Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ekoadaoro: Fanendahana Tao Anaty Bus Tany Guayaquil

(Marihina fa tamin'ny 21 Jolay 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Zava-misy iainan'ny Ekoadaoriana maro isan'andro, na eny an-dalambe na amin'ny fiainana andavanandro ny heloka bevava. Araka ny nasehon'ilay bilaogera José Andrés López Alvarez, izay nanatri-maso ny heloka bevava iray raha tao anaty bus tao an-tanàndehiben'i Guayaquil izy. Nanana fahatoniana hatrany i José satria tsy nisy naratra izy ary tsy nalaina ny fananany. Mitantara antsika ny antsipiriany momba ny zava-niseho sy ny zava-nitranga taorian'ny fanendahana ihany koa i Agucho tao amin'ny bilaoginy.

Mientras el bus estaba parado en un semáforo en rojo, dos tipos subieron, uno se sentó en medio y otro al final. Al arrancar el bus comenzaron a realizar su acto. Para que voy a dar detalles si todos los ecuatorianos han sido víctimas de un robo así que saben cómo son esos momentos.
Lo bueno fue, claro si es que puede haber algo bueno en un robo luego de estar amenazado con una pistola y ver como nerviosamente el ladrón manipula esta, que no me robaron nada.
¿Por qué?
Simplemente porque tenía mi seguro contra robos: “Estaba Chiro”
Definición de “Chiro” en el Ecuador.
Persona que no tiene nada de dinero en sus bolsillos.
Debido a esto no me robaron dinero, pero y el celular, bueno no me robaron el celular porque ya me lo robaron meses atrás y aun no tengo otro. 🙂

Raha nijanona teo amin'ny jiro mena ilay bus nandehanako dia nisy roa lahy niakatra, iray nipetraka teo afovoany ary tany aoriana ny iray. Nanomboka ny asany izy ireo raha vao nanomboka niainga ny bus. Inona moa no tokony hanomezako ny antsipiriany momba izany satria efa tratran'ny fandrobana daholo ny Ekoadaoreana rehetra ary fantatr'izy ireo izany toe-javatra izany. Ny lafiny tsara azo lazaina mikasika ity tantara ity, raha misy lazaina ho misy lafiny tsara ny resaka halatra, indrindra rehefa avy norahonan'ity mpangalatra taitai-baombina ity tamin'ny basy dia ny tsy nakan'izy ireo na inona na inona tamiko.
Nahoana?
Satria nanana fiantohana tamin'ny fandrobana aho: “Chiro aho”
Famaritana ny “Chiro” eto Ekoadaoro.
Olona tsy manana na inona na inona any am-paosiny. Izany no nahatonga azy ireo tsy nangalatra na vola na finday tamiko; Raha ny marina, tsy nangalatra ny findaiko izy ireo satria efa nisy nangalatra volana vitsy lasa izay izany ary mbola tsy afaka nanolo izany aho. 🙂

Mitantara amintsika ny zava-nitranga tamin'ny namany i José , fotoana fohy taorian'ny nandosiran'ireo mpanendaka.

Luego del robo viene algo interesante, este acto que causa nerviosismo en las personas luego origina una amistad entre los pasajeros. Cuando el ladrón baja del bus comienza un dialogo interesante. Hay el que dice que la pistola era de juguete o que no estaba cargada o que no valía, otros dicen que se le podría haber agarrado entre todos y no hubiera robado nada (claro eso nunca pasa, son solo unos “valientes” que solo lo dicen después del robo pero no lo hacen).La mitad de las persona quieren que el chofer siga al ladrón, la otra mitad quiere que avance rápido y no pare para nada, todo esto mientras unos a otros intercambiamos detalles de lo que nos robaron o dejaron de robarnos, como un señor que irradiaba felicidad porque el ladrón no quiso robarle su Alcatel viejito.

Tsara ny mahafantatra ny zava-nitranga taorian'ny fangalarana, hetsika izay niteraka fisavoritahana teo amin'ireo niharam-pahavoazana ary naha-lasa mpinamana ireo mpandeha. Nafana ny fifanakalozan-kevitra raha vao nivoaka ny bus ilay mpangalatra. Nisy ny nilaza fa sandoka ilay basy, ary tsy mifahana sy tsy mandeha, ny hafa indray nilaza fa raha niray hina izahay dia nety voasambotra izy ireo ary tsy nangalatra na inona na inona (izay mazava ho azy fa tsy hitranga mihitsy, fa izany hoe resak'ireo sasany manana “fahasahiana” fotsiny ihany taorian'ny fandrobana). Nitaky ny mpamily mba hanenjika ilay mpangalatra ny antsasaky ny olona, ny antsasany kosa niteny taminy mba hanohy haingana ny lalana ary tsy tokony hijanona mihitsy na inona na inona mitranga. Izany rehetra izany no nitranga rehefa samy nilaza ny antsipiriany momba izay zavatra nangalaran'ireo mpangalatra sy ny navelan'izy ireo izahay, tahaka ity lehilahy ity izay faly satria tsy nalain'ireo mpangalatra ny findainy Alcatel izay efa tranainy be.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.