(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Iray amin'ireo vondrom-piarahamonina voalohany nandositra ny fanandevozana Afrikana nandritra ny Fanjanahan-tany Espaniôla ny tanànan'i San Basilio de Palenque, tanàna kely iray any avaratr'i Kolombia. Miasa amin'ny fitehirizana ny vakoka ara-kolontsainy ry zareo, sy ny fiteny Palenquero, fiteny Kreola Espaniola izay tombanana ampiasain'ny olona miisa 2.500. Tamin'ny alàlan'ny tantaram-panandevozana nifindra tamin'ny taranaka nifandimby, sy ny fomban-drazana ara-mozika voatahiry, toa nitondra ny kaontinanta Afrikana ho any amin'io zoron'i Kolombia io ity tanàna ity.
Niresadresaka tamin'i M. Elena Salgado, mponina ao an-tanàna ny bilaogy Azadón de Palo [es] ary namaly ny fanontaniana hoe, “Manao ahoana izany hoe monina ao San Basilio de Palenque izany?“
Es un lugar pequeño, donde todos nos conocemos. Somos generaciones de todas las familias, desde las primeras que se refugiaron en los Montes de María (así se llama la zona que rodea a San Basilio). Nuestras casas son humildes, hechas con material que nos da la naturaleza; tierra, bahareque, tapia y cemento a la vista. Nuestros techos son de palma y lata, que ayuda a refrescar y soportar el calor.
Manako ao an-tanàna ny feon'ny Afro-Kolombiana, ary marobe ireo seha-piarahamonina te-hanafatra. Nahatonga ny bilaogy Colombian Passport [es] hamoaka izao andalana manaraka izao momba ity tantara ity:
Lo que bien se sabe acerca de los colombianos negros es que son las personas descendientes de los que fueron traídos como mercancía, forzados por las compañías negreras europeas entre los siglos XV y XVIII a todo el territorio de las Américas.
Patricia Quintero Barrera ao amin'ny bilaogy Etnicográfica [es] nanoratra hoe:
La Afrocolombianidad o Identidad étnica Afrocolombiana es el conjunto de aportes y contribuciones, materiales y espirituales, desarrollados por los pueblos africanos y la población afrocolombiana en el proceso de construcción y desarrollo de nuestra Nación y las diversas esferas de la sociedad Colombiana. Son el conjunto de realidades, valores y sentimientos que están integrados en la cotidianidad individual y colectiva de todos nosotros y nosotras. La Afrocolombianidad es un patrimonio de cada colombiano(a), indistintamente del color de la piel o el lugar donde haya nacido.
Farany, ao amin'ny fantson'i Asabbagh ao amin'ny YouTube, misy ny lahatsary fanadihadiana mampiseho an'i San Basilio de Palenque ankehitriny, fiarahamonina izay nambaran'ny UNESCO fa tsy lasa Sangan'asan'ny Lova Am-bava sy Tsy azo tsapain-tanan'ny Olombelona fotsiny tsy amin'ny antony.