Tetikasa Lalàna Mahaolompirenena Iadiana Amin'ny Kolikoly Ara-politika Ao Meksika

ley3de3

Mariky ny 3amin'ny3 Hetsika Fandraisana an-Tanana Lalàna Sivika ao amin'ny Facebook.

Mikasa hamaha ny olana goavana momba ny kolikoly sy ny tsimatimanota ao Meksika amin'ny alalan'ny Hetsika Lalàna Sivika 3amin'ny3 ny vondrona samihafa an'ny olom-pirenena. Kendren'ny tetikasa ny hamorona lalàna novolavolain'ny  fiarahamonina sivily mivantana izay manome fitaovana hanakanana sy hanasaziana ny kolikoly ataon'ny mpiasam-panjakana.

Araka ny fanazavana naseho tamin'ny lahatsarin'ny vondrona:

Los mexicanos estamos hartos de la corrupción. Pero pedirle a los políticos que resuelvan el problema, es como pedirle a un futbolista que sea el árbitro de su propio partido. La solución tiene que venir de los ciudadanos.

Leo kolikoly ny Meksikana. Tahaka ny mangataka amin'ny mpilalao baolina kitra mba ho mpitsara ny lalaony manokana ny fangatahana amin'ny mpanao politika mba hamaha ny olana. Tsy maintsy avy amin'ny olom-pirenena ny vahaolana.

Noho izany, ireo izay nanatevin-daharana sy nanomboka nampiroborobo ny tetikasa dia niditra an-tsehatra tamin'ny fandrafetana ny hetsika Lalàna Ankapobeny momba ny Andraikitry ny Fitantanana, izay manitatra ny sehatra isan-karazany amin'ny lalàna ankehitriny miantso ny manampahefam-panjakana mba hanao fanambaram-pananana, ankoatra ny adidy hafa. Ny Hetsika Lalàna Sivika 3amin'ny3, izay antenain'ireo mpikatroka fa horesahina sy ho eken'ny Kongresy dia mametraka izao manaraka izao:

[…] la obligación de todos los funcionarios públicos de hacer públicas tres declaraciones: declaración patrimonial, de intereses, y fiscal. Además, define reglas claras de conducta para los servidores públicos y actores privados, así como sanciones para los corruptos.

[…] Ny andraikitry ny manampahafam-panjakana rehetra mba hamoaka fanambarana telo: ny fanambaram-pananana, ny tombotsoa, sy ny hetra naloa. Fanampin'izany, mamaritra fitsipi-pitondran-tena mazava ho an'ny mpiasam-panjakana sy ny mpisehatra tsy miankina, ary ny sazy amin'ny fanaovana kolikoly.

Ny andininy faha-71 ao amin'ny Lalàmpanorenana Meksikana dia manome fahafahana ho an'ny olom-pirenena mba hanolotra lalàna mivantana any amin'ny Kongresy, saingy tsy maintsy mahazo fanohanana 0,13 isan-jaton'ny lisitry ny mpifidy farafahakeliny ny tolo-dalàna. Amin'ny teny hafa, tsy maintsy tohanan'ny olona 120.000 farafahakeliny ny tolo-dalàna mahaolompirenena vao tafiditra amin'ny fifanakalozan-kevitra ao amin'ny Kongresy.

Araka izany, ny Hetsika sivika 3of3 dia nanokan-tena hampiroborobo ny fikatrohana sy ny fandraisana anjaran'ny sivily, amin'ny fampiasana tambajotra sosialy tahaka ny Facebook, Twitter, Instagram, ary YouTube mba hanentana amin'ny hetsika, ary manasa koa ny olona handray anjara sy hizara vaovao misy ny toerana hiasan'izy ireo hanangonana sonia.

Sioka 33.000, tia 16.000 tao amin'ny Facebook, mpijery 160.000 tamin'ny lahatsary #Ley3de3  [Lalàna 3of3]! Mila sonia isika. Tsy ho an'ny #SpectatorEffect (Vokatry ny mpijery [fotsiny]). #IAlreadySigned (Efa nanao sonia)

Toy izany koa, nanambara ny tambajotram-pikambanana antsoina hoe Hetsika Sivika Manohitra ny Fahantrana fa hanantateraka Androm-pirenena Manohitra ny Kolikoly amin'ny 13 Martsa izy, ka hametraka latabatra eny amin'ny toerana ho an'ny daholobe mba hanangonan-tsonia amin'ny fandraisana an-tanana.

Los organizadores informaron que hasta ahora el formato para reunir firmas a favor de la iniciativa, ya se ha descargado más de 40 mil veces del sitio web de la Ley, y señalaron que en la jornada del día 13 de Marzo esperan que se puedan repartir hasta 10 mil formatos más, en alrededor de 200 mesas, que se instalarán en las principales ciudades del país.

