Pôrtôrikàna No Ankamaroan'ireo Namoy Ny Ainy Tamin'ilay Vonomoka Tao Orlando

"Solidarity against inhumanity." Illustration by artist Kike Estrada in honor of the victims of the Orlando massacre. Taken from his website, planetakike.com. Used with permission.

“Firaisankina manohitra ny habibiana.” Sary fanaingoana avy amin'ilay artista Kike Estrada, ho fanomezana voninahitra ireo niharan-doza tamin'ilay vonomoka tao Orlando. Nalaina tao amin'ny tranonkalany planetakike.com. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Vao tamin'ny ora voalohany taorian'ny nivoahan'ny vaovao momba ilay vonomoka tao Orlando, izay namonoan'ilay mpitifitra antsoina hoe Omar Mateen olona 49 sy naharatràna 53 hafa noho ny hetsika fankahalàna olona LGBTQ, dia nazava fa Amerikàna Latina no ankamaroan'ireo namoy ny ainy tamin'iny andro iny. Saingy tsy niandrasana ora maro, taorian'ny fanamarinana ny anaran'ny maro tamin'ireo niharan-doza, hoe mazava fa Pôrtôrikàna ny ankamaroan'ireo Latinas sy Latinos  — 23 tamin'ireo 49 maty.

Ho an'ireo Pôrtôrikàna, ,mbola goavana kokoa aza angamba ny loza nitranga. Efa ho ampolo taona maro i Orlando no iray amin'ireo vondrom-piarahamonina be Pôrtôrikàna indrindra any Etazonia, amin'ny maha-toerana malaza falehan'ireo mpifindra monina mikaroka asa tsaratsara kokoa sy fiainana tsaratsara kokoa ho an'ny fianakaviany. Iray amin'ireo antony aroson'ireo Pôrtôrikàna ho mahatonga azy hifindra monina mankany Etazonia ny fitadiavana vohitra sy mpiray vodirindrina mba azo antoka kokoa hiainana, noho ny fitomboan'ny herisetra ateraky ny heloka bevava ao Porto Rico tato anatin'ny taona vitsivitsy lasa. Tsy isalasalàna, marobe tamin'ny olona maty no mpifindra monina nankany mba hitady fiainana tsara kokoa ary angamba nahatsiaro fa mba nahatsapa ho tsara antoka sy nilamina kokoa.

Raha nanoratra ho an'ny 80 grados, ilay tranonkalam-baovao tsy mikatsaka tombony ara-bola , nohazavain'ilay Pôrtôrikàna pelaka mpikatroka mafàna fo, Yoryie Irizarry, ny antony ahatsapàna lalina kokoa ny hirifiry naterak'ireny fahafatesana ireny eny anivon'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ :

La discoteca para muchos y muchas de nosotras, es ese espacio más seguro que la casa familiar. Fue en una discoteca donde descubrí, sorprendido y emocionado, que hombres pueden bailar con otros hombres, y mujeres con mujeres. Fue en una discoteca donde muchos aprendimos a bailarnos, seducirnos y rozarnos sin miedo de que nadie nos juzgue. Es en una disco donde muchas veces “soltamos la trenza”, nos liberamos de ese corset ideológico patriarcal que dicta cuáles serán cada uno de los movimientos y expresiones permitidos de acuerdo a los genitales. Para muchas y muchos de nosotros la discoteca representa ese espacio seguro para protegernos en los tradicionales días festivos. Allí nos reunimos luego de la aburrida cena familiar de “Thanksgiving” o los festejos familiares de Nochebuena o Navidad. En la disco somos libres para ser quienes somos. Es por eso que este ataque homofóbico a nuestros hermanos y hermanas en Orlando se siente tan personal. Conocemos los lazos de amistad, sensualidad y amor que nos unen en la barra, las experiencias fraternales, los chistes, la música que compartimos cuando bailamos y reímos libres para ser quienes somos, lejos de la mirada juzgadora de aquellos y aquellas que nos odian.

Ho an'ny maro aminay, toerana iray azo antoka io klioba io noho ny any an-tokantrano aza. Klioba iray hitako izy io, nahazendana sy nanaitaitra ahy, hoe ny lehilahy afaka miaraka mandihy miaraka aminà lehilahy hafa, ary ny vehivavy mandihy miaraka amin'ny vehivavy hafa. Io klioba io no toerana iray nianaran'ny maro taminay tsirairay avy nandihy miaraka, nifambabo fo amam-panahy ary nifampikasoka tsy amin-tahotra ny hotsarain'ny hafa. Klioba iray izay “namelànay ny volonay hikiraviravy”, tsy voafatopatotry ny firehankevitra ideolojika sy anjakan-dehilahjy izay mibaiko ny tsirairay momba izay fihetsika rehetra sy fiteny azo atao arakaraky ny maha-lahy na vavy anao. Ho an'ny maro aminay ilay toerana fandihizana dia maneho toerana iray azo antoka miaro anay mandritry ny fety fanaonay. Mifamory ao izahay aorian'ny sakafo harivan'ny fetim-pianakaviana Thankgiving mankaleo, na ny fetim-panakaviana rehefa alin'ny Krismasy na ny andron'ny Krismasy. Ao amin'ilay klioba izahay malalaka amin'izay tianay ho asiana ny tenanay. Izany no mahatonga io fahafihana noho ny fankahalàna olona nanjo ireo rahalahy sy anabavinay tao Orlando io ho toy ny mihatra amin'ny tena manokana. Fantatray ny fatoran'ny finamànana, ny fijejoana ary ny fitiavana izay mampiray anay ao anatin'ilay toerana fisotroana, ny fiainana ny firahalahiana, ny vazivazy, ny mozika izay ifampizarànay rehefa mandihiy sy mitokelaka, malalaka ny ho iza na ho iza, lavitry ny topimaso feno fitsaràna ataon'ireo mankahàla anay.

