Ny Herinandron'ny Global Voices Podcast: Ny Asanao Fotsiny Atao Ry Akama a!

Rosia sy Madagasikara no itondranay anao amin'ity herinandro ity. Miresaka amin'ilay mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ihany koa izahay momba ireo hetsiky ny polisy tao Singapaoro nataony tamin'ireo mpikatroka mafàna fo tao amin'ny Facebook noho ny zavatra nosoratan'izy ireo, tsy ela akory izay. Taty aoriana kely izahay dia nifampitafa mivantana tamin'i Marianne Diaz Hernandez, mpandray anjara ato amin'ny Global Voices momba ny gejan'ny fahatapahan'ny herinaratra mhatra amin'ireo fifandraisana fototra sy ny fanohintohinana ny fahafahana maneho hevitra ao Venezoela.

Fisaorana betsaka no atolotra ireo mpandray anjara mpanoratra, mpandika ary mpamoaka lahatsoratra ato aminay, izay manampy manao izay nahatanteraka azy ireny. Ity andiany ity dia manasongadina ireo tantara avy amin'i Kevin Rothrock ,Rezwan, Lova Rakotomalala, Kirsten Han ary Marianne Diaz Hernandez.

Tato anatin'ity ampahan'ny Herinandron'ny Global Voices ity, nasongadinay ny mozika nampiasàna ny lisansa Creative Commons avy amin'ny tahirin'ireo mozika malalaka “Free Music Archive”, nahitàna ny Please Listen Carefully an'i Jahzzar; Cloud Burst an'i Kai Engel, Indian Spice an'i Podington Bear; Masculine an'i David Szesztay sy The Fresh Monday an'i Dexter Britain.

An'i Edu Alarcón tao amin'ny Flickr ny sarikely Soundcloud nampiasaina teto, ary nampiasàna ny lisansa Creative Commons (CC BY 2.0) ny famerenana namoaka azy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.