Lahatsary: Lasa Ambasadaoron'Olom-pirenena Ireo Nandresy Tamin'ny Fifaninanan'ny Firenena Mikambana

(Marihina fa tamin'ny 28 Oktobra 2009 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Manolotra anareo ny horonantsary miisa 5 nandresy tamin'ny fifaninanan'ny Firenena Mikambana izahay izay nahitana ireo mpandray anjara nandefa tao anaty lahatsary ny hafatra tiany holazaina tamin'ireo mpitondra raha toa ka omena alàlana hanao izany izy ireo.  Afaka nandefa ny hafany tenany mivantana nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Firenena Mikambana tao an-tanàndehiben'i New York ireo bilaogeran-dahatsary miisa 5.

Tao anatin'ny lahatsoratra teo aloha, nanambara ny fifaninanana nataon'ny Firenena Mikambana ho an'ny Ambasadaoron'Olom-pirenena izahay izay nahitana ireo bilaogeran-dahatsary mandrakipeo ny zavatra tiany holazaina amin'ny Mpitondra eto Amin'izao tontolo izao raha toa ka manana fahafahana hanao izany izy ireo, ny mpandresy dia ho afaka hiresaka mivantana amin'ny Sekretera Jeneraly Ban Ki Moon ao amin'ny Andron'ny Firenena Mikambana ny 23 Oktobra. Nofinidiana sy nampandrenesina tao amin'ny YouTube ireo mpandresy, ary indro ny fanambarana tamin'ny lahatsary avy amin'ny Fantson'ny Firenena Mikambana :

Iray amin'ireo mpandresy i Emily Troutman avy any Etazonia, izay nanoratra vao haingana momba ny lahatsariny Congo Matters. Tao amin'ny valin'ny lahatsariny ho an'ny Firenena Mikambana, nilaza izy fa tokony ho tsaroan'ireo Mpitarika Manerantany  fa tompon'andraikitra amin'ny olombelona maherin'ny 6 lavitrisa hafa izy ireo:

Mpandresy iray hafa i Jeremy Walker avy any Canada, izay nitaky ny Firenena Mikambana mba hanaporofo fa mbola afaka manampy amin'ny famahana ny olana manerantany izy ireo, mba hamerenana indray ny fanantenana ho an'ireo mbola mino fa misy ny fiovana:

Nandefa lahatsary antserasera izay mamaly ny tokony hatao mba hahatonga ity tontolo ity ho toerana tsara sy azo antoka kokoa i Breno Coelho avy any Brezila, ary novalian'ny olona maro samihafa izay nanolotra ny vahaolana avokoa izany: fitiavana bebe kokoa, famerana ny fitiavam-bola, famerana ny fankahalana:

Nahitana ny feon'ny maro ihany koa tao amin'ny lahatsarin'i Maricarmen Ortega avy ao Meksika, amin'ny fiteny samihafa tamin'ity indray mitoraka ity :

Nandefa hafatra fohy, mahitsy avy hatrany i Kirsty Matthews avy any Canada : ny zavatra ilaina dia ny fitoviana, ny zavatra maharitra ary ny rariny ho an'ny rehetra:

Nandefa lahatsary mampiseho ireo Ambasadaoron'Olom-pirenena miisa 5 tao an-tanàndehiben'i New York nandritra ny Andron'ny Firenena Mikambana ny fahitalavitry ny Firenena Mikambana :

Arahabaina ny rehetra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.