Mitaky Visa amin'ireo olom-pirenena amerikana i Bolivia

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2007)

Azo jerena amin'ny teny Espaniola ao amin'ny Blogs de Bolivia ny lahatsoratra

Tao anatina fanapahan-kevitra tsy nampoizina, nanambara ny governemanta Boliviana fa tsy hamela ny olom-pirenena Amerikana hiditra malalaka ao amin'ny firenena izy ireo raha tsy misy visa azo avy amin'ny kaonsilà. Nanonona ny fifampitondrana mifamaly sy ny ahiahy ara-piarovana, tsy maintsy mahazo visa alohan'ny hidirana ao Bolivia ny olom-pirenena amerikana rehetra, anisan'izany ireo Boliviana-Amerikana izay tsy mizaka zom-pirenena roa na ireo Boliviana teraka tany amin'ny firenena hafa. Takiana visa ny olom-pirenena Boliviana rehefa hiditra ao Etazonia ary matetika tsy mahazo izany ary olom-pirenena Amerikana no nidaroka baomba tao amin'ny hotely La Paz, na dia toa zava-nitranga maningana nataonà lehilahy marary saina aza izany. Ampy ho an'ny governemantan'i Evo Morales ireo fepetra vaovao mety hanan-kery amin'ny faran'ny volana ireo.

Bilaogera maro no tsy miombon-kevitra amin'io fanapahan-kevitra io. Ny sasany milaza fa hisy fiantraikany ratsy amin'ny fizahan-tany izany, satria mandany vola any Bolivia ireo mpizaha tany amerikana. Hugo Miranda aka Angel Caido [ES] tsy mihevitra fa toerana manintona loatra ho an'ny mpizahatany takiana antontan-taratasy be loatra i Bolivia. Mino izy fa afaka manararaotra izany ireo mpifanolo-bodirindrina Shily sy Però mba hisarika mpizahatany vaovao amin'ny karnavaliny manokana. Bilaogera El Alto, Mario Duran avy ao amin'ny Palabras Libres [ES] manontany tena hoe: “Rahoviana isika ao Bolivia vao hahafantatra fa afaka mampidi-bola bebe kokoa noho ny etona voajanahary ny fizahan-tany?”

Vitsy no naneho ny ahiahiny momba ireo olom-pirenena amerikana manana rohy manokana amin'i Bolivia, tahaka ilay boliviana-amerikana Miguel Buitrago avy amin'ny MABB, teraka tany Bolivia, ary efa olom-pirenena Amerikana ankehitriny. Monina any Alemaina amin'izao fotoana izao, mila mangataka visa izy mba hitsidika ny toerana nahaterahany.

Also, it will not only be burdensome for US tourists, it will also affect Bolivian-Americans. A person like me will have to get a visa to enter his or her own country. I can think of many of my friends who, ironically, will be able to contribute to Bolivia's economic growth by sending remittances, but will have to apply to visit Bolivia, and perhaps only get a permission to stay three months. I know people who go to stay for longer than three months.

Tsy ho enta-mavesatra ho an'ireo mpizahatany avy any Etazonia ihany izany, fa hisy fiantraikany amin'ny Boliviana-Amerikana ihany koa. Ny olona toa ahy dia tsy maintsy mahazo visa vao afaka hiditra ao amin'ny fireneny manokana. Afaka mieritreritra ny maro amin'ireo namako izay, mahatsikaiky, fa afaka mandray anjara amin'ny fitomboana ara-toekaren'i Bolivia amin'ny alàlan'ny fandefasana vola, saingy tsy maintsy mangataka visa raha hitsidika an'i Bolivia, ary angamba mahazo alalana hijanona telo volana monja. Fantatro ireo olona izay mijanona mandritra ny telo volana mahery.

Josh Renaud, teratany Amerikana nanambady Boliviana mivezivezy any Bolivia, nitanisa antony efatra izy fa ratsy ity fanapahan-kevitra ity, anisan'izany ny fihatsarambelatsihy. Nanamarika izy fa misy ireo firenena hafa toa an'i Kanada, Aostralia, Meksika, Honduras ary Venezoela izay mangataka amin'ireo olom-pirenena Boliviana mba hahazo visa, “Nahoana i Evo (filohan'i Bolivia) no tsy nangataka fitondrana mifamaly (samy mitaky visa) avy amin'izy ireo (indrindra fa i Venezoelà)? Satria tsy tena miraharaha loatra ny fifampitondrana mifamaly izy. Mazava fa ny “resiprocity” dia fialantsiny fotsiny raha manana politika manohitra ny US “

Na izany aza, mihevitra ny hafa fa zon'i Bolivia ny mampihatra toro-lalana fifampitondrana mifamaly. Sergio Asturizaga, izay mibilaogy ao amin'ny Así como me ves me tienes [ES] mihevitra fa hahita fomba hafa ireo mpizahatany te-ho any Bolivia na dia eo aza izany olana madinika izany.

Anisan'ny nankasitraka ny fanapahan-kevitra i Gustavo Siles ao amin'ny Almada de Noche [ES]. Ho an'ny iray hafa, manantena izy fa mety hahomby kokoa amin'ny asany ny kaonsilà Boliviana. Tsy tena nahomby ny traikefany niaraka tamin'ny kaonsilà ao Madrid.

Ny tamin'ny herintaona:

Amin'ny endriny vaovao amin'ny famintinana ny bilaogy isan-kerinandro, dia hijery ny zavatra noresahin'ny tontolon'ny bilaogy boliviana  tamin'ny herintaona isika.

Nanjaka tamin'ny resadresaka ny resabe “buzz” taorian'ny fifidianana, satria bilaogera Boliviana mpivady no vahiny tao amin'ny fandaharan'ny Radio Open Source momba ny Sosialisma Vaovao ao Amerika Latina. Ny hafa niresaka momba ny fitetezana izao tontolo izao ataon'ny Filoham-pirenena vaovao vao nofidiana ary mikasa hanao fitokanana tsy manam-paharoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.