Nanatanteraka ny diabe fanao isan-taona ho an'ny Tompon'ny Fahagagana i Pero

Isaky ny volana oktobra, ao an-drenivohitr'i Però – Lima – no ahitana loko volomparasy, arahan'ny sarin'ilay Tompon'ny fahagagana izay ankalazaina amin'ny alàlan'ny diabe ny 18, 19 ary 28 oktobra. Mandray anjara amin'izany diabe izany avokoa ny olona rehetra avy amin'ny foko sy saranga samihafa.

Tokony ho tamin'ny taona 1651, nivondrona ny andevo mainty hoditra avy any Angola ary nanangana toerana iray hifandraisan'izy ireo tao Pachacamilla, miala kely an'i Lima. Teo amin'ny rindrina anankiray tamin'izany toerana izany no nanaovan'ny andevo iray tsy fantatra anarana ny sarin'i Kristy voahombo teo amin'ny hazo fijaliana. Notanterahany tamin'ny alalan'ny haben'ny finoany io sary nataony io.

Efatra taona taty aoriana, tamin'ny taona 1655, nisy horohorontany namely an'i Lima sy ny tanàna manakaiky azy atao hoe Callao. Maro ny trano nianjera tamin'izany, ary anisan'ireny ny rindrina tao amin'ny tanànan'ny firahalahiana tao Pachacamilla – afa-tsy ilay rindrina nisy ny sarin'i Kristy voahombo ihany no mbola niloko tsara.

Tamin'ny oktobra 1687, nisy horohorontany mahery indray namely an'i Lima sy Callao, ary anisan'ny nianjera ilay rindrina nisy ny sarin'i Kristy. Kanefa mafy be ilay sary ka tsy potika. Nolokoina tamin'ny loko menaka ilay izy avy eo, ary nolanjaina manerana an'i Pachacamilla natao tao anaty filanjana ka nivavahan'ny olona sy nanolorany tena.

Nonomboka hatreo, isaky ny volana oktobra dia entina manodidina ny tanàna tahaka izany foana ny sarin'ilay Tompon'ny Fahagagana, arahan'ireo mpino aman'arivony maro. Manao akanjo volomparasy ny vehivavy asiana fehikobo fotsy, ary manao fehitenda volomparasy kosa ny lehilahy.

Lanjain'ireo mpikambana ao anatin'ny Firahalahiana ho an'ny Tompon'ny Fahagagana ny filanjana misy ilay sary, milanja azy koa ny relijiozy ahitana mpikamnana eo ho eo amin'ny 5 000 eo izay mizara amin'ny toby 20, ireo rahalahy hajaina rehetra, ary mpihira roa : cantoras sy sahumadoras (antokompihira vehivavy sy ireo mpandoro menaka manitra). Olona manokana tendren'ny arisevekan'i Lima no mpitarika azy ireo.

Ireo Sahumadoras nizotra tamin'ny Diabe. Saripikan'ilay mpandray anjaran'i Global Voices Isabel Guerra, nahazoana alalana.

Tahaka ny mahazatra dia nanaraka ny diabe koa ireo bilaogera sy mpampiasa twitter marobe.

Ny bilaogy Historia y fotos [es] mamerina ny tantaran'ilay sary ary mizara amintsika ny zavatra nitranga rehetra manodidina izany sary izany:

Entre el 6 y el 12 de setiembre de aquel año llegó a la ermita de Pachacamilla una comitiva, que incluía un pintor que acercó su escalera a la pared y extendió su mano con la brocha para borrar la venerada imagen de Cristo. En ese momento sufrió un desmayo y tuvieron que sostenerle para que no cayera. Al recuperarse lo intentó de nuevo, pero al darle el primer brochazo, quedó paralizado, después de lo cual se negó rotundamente a intentarlo de nuevo.

Un alarife lo intentó voluntariamente, pero también quedó paralizado. Luego nadie se atrevió a intentarlo. En ese momento se oscureció el cielo y comenzó una gran lluvia, como nunca se había visto en Lima.

Los devotos testigos de aquellos sucesos murmuraban que eran señales de Dios, que no quería que se borrara la imagen.

Tamin'ny 6-12 septambra tamin'ity taona ity dia nisy vaomiera tonga tany amin'ny toerana manatantara Pachacamilla, anisan'ireny ny mpandoko iray izay nanankina ny tohatra fiasany teo ampototry ny rindrina ary saika handoko ilay sary. Torana teo anefa izy ary nifamonjena tsy hianjera. Avy eo dia niezaka nandoko indray izy saingy lasa nalemy ary tsy nety namerina nanandrana fanintelony intsony izy avy eo.

Nisy mpanangatrano hafa koa nanandrana tahaka izany fa lasa nalemy koa izy. Tsy nisy olona sahy nanandrana intsony avy eo. Avy eo nanjombona tampoka ny lanitra ary avy be ny orana, ary tsy mbola nisy tahaka izany tany Lima. Mpino maro no nilaza fa famantarana avy amin'Andriamanitra ireo zava-nitranga ireo, tsy tiany hofafana ilay sary.

Marihina fa tsy misy oram-be izany any Lima fa erika fotsiny ary mitsahatra izany rehefa afaka ora maromaro.

Ny bilaogy Universidad 21 [es] mampilaza ny antsipirian'ny làlana rehetra holalovan'ny diabe ao Lima, miaraka amin'ny sarintany.

