Mihamafy ny krizy ara-politika ao Venezoela ary mitombo ny sivana antserasera

Manomboka ny famoriam-bahoaka ao Altamira, Atsinanan'i Caracas, toerana manokana ao amin'ny tanàna nalain'ireo mpanohitra ny governemanta. Sary avy amin'i Efecto Cocuyo, nahazoana alalana. 

Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny 30 Aprily ny tantara vaovao eo amin'ny tolo-pahefana ara-politika ao Venezoela raha niantso ny vahoaka hidina an-dalambe ny mpitarika ny mpanohitra, Juan Guaidò amin'izay faritany fa “dingana farany” amin'ny “Hetsika Fahalalahana”, ezaka hamaranana ny fitondran'i Nicolas Maduro.

Nampita ny hafany tamin'ny lahatsary nozaraina tao amin'ny Twitter i Guaidó, izay ahitana azy mijoro eo anoloan'ny vondrona miaramila manao fanamiana. Mijoro eny amin'ny farany aoriana kosa ny lehiben'ny mpanohitra Leopoldo López, mpanolotsaina ara-politikan'i Guaidó. Tsy ela dia nidina an-dalambe ireo mpanohana azy ireo tamin'ny 30 Aprily ary niverina indray tamin'ny 1 Mey.

Tao anatin'ny fotoana fohy, dia lasa tsy azo nidirana ny sehatra media sosialy lehibe, anisan'izany ny Twitter, Instagram, Facebook ary YouTube, ary tapaka avokoa ny fifandraisana CNN sy ny BBC.

Before “Operation Freedom”

On January 23, 2019, Guaidó, who is president of the National Assembly, invoked Article 233 of the Venezuelan Constitution to take presidential powers and call for elections. The National Assembly had denounced the government of Nicolás Maduro as illegitimate after he was inaugurated for a second term, following May 2018 elections that were widely considered to have been fraudulent.

“Operation Freedom” was intended to be the first of a three-part plan proposed by Guaidó in January 2019. This also became his mantra as a political leader: “end the usurpation, [form a] transitional government, and [hold] free elections”.

In February 2019, the United Nations still recognized Maduro as Venezuela's president, but 65 countries had recognized Guaidó as interim president.

Read more: A timeline of Venezuela's political deadlock

Talohan'ny “Hetsika Fanafahana”

Ny 23 Janoary 2019, nanonona ny Andininy faha-233 tamin'ny Lalàmpanorenana Venezoeliana i Guaidó, filohan'ny Antenimieram-pirenena mba handray ny fahefan'ny filoha ary mangataka fifidianana. Niampanga ny governemantan'i Nicolás Maduro ho tsy ara-drariny ny Antenimieram-pirenena taorian'ny nanokanana azy ho amin'ny fe-potoam-piasana faharoa, taorian'ny fifidianana ny volana mey 2018 izay heverin'ny maro fa feno hosoka.

Ny “Hetsika Fanafahana” dia natao ho voalohany amin'ny drafitra mizara telo natolotr'i Guaidó tamin'ny volana Janoary 2019. Nanjary “mantra”-any amin'ny maha-mpitarika politika izany: “mamarana ny fisandohana, [manangana] governemanta tetezamita, ary [manatontosa] fifidianana malalaka”.

Tamin'ny volana febroary 2019, mbola nankasitraka an'i Maduro ho filohan'i Venezoela ny Firenena Mikambana, saingy firenena 65 no nankatoa an'i Guaidó ho filoha vonjimaika.

Vakio bebe kokoa : Fandaharana momba ny olana ara-politika ao Venezoela

 

Araka ny filazan'ny fantsom-baovao tsy miankina Efecto Cocuyo, mitohy ny hetsi-panoherana any amin'ireo tanàna maro ao amin'ny firenena, ary nampiasa herisetra ny manampahefana mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana.

