanaiky ilay lasibatra fa tamin'ny taona 2007 ny sary izay naparitany tany amin'ny tambajotra sosialy momba ny fitaovam-pifidianana .

Nisioka ny rohy mankany amin'ny lahatsary izay nalefa tao amin'ny fantsona YouTube A Toda Vida Venezuela (“Venezoela Feno Fiainana,” fandaharanasam-panjakana iray natao hampihenana ny asan-jiolahy) i Galindo tatỳ aoriana, izay nahitana an'i Rondón Sayago namoaka fanambarana ofisialy, nanambarany fa namoaka ny sary “tsy nahy ” tao amin'ny Facebook izy ary nangataka ny olona mba “hampiato ny famoahana ity karazana fitaovana ity” sy hisorohana ny asa “fampihorohoroana”. Azo jerena etsy ambany ny lahatsary.

Maro ny trangana sivana an-tserasera notaterina tany Venezoela tato anatin'ny taona vitsivitsy. Tamin'ny taona 2010, mpisera Twitter roa no notànan'ny polisy noho ny voalaza fa ” fampielezana tsaho” momba ny rafitry ny banky. Tamin'ny volana Martsa 2013, vehivavy iray no notànana noho ny siokany tamin'ny fanehoan-kevitra momba ny fahafatesan'i Hugo Chavez. Efa nahazo fahafahana narahina fepetra izy rehetra ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.