Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2016
Torolalana Hahatakaranao Ny Fizotran'ny Krizy Politika Ao Brezila
Misangodingodina haingana ny zava-mitranga any Brezila tanatin'ny iray volana mahery izay, ary miova haingana dia haingana ny toe-draharaha ka raha tsy miserasera kely ianao dia mety ho tsy fantatrao akory ny vaovao mipoaka farany indrindra.
Tandremo ry Zanakavavin'Ilay Mpanao Didy Jadona Tao Però, Tsy Mila Anao Hilatsaka Ho Filoha Ireo Mpanao Fihetsiketsehana
Ts isalasalana ny fitarihan-dalan'i Keiko Fujimori amin'ireo propagandy isan-karazany, saingy manomboka miova ny zavatra rehefa niverina tao amin'ny tsiaron'ny Peroviana ny fitondrana didiko fe lehibe nataon-drainy.
Fikaroham-bola Ho An'ny Horonantsary Fanadihadiana Mikasika Ilay Vehivavy Mainty Voalohany Solombavambahoaka Tao Brezila
Ireo mpamokatra sarimihetsika no nandefa fanentanana ho famoriambola eny ifotony, hitadiavana 6.000 Dolara mba hamatsiana ny famokarana kapila mangirana DVDs miisa 1.000, izay ho zaraina maimaimpoana amin'ireo sekoly, ireo anjerimanontolo, ireo tranomboky, ary ireo ivon-toerana ara-kolontsaina.
Mbola Tsy Hita Ihany Ny Rariny 10 Taona Taorian'ny Fahafatesan'Ireo Boliviana Mpifindra Monina Tao Amin'ny Toeram-piasana Iray Nirehitra Tao Arzantina
"Ny fahatsiarovana an-tsaina ny zava-doza dia fitaovana iray entina miady amin'ny ho avy. Tsy hanadino izahay. "
Tetikasa Lalàna Mahaolompirenena Iadiana Amin'ny Kolikoly Ara-politika Ao Meksika
"Leo ny kolikoly ny Meksikana. Tahaka ny mangataka amin'ny mpilalao baolina kitra mba ho mpitsara ny lalaony manokana ny fangatahana amin' ny mpanao politika mba hamahana ny olan'ny kolikoly. Tsy maintsy avy amin'ny olom-pirenena ny vahaolana."
“Thérèse Kely”-n'i São Paulo Miady Amin'ny Haintany Sy Ny Fahambonian'ny Lehilahy
Miarina avy tamin'ny haintany naharitra ela ilay tanàna lehibe indrindra ao Brezila, saingy nisy vokatra tsara azo tsapain-tanana ny fiantraikany. Vehivavy iray no nahita an'izany ho sahala amin'ny fotoana hanetsehana ny vondrom-piarahamonina manontolo.