Tany amboalohany fony tsy mbola nohamafisina ny fiaviana ara-poko sy kolontsain'ireo niharan-doza, i Nelie Lebrón Robles, mpampiasa Facebook dia nanao izao fanamarihana mampihetsi-po manaraka izao momba ny zoro mbola tsy voatrandrak'ireo mpilaza vaovao mahazatra, tamin'ny fotoana nanoratana azy ity:

Al final del día, no solo la comunidad gay, sino la comunidad latina, en especial puertorriqueña, habrá sido víctma protagónica de este trágico suceso en Orlando. Entonces me pregunto, ¿la nacionalidad predominante de las víctimas no tendrá que ser también un factor a tomar en cuenta? Esto ocurrió en la noche latina del club Pulse. Sin que se haya divulgado oficialmente los nombres de todos los fallecidos, ya conocemos de 3 víctimas puertorriqueñas… ¿cuántos más serán boricuas? Todos hablan de lo obvio: crimen de odio anti gay, terrorismo radical islámico… pero no hemos escuchado la posibilidad de que las víctimas también hayan sido seleccionadas por su procedencia latina.

Rehefa hifarana ny andro, tsy hoe ny vondrom-piarahamonin'ireo pelaka ihany, fa ireo Latino ary indrindra fa ny Pôrtôrikàna, no ho mpandray anjara ao anatin'ireo niharan-doza tamin'io zavadoza tao Orlando io. Ary dia manontany tena aho, mety ho singa tokony horaisina anaty fiheverana ve ny zom-pirenen'ireo niharan-doza? Tao anatin'ny Alina Latino natao tao amin'ilay toerana fandihizana izy ity no nitranga. Na dia tsy naboraka ofisialy aza ny anaran'ireo rehetra maty, fantatray ny telo tamin'ireo Pôrtôrikàna niharan-doza… Mbola firy no boricuas [Puerto Rican] fanampiny? Zavatra mazava be no resahan'ny rehetra: heloka bevava tsy fitiavana pelaka, fampihorohoroan'ny silamo mahery fihetsika… Saingy tsy rentsika hoe mety ho noho ny fiaviana Latino nananan-dry zareo no nisafidianana azy.

Voamarina ny antony nanosika an'i Mateen, ary izay fantatra dia manome sary manahirana. Hatreto, tsy misy porofo milaza fa teo ambany fibaikoan'ny vondrona mpanao asa fampihorohoroana i Mateen, na dia efa nisy fanadihadiana momba azy aza nataon'ny FBI noho ny filazana azy ho nanana fifamatorana tamin'ireo vondrona toy ny ISIS, ny mandatehezana al Nusra (rantsan'ny al Qaeda) ary ny Hezbollah. Saingy, araka izay efa navoitra, mampiasa saina ihany io satria tsy mifanara-tsaina ireny vondrona ireny. Mino ireo manampahefana fa ny fanazavana mety ho azo raisina dia i Mateen izy tenany no nisafidy ny ho radikaly.

Ireo olona nahafantatra azy no nilaza tamin'ny mpanao gazety fa nanana olana amin'ny resaka hatezerana sy fankahalàna pelaka, fanavakavahana ary tsy fitiavana vehivavy izy. Na izany aza, imbetsaka i Mateen, no efa hita tao amin'ny Pulse, ilay toerana fandihizana amin'ny alina, tany aloha tany, ilay toerana nisian'ny fitifirana, klioba malaza ho an'ireo pelaka. Voalaza ihany koa fa nampiasa ilay fampiasa hifanaovan'ny pelaka fotoana izy, hilazana fa angamba ny fifanoherana anaty tao aminy momba ny ara-pananahany no ampahany nitarika azy hanao herisetra mahatsiravina tahaka izany.

Na inona na inona antony nanosika azy, ny zavamisy dia lasa olana mitranga matetika mampiasa saina any Etazonia ny fitifirana faobe, ary ny kofehy iraisana ho azy rehetra ireny dia ny fahamoràn'ny fahafahan'ireo mpanafika mahazo fitaovam-piadiana. Tsy maintsy maka fijery hentitra, ary tsy miangatra momba ny aminy i Etazonia amin'izay toerana hisy azy momba ity olana ity raha mbola tokony sorohana tsy hitranga ny zavadoza toy iny amin'ny hoavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.