Hita saika manerana ny firenena rehetra io hafanampo io, tahaka ny hita ao Tacna. Ny bilaogy Tacnesos mizara ny vaovao rehetra mandritra ny diabe:

En octubre, mes morado. Como todos los años cientos de fieles, acompañan a la imagen del Señor de los Milagros en su recorrido procesional. Este es el recorrido procesional del Señor de los Milagros para el 18 y 28 de octubre en la ciudad de Tacna.

Volana oktobra, volana volomparasy. Tahaka ny isan-taona, mpino aman-jatony maro no manaraka ny diabe miaraka amin'ny sarin'ny Tompon'ny Fahagagana. Sarin'ny Tompon'ny Fahagagana natao tao an-tanànan'i Tacna ny 18 sy 28 oktobra.

Mikambana ao amin'ny Mpianadahin'ny Tompon'ny Fahagagana. Saripikan'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices Isabel Guerra, nahazoana alalana.

Mandritra izany rehetra izany dia manana ny heviny ny mpisera twitter .

Ilay mpilalao sary mihetsika Jesús Neyra (@Jesusneyra) [es] mametraka fanontaniana:

@Jesusneyra: Señor de los milagros q recorres nuestras calles 🙂 #mesmorado #espiritumorado mi deseo te lo mando ya?

@Jesusneyra: Tompon'ny Fahagagana mamakivaky ny tanànany 🙂 #mesmorado [volana volomparasy] #espiritumorado [fanahy volomparasy] hamboraka ny faniriako aminao ve aho?

Ary Karen Ruiz (@karen_rfer) [es] manontany azy:

@karen_rfer: @Jesusneyra alla en usa hay procesion?porq aca en buenos aires si hay todos los años voy con mi familia,no es como en Peru pero es muy lindo.

@karen_rfer: @Jesusneyra misy diabe tahaka izao ve any Etazonia? Aty Buenos Aires misy. Miaraka amin'ny fianakaviako aho isan-taona. Tsy mitovy amin'ny any Pero fa mahafinaritra koa.

Juanpi Pozú Pflucker (@juanpipp) [es] nandefa sary ho an'i Jesús Neyra:

@juanpipp: @Jesusneyra para ti hermano, la tomé hace un rato… Éxitos y exageraaa! pic.twitter.com/lEpUFMYu

@juanpipp: @Jesusneyra ho anao ry rahalahiko, nalaiko vao haingana iny… ho anao anie ny tsara indrindra sy ny betsaka indrindra! pic.twitter.com/lEpUFMYu

Ny fahitalavitra AmericaNoticias.pe (@NoticiAmerica) [es] mizara sary mihetsika ary mitonona manokana ny filoha Ollanta Humala:

@NoticiaAmerica: [VIDEO] Ollanta Humala fue abucheado durante el recorrido del Señor de los Milagros http://goo.gl/rygsN

@NoticiaAmerica:[VIDEO] Ollanta Humala nohobian'ny olona nandritra ny diabe ho an'ny Tompon'ny Fahagagana http://goo.gl/rygsN

Viajaporperu Indira (@viajaporperu) [es] naneho ny hagagany:

@viajaporperu: No sabía que la procesión del señor de los milagros se realiza en 260 paises!!! http://bit.ly/QJOUbe

@viajaporperu: Tsy fantatro fa hay hankalazaina any amin'ny firenena 260 ity diabe ho an'ny Tompon'ny Fahagagana ity!!! http://bit.ly/QJOUbe

Hanamarinana izany indrindra, avy any Santiago any Chili, Marion Duarte (@marionfernanda) [es] nandefa sary sady nanoratra:

@marionfernanda: La procesión por diagonal Paraguay del señor de los milagros cc. nico_brown pic.twitter.com/zSsUKk5F

@marionfernanda: Diabe ho an'ny Tompon'ny Fahagagana nandalo an'i Paragoay. nico_brown pic.twitter.com/zSsUKk5F

Adrián (@sspxs) [es], avy any Mexico, nandefa sary koa:

@sspxs: Procesión del Señor de los Milagros (@ Plaza de la Constitución (Zócalo) w/ 23 others) [pic]: http://4sq.com/TJOy5j

@sspxs: Diabe ho an'i Tompon'ny Fahagagana (@ Plaza de la Constitución (Zócalo) miaraka amin'ny 23 hafa) [pic]: http://4sq.com/TJOy5j

Humbero Meneses (@elyuka) [es] manoratra mikasika ilay sary nandalo teo akaikin'ny tranony:

@elyuka: Hoy es el día en que [la réplica del] el Señor de los Milagros de Polvos Rosados (?) pasa por la puerta de mi jato [casa]. Para mi mamá, esto es mejor que Navidad.

@elyuka: Anio, nandalo teo anoloan'ny varavarako ny Tompon'ny Fahagagana. Azoko lazaina fa tena tsara lavitra mihoatra ny noely izany.

Vinavinaina hatao amin'ny 1 novambra manomboka amin'ny 11 ora sy sasany ny diabe famaranana. Ilay tena sarin'ny Tompon'ny Fahagagana, ilay nataon'ilay andevo  Angoley, dia tehirizina ao amin'ny fiangonan'ny nazareana ao ambanivohitr'i Lima, ary afaka handehanan'ny olona rehetra any amin'ny fotoana rehetra, raha te hanao fanatitra sy hitsaoka azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.