Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2016
Graffiti 27 Manodidina An'i São Paulo Tsara Ho Fantatrareo
Raha hita sary ao amin'ny boky taridalan'ny fitetezan-tany iraisampirenena ny sary nataon-tanana an-drindrina ao afovoan-tanàna, dia tsy fantatry ny maro, eny fa na izay monina amin'ity tanàna lehibe indrindra ao Amerika Latinina ity kosa, ireo sary nataon-tanana an-drindrina miranty eny amin'ny sisintsisin'ny tanàna.
Tranomboky Feminista Ao Meksika Manana Fikasana Hanolotra Zava-Baovao Ho An'ny Vehivavy
Miaro ny andraikitra fampielezam-baovao sy manome sehatra hifanakalozan-kevitra sy hifandraisan'ireo liana amin'ny fitovian-jo ny "Tranomboky " izay manana mpanjohy mihoatra ny 9000 .
Tsenan'i San Juan Sy Ny Henan'ny Liona, Iray Amin'ireo Tsiambaratelon'ny Tanànan'i Meksika Tsara Tahiry Indrindra
Ireo lambodia, ny diera, ny voay, ary ny liona, ankoatr'ireo hena vaovao hafa avy any lavitra, no hita ao amin'io tsena toka-miavaka ao Meksika io.
Tsy Maintsy Mianatra Momba Ireo Paortigey Mpanoratra Ve Ireo Breziliana Mpianatra ?
Malahelo ireo sasany fa ho esorina ao anaty fandaharam-pianarana ireo paortiogey mpanoratra, ireo hafa maniry ny literatiora afrikana sy amerikana-latina ho atao lohalaharana.
Ireo Tsy Manantsinin'ny Panama Papers (Taratasin'i Panama)
"Tena azo takarina tsara ny faniriana miely patrana momba ny hisian'ny mangarahara manodidina ny olan'ny fandosirana hetra. Kanefa, mipoitra ny fanontaniana raha misy olona tsy manantsiny voatohintohina vokatr'io dingana natao io."
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Panama Papers Ahoana?
Ato amin'ity fizarana ity isika mahita fa mihamafana ny politika ao Pôlônina, mitdy fankatoavana ny Afro-Chileana, ary miasa mafy ireo Shinoa mpiasan'ny fanampenambava hanaisotra ny resaka Panama Papers -- eny fa na dia avy amin'ny imailaka aza.
Ecos Indígenas: Tambajotranà Radio Mitondra Ny Feon'ny Fahasamihafàna Ao Meksika
Avy amin'ny hetsika meksikàna iray, efa mandeha amin'ny aterineto ary ren'izao tontolo izao ny fampielezampeo indizena iray.
Nanampy Handrenesana Ny Feoko Ny Espaniola, Fiteny Izay Nanindriana Ireo Razako Fahiny
Anatin'ny ampahany faharoa amin'ny lahatsorany, adihadian'i Shirley Campbell ny fomba mahatonga ny Espaniola ho fiteny manavakavaka sy manafaka.
#IamSyrian, Hetsika Mahatonga Ny Syriana Tsirairay Ho Afa-Mirehareha
Naka ny lanonana fizazana Oscar i Moustafa Jacob, mpanakanto Syriana, mba hanombohana ny fanentanana #IamSyrian. Tsy nampoiziny hahazo firaisankina iraisampirenena miaraka amin'ny Syriana ny hetsika nataony.
Taorian'ny Varadatsaka Avy Amin'ny Panama Papers, Mihomehy i Amerika-Latina Mba Tsy Hitomaniana
Miezaka manome dikany amin'izay fomba tsara indrindra fantatr'izy ireo ho an'ireo fiporitsahana tamin'ny Taratasin'i Panama ireo vahoakan'i Amerika-Latina: amin'ny alalan'ny vazivazy.