Panama: Nitodika Tamin'ny Vahoaka ny Filoha Martinelli Rehefa Nofoanana ny Lalàna 72

Niezaka nanakatona ny herinandro izay namoizan'ain'olona efatra ny filohan'i Panama, Ricardo Martinelli omaly. Nanao kabary fampihavanana izy izay manasa ireo vahoaka mba hitady fihavanana taorian'ny fifandonana tao Colon nandritra ny hetsi-panoherana ny Lalàna 72. Lalàna manome alalana hivarotra ireo tany miorina ao amin'ny Faritra Afaka  (Haba) ao Colon .

Nalefa tao amin'ny fahitalavi-pirenena ao Panama ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny Alahady 28 Septambra, nalefa izany mba ho hitan'ireo vahoaka tsy tafandry mandry manontany izay hambaran'ny filoham-pirenena taorian'ny fahanginany, nisinda izany fahanginana izany rehefa nivoaka ireo sioka roa fohy. Nivoaka ireo sioka ireo nandritra ny fitsidihany ofisialy tao Japana izay nifanindry tamin'ity krizy ity.

Nofehezin'ny habaka Telemetro [es] toy izao ny sombiny tamin'ny kabarin'ny filoha:

“Tengo el corazón triste, por las vidas perdidas, los heridos, y los bienes saqueados, triste porque en vez de avanzar retrocedimos” fueron parte de las palabras del mandatario quien expresó que se derogó una Ley cuya explicación no llegó a todos. Recalcó que“la violencia nunca debe ser la vía para resolver nuestras diferencia, por el bien del país y de los panameños, estas confrontaciones no se pueden 

“Malahelo aho noho ireo aina nafoy, ireo naratra, sy ireo harena voaroba, mampalahelo satria raha tokony handroso, dia nihemotra isika’ no anisan'ny tenin'ny filoha. Nilaza ihany koa izy fa tsy mba nohazavaina tamin'ny olona ilay lalàna nofoanana. Nanipika izy fa “tsy ny herisetra mihitsy no fomba hamahana ny tsy fitovian-kevitra eo amintsika,  ho mahasoa ny firenena sy ny Panameana, tsy tokony hitranga akory izany fifandonana izany “ 
President Martinelli of Panama

Filohan'i Panam, Martinelli, tao amin'ny Mpisera Flickr LuisCarlos Diaz, CC BY-NC 2.0

Nandritra ny kabariny, nangataka ny fametraham-pialan'ny filoha ny sasany tamin'ireo Panameana tao amin'ny tambajotra sosialy, raha toa kosa ny sasany namazivazy ny tsy fisian'ny fanaovana azafady, ary ny hafa kosa nahita fa fotoanan'ny fihavanana tokoa izao.

Ho an'i El Joe (@hilmerj28) [es], ohatra, nampianatra lesona ho an'ireo mpanohitra azy ny filoha tamin'ny alalan'ny hafatra fampihavanana ho an'ny Panameana:

@hilmerj28: “@gonzalezbmariac: Buen mensaje @rmartinelli demostro mensaje conciliador Panama y los colonenses!” triste los lagartos opositores no crees?

@hilmerj28: “@gonzalezbmariac: Hafatra mahafinaritra @rmartinelli manaporofo fampihavanana ho an'i Panama sy ny vahoakan'i Colon ny hafatra!” mampalahelo ireo biby mandady ao amin'ny mpanohitra, sa ahoana hoy ianao?

Saingy ho an'ny hafa kosa, tahaka an'i Zeus Delgarte (@ZeusDelgarte) [es], fohy loatra ny kabary:

@ZeusDelgarte: Mejor hubiera hecho twettcam RENUNCIA MARTINELLI MENTIROSO

@ZeusDelgarte: Tsara tsara kokoa raha misy ny FAMETRAHAM-PIALAN'I MARTINELLI MPANDAINGA

Ho an'i Luis Castillo (@Luis03Castillo) [es] kosa, mitovy tamin'ny kabary nandritra ny krizy tao amin'ny governemanta ny kabary izay meloka avokoa ny rehetra ankoatra ny Governemanta:

@Luis03Castillo: El discurso d @rmartinelli fue el mismo q uso tras de la crisis de bocas y los gnobes. Lo dije en la mañana culparan a todos, menos a ellos.

@Luis03Castillo: Mitovy ny kabary nampiasany taorian'ny krizin'i Bocas sy Gnobe [vahoaka vazimba teratany] ny kabarin'i @rmartinelli. Nilaza izy ny maraina fa meloka avokoa ny rehetra, ankoatra azy ireo [governemanta].

Nahita kosa ny Minisitry ny Presidenza Roberto Henriquez (@RCHENRIQUEZ) [es] fa mahitsy ny kabariny ary mitondra fampihavanana:

@RCHENRIQUEZ: Ley 72 derogada.Discurso sincero y conciliador del Pres. Martinelli. Ahora vamos a organizar el dialogo con las fuerzas vivas de Colón.

@RCHENRIQUEZ: Nofoanana ny lalàna 72. Kabary voalanjalanja sady mahitsy no nataon'ny filoha Martinelli. Ankehitriny, andeha hametraka fifampiresahana isika miaraka amin'ny mpitondra monisipaly ao Colon.

Mifanohitra amin'izany, depiote mpanohitra Beby Valderrama (@BebyValderrama) [es] nihevitra fa fomba iray fialàn'ny Governemanta bala amin'ny olana sy ialàna amin'ny fanaovana azafady ny kabary.

@BebyValderrama: 9 días, 192 horas, 11,520 minutos y 691,200 segundos 4 muertos, + de 42 heridos y en 5 min pretende enlodar a todo el mundo y no pide perdón

@BebyValderrama: 9 andro, 192 ora, 11.520 minitra ary 691.200 segondra 4 namoy ny ainy, 42 naratra ary tao anatin'ny 5 minitra, mikendry handoto ny rehetra izy fa tsy hanao azafady

Na dia niantso ho amin'ny fampihavanana aza ny kabary, nifanipaka sy nifampihantsy ady ny fanehoan-kevitra tao amin'ny tambajotra sosialy. Angamba mbola tsy hifarana eto ny vaovao rentsika mikasika ity lalàna mampiady hevitra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.