Kolombia: Fanehoan-kevitra Tao Amin'ny Twitter Taorian'ny Fivorian'ny FFA Manokana Momba an'i Venezoela sy Kolombia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay taona 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandritra ny tapa-bolana lasa izay, tao anatin'ny fifandonana ara-diplomatika i Kolombia sy Venezoela noho ny fiampangan'ny governemanta Kolombiana ny fisian'ny vondrona ivelan'ny lalàna (FARC sy ELN indrindra indrindra) ao amin'ny firenena mpifanolo-bodirindrina aminy. Noresahana manokana tamin'ny fivoriana tao amin'ny Fikambanan'ny Fanjakana Amerikana (FFA) ny olana, ka naneho ny fomba fijerin’ izy ireo tamin'izany ireo ambasadera avy amin'ny firenena roa tonta. Nandritra ny fotoam-pivoriana, navitrika naneho ny hevitr'izy ireo ny Kolombiana mampiasa Twitter, izay nahitàna hevitra samihafa manomboka amin'ny fampitahàna ny ambasadera Kolombiana amin'ny mpivarotra hatramin'ny fanakianana ny fitsabahany, raha niresaka momba an'i Kolombia mampiseho fandrosoana noho ny fihenan'ny isan'ny herisetra izy. Na izany aza, nanohana azy ireo mpiserasera sasany.

Ity famintinana ny hevitra hita tao amin'ny tontolon'ny Twitter Kolombiana:

David (@pollohipnotico):

RT @LilyMalone Yo quiero vivir en el país del que habla Hoyos. ¿Alguien me dice dónde queda? #OEA // + 45'000.000

RT @LilyMalone Te honina ao amin'ny firenena resahin'i Hoyos [ambasadaoro Kolombiana] aho. Misy olona afaka milaza amiko ve hoe aiza izany? #OEA [OAS] // + 45'000.000.

Javier A. Fernández (@javi270270):

Ese colombiano habla como loro y no presenta ni una prueba……

Miresaka toy ny boloky izany Kolombiana izany [midika hoe, be resaka izy] ary tsy mampiseho porofo….

Sisifo Roca: (@SisifoRoca):

Coloquialismo montañero y parroquial totalmente fuera de contexto en un foro internacional donde la dignidad del país debería enaltecerse.

Tsy misy toerana velively ho an'ny lahateny mahazatra be loatra ao amin'ny fifanakalozan-kevitra iraisam-pirenena izay tokony hanandratana ny fahamendrehan'ny firenena

Juliana Salazar (@chefjulianin):

Esta presentación ante la OEA es como sacar la tarea de un postgrado de wikipedia.

Ity fampahafantarana eo anoloan'ny FFA ity dia tahaka ny manao enti-mody ho an'ny mpianatra taona fahatelo mampiasa Wikipedia.

Johanna Colmenares H (@ColHe)

Excelente la presentación del Sr. Hoyos en la asamblea de la #OEA

Fampahafantarana mahafinaritra avy amin'Atoa Hoyos tamin'ny fivorian'ny FFA

Farid Urrutia (@faridurrutia):

Excelente presentación del embajador Hoyos sobre la evidencia de los campamentos guerrilleros en Venezuela #OEA #asisehablanojoda

Fampahafantarana mahafinaritra avy amin'ny ambasadera Hoyos momba ny fisian'ny porofon'ny tobin'ny mpiady anaty akata ao Venezoela

Andrés david Aparicio (@adapar)

#OEA la presentación parece esas sesiones interminables de “miremos las fotos de mis vacaciones”

Tahaka ireo fivoriana tsy mety tapitra “jereo ny sarin'ny fialan-tsasatro” ny fampahafantarana natao tao amin'ny #FFA

Victor Solano (@solano):

Lo de hoy en la #OEA debe hacer parte de celebraciones del #bicentenario porque nos recuerda la fragilidad de nuestros gobiernos

Ny zava-nitranga androany tao amin'ny #FFA dia tokony ho anisan'ny fankalazana ho an'ny #bicentenario [faha roanjato taona] satria mampahatsiahy antsika ny faharefon'ny governemantantsika izany.

