· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Mey, 2012

Lahatsary: Mifampizara Ny Fiainany Ny Reny Manerantany

  03 Mey 2012

Hita ao amin'ny fampirantiana an'aterineton'ny Mozea iraisampirenena Momba ny vehivavy avokoa ny momba ny reny rehetra. Nampahafantatra ireo karaza-pijery momba ny reny tamin'ny alalan'ny fanadihadiana an-dahatsary natao tamin'ny vehivavy avy ao Nizeria, Kenia, Afganistana, Etazonia, Kolombia, Hongria, Shina ary Norvezy ny MAMA: Ny Fiainan'ny reny manerana ny glaoby. Mama to Be (Ho reny atsy...

Meksika: Hetsika Rodobe Am-bisikilety Nifandona Tamin'ny Governemanta Tao an-toerana

  02 Mey 2012

Ny 28 Aprily 2012, andiany iray mpitaingina bisikilety no nikarakara rodobe iray ho fanoherana ny tetikasan'ny governemantan'ny tanànan'i Mexico hanamboatra ilay antsoina hoe "Supervía Poniente" (Poniente Super-road). Araka ireo vavolombelona nanatri-maso nanoratra ao amin'ny Twitter, marobe ireo mpitaingina bisikilety nandray anjara tamin'ilay rodobe am-bisikilety no nopetahan'ny polisy.

Kolombia: Zazalahy 12 Taona Maty Noho Ny Vono Nahazo Azy Tany Am-pianarana

  01 Mey 2012

Zazalahy kely 12 taona no maty herinandro lasa izay noho ny vono nahazo azy tamin'ny fiarovany ny mpiara-mianatra taminy. Na dia nanambara aza ny mpitsabo mpahay lalàna fa aretin'ny taolana no nahafaty azy, nandà izany fanapahan-kevitra izany ny reniny [es] sy ireo manam-pahaizana vitsy [es] ary nilaza fa ilay fidarohana azy no antony tena niteraka ny fahafatesany. Mihetsi-po amin'ny fahafatesan'ity zazalahy ity ireo Kolombiana mpampiasa aterineto.