Namaritra ny sasany tamin'ireo hetsika tamin'ny 30 Aprily ny Caracas Chronicles, media iombonana:

The hardline anti-regime demonstrators resisted teargas at Altamira and several other places across the nation. Some were wounded—in some cases by gunfire. Protestors seemed exhilarated and were eager to stand their ground. It was impressive, as protestors cheered GNB officers who stood by them against the regime’s security forces. The video of a “Chavista” armored vehicle ramming protesters near La Carlota airbase became viral.

Nanohitra ny baomba mandatsa-dranomaso tao Altamira sy toerana maro hafa manerana ny firenena ireo mpanao fihetsiketsehana hiringiriny manohitra ny fitondrana. Naratra tamin'ny alalan'ny tifi-basy ny sasany. Toa tezitra ireo mpanao fihetsiketsehana ary naniry mafy hijoro hatramin'ny farany. Tena nahavariana, satria nankasitraka ireo manamboninahitra GNB izay nijoro niaro azy ireo manoloana ny mpitandro ny filaminan'ny fitondrana ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanjary niparitaka be ny lahatsary misy fiara mifono vy “Chavista” mamelively mpanao fihetsiketsehana eo akaikin'ny toby an'habakabaka La Carlota.

Manana olona antserasera mitady vaovao tsy tapaka ny “mpanara-baovao” ara-politika, ary manomana ny tenan'izy ireo amin'ny zava-tsarotra ho avy:

Mahakivy ny toe-draharaha any Venezoela. Miahiahy foana izahay. Nanomboka ny andro tamin'ny fanangonana rano betsaka araka izay vitanay izahay, eny fa na dia amin'ny vera aza. Namahana finday sy jiro izahay, nanomana ny entanay miaraka amin'ny sakafo ambifotsy. Tsy fantatro aloha hoe inona koa no tokony hatao. Handeha hiasa aho.

Miha-vitsy hatrany ny sakafo, ny rano ary ny herinaratra, toy ny fidirana amin'ny tambajotram-pifandraisana. Nahatonga ireo Venezoeliana maro ho ao anatin'ny fotoanan'ny fiahiahiana maharitra ireo antony ireo, miaraka amin'ny loza mitatao amin'ny fifandonana feno herisetra eny an-dalambe.

Fametrahana zavabita vaovao amin'ny sivana

Araka ny fanadihadiana nataon'ny mpikaroka momba ny sivana, Andrés Azpúrua, nametraka “zavabita vaovao amin'ny sivana” ho an'ny tenany i Venezoelà tamin'ny 30 Aprily sy 1 Mey, satria sampandraharaha momba ny serasera sy fantsom-pahitalavitra maromaro no lasa tsy azo nidirana tao amin'ny firenena, manamafy ny famerana ny tontolon'ny haino aman-jery efa voafetra mafy ao amin'ny firenena.

Androany no fotoana mana-tantara ho an'ny sivana sy ny fanakanana [tranonkala] ao Venezoelà. Indrindra amin'ny aterineto.

Iray amin'ireo andro izay nitomboan'ny sivana izany ary nampiseho fahakiviana bebe kokoa ny [paikady] noho ny teknika fanakanana samihafa nampiasaina nandritra ny andro.

Nitatitra ny Ivotoerana Venezoeliana misahana ny Gazety sy ny Fiarahamonina fa tamin'ny 30 Aprily, sarotra nidirana tao amin'ireo mpamatsy tolotra aterineto lehibe indrindra ao amin'ny firenena – Digitel, Movistar ary ny CANTV orinasa fehezin'ny governemanta ny Twitter, Instagram, Facebook, Periscope, YouTube ary Google. Sarotra nidirana tamin'ny alalan'ny CANTV ny WhatsApp (angamba ny sehatra fifampiresahana lehibe indrindra ho an'ny Venezoeliana) sy ny Telegram.

Nitatitra ny vondrona mpikaroka momba sivana amin'ny aterineto, NetBlocks fa naverina tamin'ny laoniny ny tolotra 20 minitra talohan'ny kabarin'i Nicolás Maduro tamin'ny volana Mey

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.