CatalinaporDios (@catalinapordios)

dice Colombia en la #OEA sabemos que están en Venezuela, lo vimos en youtube JAJAJAJAJA

Nilaza i Kolombia tao amin'ny #FFA hoe fantatray fa ao Venezoela izy ireo, hitanay tao amin'ny youtube izany HAHAHAHA

Taorian'ny fivoriana nataon'ny FFA, nanapaka ny fifandraisana tamin'i Kolombia ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez

Joaly Padilla (@joaly25)

#OEA Me averguenza la ligereza con q el gobierno venezolano ha tomado lo ocurrido hoy en OEA. Afectados: los pueblos hermanos de VZLA y COL

Mahasadaikatra ahy ny fomba maivana nandraisan'ny governemanta Venezoeliana ny zava-nitranga androany tao amin'ny FFA. Ny voakasika: vahoaka mpifanolo-bodirindrina ao Venezoela sy Kolombia.

Julieth Beltrán (@JuliethBlues):

Y las relaciones rotas a quien más nos afecta es a nosotros los que vivimos en la frontera, el comercio acá está jodido.

Ireo izay tena voakasiky ny fifandraisana tapaka dia isika izay monina ao amin'ny sisintany, simba ny fihariana aty.

Orlando (@DanielitoBang) :

Más de 2000 muertos enterrados en una fosa común AL LADO DE UNA BASE DEL EJÉRCITO COLOMBIANO. Eso NO nos indigna.

Maherin'ny 2000 ireo nalevina amin'ny fasana iombonana EO AKAIKIN'NY TOBY MIARAMILA kOLOMBIANA. TSY manelingelina antsika izany.

Alejandra Ortega (@AlejitaO)

Para mi merece más atención la Fosa común que la #OEA, romper relaciones con Venezuela es cosa de cada semana.

Araka ny hevitro, mendrika fiheverena kokoa ny fasana iombonana noho ny FFA, fisehoan-javatra isan-kerinandro ny fanapahana fifandraisana amin'i Venezoela.

Andrés Zorro (@ZorroDG)

Ahora no falta todo ese montón de intolerantes colombianos y venezolanos atacándose entre ellos con la excusa de “patria”.

Ankehitriny, misy ny vondrona Kolombiana sy Venezoeliana tsy mahay mandefitra mifanafika eo ambanin'ny fialan-tsinin'ny “tanindrazana [na fitiavan-tanindrazana]

Cheshire Cat (@_Cheshire_Cat_):

Chávez está muy loco, pero también están muy locos los colombianos que quieren una guerra con Venezuela

Tena adala i Chávez, saingy tena adala ihany koa ny Kôlômbiana izay maniry ady amin'i Venezoela

Sisifo Roca (@SisifoRoca):

Ahora: Chávez rompe con Uribe. Prox. Santos arregla con Chávez. Sig. Chávez rompe con Santos. Cont. USA invade VEN.

Ankehitriny: manapaka ny [fifandraisana] amin'i Uribe i Chávez. Manaraka [:] Mandamina ny zava-misy amin'i Chávez i Santos. Avy eo [:] Manapaka ny [fifandraisana] amin'i Santos i Chàvez. Ary avy eo [:] Manafika an'i Venezoelà i Etazonia

Labobadaliteraria (@bobadaliteraria)

Celebre el bicentenario, arme una guerra.

Ankalazao ny faha roanjato taona, manomboha ady
Nadikan'i Silvia Viñas tamin'ny teny Anglisy ity lahatsoratra ity. Ny hajia-tsary dia avy amin'ilay mpisera Flickr , Globovisión, zon'ny mpamorona: Creative Commons.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.