Ny 28 Aprily 2012, andiany iray mpitaingina bisikilety, ka tao anatin'izy ireny dia nahitàna fikambanana sivily iray antsoina hoe Bicitekas [es], no nikarakara rodobe iray izay niainga teo amin'ilay ‘Anjelin'ny Fahaleovantena’ mampiavaka ny fon'ny tanànan'i Mexico, nitodi-doha nankany amin'ilay antsoina hoe ‘Supervía Poniente‘ (Làla-migodanan'i Poniente) [es] ho fanoherana ny fanamboarana ito farany. Teny an-tenantenan-dàlana teny dia mpitaingina bisikilety enina no nosamborin'ny polisy teny an-toerana, araka ny voalazan'i Mónica Tapia A. [es] (@monicatapiaa):
¿Están siguiendo
#fleshandconcrete ? Detuvieron y golpearon a 6 ciclistas@BernardoPadron@Karkarkarrr por subir a#2dopiso#supervia
Ny ‘Supervía Poniente’ dia tetikasa iray an'ny governemanta avy amin'ny elatra havia tarihan'i Marcelo Ebrard [es], filohan'ny Governemantan'ny Distrika Federaly. Ny tanjona amin'ilay làlana dia ny hampitohy ny ilany atsimon'ny tanàna amin'ny faritra fifaneraseran'ny eraky ny firenena any andrefan'ny tanàna, ao amin'ny distrika iray fantatra amin'ny hoe Santa Fé.
Nahita ny fihazakazaky ny fitomboan'ireo mponina mifamoivoy ao aminy i Santa Fé, ary noho io antony io indrindra indrindra no mahatonga azy ho lalan-tsarotra ho an'ireo izay mpiasa mamily fiara mamonjy fiasàna isan'andro ao vokatry ny vesatry ny fifamoivoizana. Nokendrena ho vahaolana amin'io olana io ny ‘Supervía Poniente’, saingy niteraka fanakianana avy amin'ireo mafàna fo izay milaza fa hisy fiantraikany goavana eo amin'ny tontolo iainana ireo asa atao ao. Ilay rodobe am-bisikilety natao ny Sabotsy 28 Aprily teo dia iray ihany amin'ireo hetsi-panoherana natao hanoherana ny asa fanamboarana ilay làlana.
Kanefa, araka ny fanambaràna avy amin'ireo nanatri-maso izay nakarina ao amin'ny Twitter, hita nifandona tamin'ireo mpitaingina bisikilety ry zareo polisy. Nitatitra i Jorge A. G. Matalí [es] (@elMatali) hoe:
Se tratan de llevar a uno para intimidarnos a todos
#fleshandconcretehttp://instagr.am/p/J-u0DrPz5I/
Nanoratra ny mpikarakara Bicitekas [es] (@Bicitekas) hoe:
Nuestra rodada es pacífica, ejercemos nuestro derecho a circular.
#FleshAndConcrete#CarneyConcreto#Bici
Araka ny ambaran'i Daniel Gershenson [es] (@alconsumidor) dia nandrahona ny polisy :
Después de la melée (donde un policía incluso amenazó con “llamar a granaderos”), prosigue Rodada
#FleshandConcrete hacia L Cabrera [Avenida al sur de la ciudad de México]
Jordy M.Y. [es](@jordy_my) nitatitra fa hoe nentina tany amin'ny biraon'ny Ministeram-bahoaka :
Después de un altercado que terminó en agresión de la policía de tránsito, estamos en la agencia 45 de Álvaro Obregón.
#fleshandconcrete
Nahatezitra ny sasany tamin'ireo mpampiasa twitter io tranga io, dia ireo nanontany tena ny amin'ny làlan-kevitra mirindran'ny governemanta izay “mandrisika” ny fampiasàna bisikilety, toa izay avoitran'i Juan Pueblo [es] (@ElcondeGiovanni) :
Congruencia y sentido común,se estimula uso de bicicleta en DF,pero no es correcto pedalear en vías rápidas y 2dos pisos
#FleshandConcrete
Ho an'i Kar (@Karkarkarrr) tsy izy mihitsy ny fihetsika nataon'ny polisy :
Tanta represión por parte del gobierno de
@m_ebrard es asquerosa e injusta. ¿Qué daño causamos? ¿Por qué detenernos?#fleshandconcrete
Tsy mbola nanao fanambaràna mikasika io olana io ny governemantan'ny tanàna, ary toa tsy miraharaha akory an'izany ny mpitarika ny governemantany Marcelo Ebrard [es] (@m_ebrard) rehefa mandefa bitsika:
Las quinceañeras 2012 en el Auditorio Nacional , son 347
Mbola hitohy hiteraka fifanakalozan-dresaka ireo zava-nitranga ireo, indrindra raha raisina ny hoe ora vitsy monja taorian'ilay fifandonana no tokony nanomboka ny fampielezan-kevitra ho an'ny fitantànana ny tanàna.