Nitatitra ireo mpikarakara fa, hatramin'izao, efa notrohana in-40 000 mahery tao amin'ny tranonkalan'ny lalàna ny taratasy fanangonan-tsonia ho an'ny hetsika. Nanamarika ihany koa izy ireo fa manantena hizara taratasy 10.000 hafa koa amin'ny 13 Martsa eny amin'ireo latabatra eo amin'ny 200 napetraka eny amin'ny tanàn-dehibe manerana ny firenena.

Miady amin'ny kolikoly tena avo lenta i Meksika. Araka ny fikarohana farany avy amin'ny Transparency International, izay niara-miasa tamin'ny Transparency Mexico, laharana faha-95 amin'ireo firenena 168 i Meksika eo amin'ny Tondro momba ny Kolikoly ary mitàna ny toerana farany eo amin'ireo firenena 34 mpikambana ao amin'ny Fikambanana ho an'ny Fiarahamiasa sy ny Fampandrosoana ny Toekarena.

Namintina ny toe-draharaha tahaka izao ny sampam-baovao El País:

El análisis elaborado por Transparencia Mexicana resalta que a pesar de que en 2014 y en 2015 el Congreso de la Unión aprobó las reformas constitucionales que crearon los Sistemas Nacionales de Transparencia y Anticorrupción, ha sido imposible que dichos cambios tengan un efecto positivo en el Índice de Percepción de la Corrupción. Esto debido a los escándalos en los que se ha visto envuelto el gobierno federal y los mandatarios de los Estados. […]

La organización dedicada al combate de la corrupción apunta que para reducir los niveles de impunidad y corrupción, México debe avanzar en una agenda legislativa que vaya más allá de la ley del Sistema Nacional Anticorrupción.

Manamarika ny fanadihadiana nataon'ny Transparency Meksika fa – na dia nankatoavin'ny Kongresy aza ny fanavaozana ny lalàmpanorenana izay niteraka ny Rafitra Nasionaly momba ny Mangarahara sy ny Fanoherana ny Kolikoly tamin'ny 2014 sy 2015 –  sarotra ho an'izany fanovana izany ny hanana vokatra tsara eo amin'ny Fametrahan-daharana [Tondro] momba ny Kolikoly. Izany dia vokatry ny tantara ratsy naha-voaringotra ny governemanta federaly sy ny mpitondra ny firenena. […]

Manamarika ny fikambanana natokana hiady amin'ny kolikoly fa mba hampihenana ny tahan'ny tsimatimanota sy ny kolikoly, tsy maintsy mampandroso fandaharam-potoana amin'ny fanaovan-dalàna mihoatra ny lalànan'ny Rafitra Nasionaly Hiadiana amin'ny Kolikoly i Meksika.

Amin'ny ady amin'ny kolikoly izay mbola lavitra ny lalana, miatrika tantara ratsin'ny fanodikodinam-bola sy ny fangalarana loharanon-karena i Meksika ankehitriny, ary koa ny fanao hafa tsy tambo isaina amin'ny kolikoly ara-politika. Mandritra izany fotoana izany, mila lalàna faharoa hiadiana amin'ny kolikoly ho ampiharina amim-pahombiazana ny fanavaozana lalàmpanorenana natao.

Natao hameno sy hanamafy ny Rafitra Nasionaly momba ny Fanoherana ny Kolikoly araka izany ny hetsika sivika 3amin'ny3. Amin'izany, mpanao famakafakana ara-politika sy akademika María Amparo Casar manasongadina  izao manaraka izao:

La iniciativa ciudadana [Ley 3de3] tiene dos vías para prosperar: que algún partido o partidos la hagan suya o que sea dictaminada como tal. Lo que es claro es que las organizaciones y ciudadanos que la apoyamos hemos dado, en los hechos, un paso más en el compromiso no sólo de denunciar y quejarnos de los altos niveles de corrupción e impunidad que prevalecen en el país, sino de ponernos manos a la obra a través de propuestas concretas.

Ny hetsika sivika [3amin'ny3] dia manana fomba roa hahombiazana: manao ny azy manokana ny antoko iray na antoko maromaro na tantanina tahaka izany. Mazava fa ny fikambanana sy ny olom-pirenena manohana azy raha ny marina dia manao dingana mankany amin'ny fahavononana tsy hitatitra sy hitaraina momba ny taha avon'ny kolikoly sy ny tsimatimanota manjaka ao amin'ity firenena ity ihany fa miasa koa amin'ny alalan'ny tolo-kevitra mivaingana.

Eo no mipetraka ny maha zava-dehibe ny fanohanana ny tetikasa izay mikatsaka hamily ny tsy fifaliana ara-tsosialy ary mankany amin'ny #FromComplainingtoActing (miala amin'ny fitarainana fa mikatroka amin'izay).

#Ley3de3 [Lalàna 3amin'ny3] dia feon'ny Meksikana maro mitaky fanovana ho an'i Meksika sy manohitra ny kolikoly.

Ireo manam-pahaizana nandray anjara tamin'ny famolavolana ny Lalàna 3amin'ny3 : Enrique Cárdenas, María Amparo Casar, José Roldán Xopa, Juan Pardinas manangona ireo sonia manohana ao Parque México.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.