· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Janoary, 2018

Andiana Tanora Kolombiàna Mpanohitra Raharaha Miaramila, Mankalaza Ny 10 Taona Nanoherana.

  18 Janoary 2018

Ny 17 May lasa teo no nanamarihana ny tsingerintaona faha-folon'ny Antimili sonoro [es], hetsika iray nokarakarain'ny tambajotra Youth Network mba hanaparitahana amin'ny alalan'ny mozika ho amin'izao tontolo izao mikasika ny fanoherana ny tsy maintsy hanaovana raharaha miaramila. Nankalazaina tamin'ny alalan'ny lanonana ny daty, ary fivoriana maro no nokarakaraina nandritra ny volana May manontolo, resadresaka sy diabe fankalazana ny faha-folo taonan'ny hetsika Tsy fankatoavana sy fanoherana sivily nataon'ilay fikambanana tanora. Mampiseho fanasàna ho amin'ireo hetsika, ireo rakitsary fampahafantarana sy lahatsary fohy iray avy amin'ny iray amin'ireo tarika ska niaka-tsehatra tamin'ilay kaonseritra.

Tsy Nankatoavin'ny Antenimiera Ny Fanalan-jaza Ao Shily

  18 Janoary 2018

Tamin'ireo vato 61 manohana, nanapa-kevitra tsy hankatoa ny fanalàn-jaza ny antenimieram-pirenena ao amin'ny kongresy Shiliana ary nanambara azy io ho "tsy azo ekena". Ny vato 21 kosa dia manohitra ary ny 3 tsy naneho hevitra.

Ekoadaoro: Fanendahana Tao Anaty Bus Tany Guayaquil

  12 Janoary 2018

Zava-misy isan'andro ho an'ny Ekoadaoreana maro, na eny an-dalambe na amin'ny fiainana andavanandro ny heloka bevava . Araka ny nasehon'ilay bilaogera José Andrés López Alvarez, izay nanatri-maso ny heloka bevava iray raha tao anaty bisy tao an-tanàndehiben'i Guayaquil izy.