Karaiba: Tsy Afa-Miala; Mamely i Isaac

Maro amin'ireo nosy no miezaka miala amin'ny korontana navelan'ny fandalovan'ny rivodoza na dia teo aza ny fanantenan'ny mpitoraka bilaogy Karaibiana fa handalo mora foana (tsy hamela takaitra loatra) eo amin'izy ireo ny Rivodoza tropikaly Isaac. Efa niaina ny voka-dratsy nateraky ny haratsin'ny andro i Haiti; tondra-drano sy fihotsahan'ny tany niteraka fahafatesan'olona vitsivitsy. Ny olona sasany tsy maintsy nasaina niala teo amin'ny tranony.

Nametraka ity sary ity izay misy ny fahasimbana teo akaikin'ny seranam-piaramanidina teo an-drenivohitra, Port-au-Prince, ny mpanao gazety @jacquiecharles eo amin'ny Twitter, ary i @planuk kosa nametraka ny sarin'ny tondra-drano mahery teo akaikin'i Jacmel. Sary maro hafa mikasika ny fahasimbana nataon'ny rivodoza eo amin'ny bilaogin'i Carel La, eto, miaraka amin'ny lahatsary eto sy eto.

Nanomboka nahare ny fisian'i Isaac ihany koa i Jamaika tao anatin'ny adin'ny roa ambinifolo izao. Mitatitra mikasika ny oram-be mikija sy ny rivotra mitsoka ny mpampiasa Facebook. Nanaraka ny rivodoza ity i Girl with a Purpose ary mitatitra toy izao:

Raha miresaka momba an'i Jamaika: holalovan'ny herika sy ny oram-baratra any amin'ny Atsimo sy Avaratra Atsinanan'iny nosy iny.
Oram-be efa ho 36 cm ny haavony no efa handrasana hoavy afaka 48 ora, hiafara amin'ny fihotsahan'ny tany.

Tena atahorana ihany koa ny fivoaran'ny Tadio Tropikaly Isaac ho Rivodoza goavana, fa mitady hiha-mahazo aina ny mason'i Issac (na ny ivony).

Manamafy ny mpitoraka bilaogy ao amina lahatsoratra vao nohavaozina

Nandifotra an'i Haiti ny rivodoza tropikaly Isaac tamin'ny alina…
Rivotra mifofo sy orana no nifafy tamin'ny tafon'ny tanàna – izay toerana onenan'ny Haisiana 350.000 taorian'ny faharavana tamin'ny horohorontany tamin'ny 2010…

…fa “ambany indrindra” kosa ny fiantraikany tany Jamaika.

Manohy mijery ny fivoarany i  Havana Times, raha mitoraka bilaogy avy any Kioba. Toy izao ny nosoratany tamin'ny lahatsoratra farany:

Namafa ny ilany atsinanan'i Kiobà tamin'ny Alahady ny rivodoza tropikaly Isaac, nitondra oram-baventy sy rivo-mahery rehefa avy namotika an'i Haiti. Andrasana hitodi-doha any Florida Keys izy io.

Namely ny firenena mpiray vodirindrina tamin'ny ora-mikija sy ny rivotra mifofofofo mahatratra hatramin'ny 100 km/ora dia ny repoblika Dominikana ihany koa ny rivodoza talohan'ny namelezany an'i Kioba.

Raha milaza ny manam-pahefana Kiobàna fa tsy misy fahasimbana goavana na voina lehibe taorian'ny fandalozan'ny rivodoza sy ny tondra-drano tany atsinanana dia mitady fialofana azo antoka ny mponina sy ny mpizahatany. Azo tombanana ny fahasimban'ny vokatra taorian'ny nandalovan'ny rivodoza, izay mbola niteraka oram-be manerana ny faritra maro eo amin'ny nosy.

Manohy ny diany any Florida i Isaac, ary maro ireo mpitoraka bilaogy Kiobana ampielezana no manaraka ny fivoarany. Lahatsoratra iray manokana no miresaka ny olana amin'ny fitantaran'ny The Weather Channel:

Lazaina ho mpitsikera ny ny asa fanaovan-gazetin'ny Weather Channel aho fa natao ho an'ny tsy Kiobàna ny zavatra rehetra ataon'ny ao Varadero, Kiobà. Tena mahavalalanina ny fomba fakana sary ahitana ny “zatovolahin-dobo filomanosana Kiobàna” mitondra sy miaro ireo sezalava. Tsy ho fantatrao mihitsy ny jadona mitàna tanteraka ny mponina 11 tapitrisa amin'ny fanandevozana virtoaly sy ireo andevo miaina ao anatina trano tsizarizary, izay mety ho voafafan'i Isaac ny ankamaroany.

Milaza toy izao ny mpitoraka bilaogy ao amin'ity lahatsoratra ity ihany fa nohavaozina:

FANAVAOZANA: Toa tahaka ny hoe sambany no nidiran'ny Weather Channel teto Kioba. Mazava ho azy fa milalao miaraka amin'ny lalàna napetrak'i castro sy ny tariny ry zareo.

Nanampy i Seidel,'Nalainay i Varadero noho ny antony ara-toetr'andro ary tsara vintana izahay satria nipetraka tamina trano feno ny zavatra mety ilaina rehetra .’

Antony ara-toetr'andro? Izany tokoa ve? Handeha hanimba any amin'ny faritra atsimo atsinanan'ny firenena ilay rivodoza ary hamotika ny eto afovoany nefa enao amin'ny sisiny avaratra ao amin'ny tontolo malazan'ny tora-pasik'i Varadero maka sary zatovolahy milomano?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.